Da Vinci Code

1. nananie ( 06/10/2004 10:00)
Inona no mba hevitrareo momban\'io boky io?
novalian'i tsoupou ny 14/11/2005 08:33
2. booboo ( 06/10/2004 10:44)
efa ary @ fivavahana sy finoana io sujet io raha tsy diso zà
3. nykanto ( 06/10/2004 12:16)
Dan Brown dia mpanoratra mahay ary efa fanta-daza, io boky nosoratany io dia mahasarika ny olona noho ny fahaizany manoratra sy ny fomba fampitany tantara anakiray miendrika karazana lalao sy ankamantatra, vokatry ny aigam-panahiny ihany izay rehetra voalaza ao ... na izany aza dia tsy biblika ilay boky satria milaza fa i Jesosy dia vadin\'i Maria Magdalena.

Misy boky anakiray vao nivoaka tsy ela manazava ny fomba nanoratany io boky io , ireo boky sy loharanon-kevitra rehetra nananganany ilay tantara, izay tsara vakiana koa.
Ny Kanto
4. andrea ( 06/10/2004 15:05)
nananie> Mba jereo ao amin\'ny lohahevitra fivavahana sns ... efa misy hevitra maro momba an\'ilay boky ..
izaho aloha dia hoatran\'ny voafelaka tehamaina : satria tena hazavainy tsara hoe : taloha ny vehivavy ( tamin\'y andro nahaveloman\'i Jesosy na talohany dia nisy lanjany ny vehivavy tao amin\'ny fiangonana .. avy eo ny egilse katolika no namadika ny finoana hoe tsy misy lanjany ny vehivavy..satria nahavita eloka , mandrebireby lehilahy tokony hivavaka .
Izany no nahatonga ny famonoana ny mpamosavy taloha sns ....
Ka raha dinihina ny tena marina dia mahatsapa fa ny Filohan\'ny eglise Katolika teo aloha no nanao politika sy be lainga ..... Amiko tena marina izany !!!!
Ny zavatra mety tsy ho marina dia hoe : Inona marina ny atao St graal ? Marie Madalene ve ? zanak\'i Marie Madalene tamin\'i Jesosy ve ? sa Calisy , ny ankotran\'izay dia mety hitombona daholo ny zavatra notenin\'i Dan Brown .
5. kally ( 06/10/2004 15:17)
Toy ny boky rehetra ihany io,trandrahina izay lohahevitra mety hahasarika ny olona mba hahalafosana bebe kokoa,betsaka ny zavatra voaporofo fa noforonin\'ny saina ihany ao anatin\'io boky io.
Ary fantatry ny mpanoratra fa tsy vitsy ny marivo salosana mora rebirebena ny sainy dia notrandrahiny izany ka dia tafita ny zava-nokendreny.
6. andrea ( 06/10/2004 17:11)
kally > za ndray tsy mitovy hevitra aminao.. betsaka ny boky , ary be ny mpanoratra boky, ny boky rehetra tsy mitovy izany!! . Ary ny famakiana boky dia mampivelatra saina, (raha tsy hoe boky tsy aiko angamba no vakianao) .Ilaina hoatran\'ny serasera ihany ny famakiana boky !!! . Ny mpanoratra manoratra tantara fotsiny , araky ny tsirairay io, samy mandray hevitra tandrify azy satria ny olona rehetra samy manana ny heviny, ny finoana , ny fanabeazana azony,sns ... . Ary ny fiovana hevitra, tsy midika akory hoe marivo salosana.
Ny olona malaky mitsara no marivo salosana amiko !!!
7. fijo ( 06/10/2004 20:47)
io boky io dia nisy fikarohana maro.ary ny zavatra voalazany ao dia efa maro ny mpandinika nanohana ny fahamarinany.
ilay resaka hoe nanana ny lanjany ny vehivavy taloha fa ny kato no nanova io resaka io dia marina.ny profo dia izao.ny jiosy dia tsy ny ray no maha jiosy anao fa tsimaintsy avy amin\'ny reny.
ny st graaal dia ilay kalisy,saingy misy resaka miafina be ao.satria marika io kalisy io fa ny zavatra tiany lazaina dia hafa.
ary marie magdalena dia nankahalaina noho ny izy atidoha sy mpanohana arabola an\'io jesosy.ary dia navadiky ny kato hoe mpivarotena mihintsy amin\'ny baiboly.
i adidja koa dia toa io amin\'ny silamo.izy no tena atidoan\'i mahome sy mpamatsy vola ka navadika ho olona ratsy sy mpamadika lohan dehilahy.
ka raha maivandoha moa izy roalahy ireo ve tsy aleo hoany,fa tsy ny sipa no haratsiana.
8. ikaretsaka ( 07/10/2004 03:33)
Dia mitohy io \"sipa mpiompy\" sy mpamatsy vola \"mpitondra fivavahan\"a io \"mandrak\'akehitriny\"
9. kally ( 07/10/2004 07:18)
Tsy azon\'i Andrea mihitsy ny zavatra tiako lazaina.tsy miteny mihitsy aho hoe tsy ilaina ny mamaky boky, ilaina izany, fa ilaina koa ny fahaiza-mandalina sy fahaiza-mikaroka ny fototr\'izay novakiana,jerena hoe aiza ho aiza ny tanjon\'ity mpanoratra ity ary ahoana avy.Ny hoe marivo salosana dia tsy olona malaky mitsara nydikany fa olona mora rebirebena. :wink:
10. andrea ( 07/10/2004 07:28)
kally > Oups !! tena tsy azoko marina ny tian\'ny kally ho lazaina.. nentin\'ny fo e ! :D
11. booboo ( 07/10/2004 12:09)
12. chipie1 ( 07/10/2004 15:14)
:lol:
13. fijo ( 07/10/2004 20:47)
izay mihintsy ilay olana .matetika dia tsy fifankazahoana no fototra hiaviany.fa rehefa mazava toa izay dia miravina hoazy io.
14. tsoupou ( 14/11/2005 08:33)
Tsara io Boky io. Mba namaky azy aho 1 mois lasa izay fa tena aoka fotsiny. Ny olana fotsiny dia ny tsy fananantsika centre de documentation feno ary àry fomba mba ahafahana manao recoupement amnà faits ohatran'ireny voalazan'i Brown ireny. Misy référence amna boky maro ao ka ireny no tokony ho vakiana indray aloha alohan'ny hanaovan'ny tsirairay conclusion (lasa conclusion hative lé izy). Ka rehefa mba misy mahita URL na boky tena izy ahafahana manatanteraka izany dia mba ampitampitao amin'ny hafa e§§§§§§§
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1191