Andao hasiana fihaonana @ 1 Novembre 2004

1. naritsimba ( 30/09/2004 06:26)
Miarahaba antsika eh!
Andao mba hasiana fitsangatsanganana @ 1 Novambra 2004 fa @ io mba malalaka no sady andro tsy fiasana rahateo eh!
Raha mazoto isika dia izaho efa mahita toerana azo aleha tsara, sady mahafinaritra..
Miankina amintsika ihany anefa io nefa mino aho fa betsaka no afaka satria sady tsy Alahady io fa Alatsinainy koa dia rahoviana ary no fotoana hanomanana azy eh!
Misaotra mialoha eh
novalian'i fijo ny 19/10/2004 20:41
2. six ( 30/09/2004 10:20)
ataovy serieux e!
3. ravatorano ( 30/09/2004 12:56)
:D naritsimba tena mahafinaritra ilay tolo kevitra fa ny atahorako dia misy hilaza indray fa hanatitra vonikazo sy ny sisa ary tsy azo sakanana amin izany ny namana .
six> :D :D :D faly d faly ny tena mahita anao ato ami ity forum ity ary ialana tsiny fa d miangavy anao mba hi prendre contact amin ny namana aloha faf tena efa ratsy mihitsy ny eritreritray momba anao fa tena ela b tokoa nareo tsihita :evil: :evil: .
Mbola tsisy nanao fihaoanana tsy sérieux zany zandry ah fa d anjarantsika no samy mieritreritra eh.
4. naritsimba ( 01/10/2004 05:25)
Salama eh!
Mino aho aloha fa ho betsaka ny namana handeha satria ny antony dia: maro ireo namana mba te-hanatrika fihaonana tahaka ireo teo aloha fa vokatr\'ilay izy hoe tao anaty grande vacance, na tao anaty fanomanana fanadinana no tsy nahafahany.
Mety hisy aloha ny hanatitra voninkazo fa angamba kosa tsy dia hoe isika rehetra eh!
Koa asa raha afaka manome fotoana ise ravatorano mba hifankahitana dia alamina tsara dia avoaka ho fantatry ny namana hoe raikitra sa tsia.
Dia miandry izay fotoana omen\'ise aho izany, fa aza atao Alahady kosa aloha an!
Misaotra eh!
5. mimich ( 01/10/2004 07:04)
za mety afaka mandeha @ io rah eto tàna
6. fyjl ( 04/10/2004 05:53)
Izaho manana soso-kevitra hoe:
Nahoana raha any Antsirabe no atao io fihaonana io. Izany hoe : miainga ny Asabotsy 30 Octobre ka miverina ny Alatsinainy 1è Novembre hariva. Reko mantsy fa azo atao tsara ny manofa trano ao @ CISCO raha olona maromaro ka mila mitondra kidoro sy vilany fotsiny mba tsy hahabetsaka ny fandaniana.
Mbola haka renseignement momba an\'io aho nefa ho an\'ireo namana mipetraka any dia iangaviana mba haka ny handinindininy momba izay. Raha misy moa namana manana trano na mahita hevitra hafa dia tena tsara mihintsy.
Hevitro manokana io ka asa na tianareo na tsia.
7. fijo ( 04/10/2004 19:54)
tsara io raha toa ma hafaka ny maro.
8. ravatorano ( 05/10/2004 06:43)
misaotra an i naritsimba aloha nanao ilay sosokevitra fa tena mila fihaonana mihitsy iska na dia hoe ny mba antitsika hankalaza ny faha dimy taoana ny namana serasera ihany aza aty amin ny tanana.
Raha ny tena marina dia mbola misy ihany birao ao ka ry zareo no tena manapaka ny fivoriana hatao hanomanana izay hetsika rehetra ka ny tsara angamba d miresaka amin i voahirana sy mcz
fyjl>raha ny any Antsirabe d milay ilay sosokevitra fa mbola aleo hatao hiadian kevitra miaraka amin ny be sy ny maro izany.
Tsara daholo ilay hevitra fa ny fotoana anefa ity mandroso ihany ka tsara marina raha asiana fivoriana fanomama eh.
9. naritsimba ( 05/10/2004 08:12)
Salama daholo ô!
Ny nahatonga ny eritreritra aloha dia ny hoe:
Io no mba andro Alatsinainy tsy iasana ka ahafahan\'ny be sy ny maro.
Raha ny momba ilay Antsirabe aloha dia raha izaho manokana dia raha vao Sabotsy sy Alahady dia tsy afaka mihitsy satria matetika aho mandeha mikabary na mihira izahay amin\'ireo andro ireo ka izay no tena tsy ahafahana.izany akory tsy manakana ny Fandaharam-potoanan\'izay afaka an! izany hoe tsy maintsy ny 1/11/2004 mihitsy izany raha izaho manokana vao afaka hamonjy ny any Antsirabe. Koa dia mindry ny fotoana hanaovana ny fivoriana izany mba mora hiomanana eh!
Dia misaotra antsika
10. glou ( 05/10/2004 13:21)

miarahaba antsika rehetra aloha ny tenako, voaray daolo ireo soso-kevitra ireo fa hisy fivoriana atao eny @ capitou ny asabotsy 16 octobre @ 3ora sy sasany ho any izay afaka hivoriana io sortie io indray ary hanamboarana ny statut tsika, ny fotoana de eo @ fyjl aloha hoan\' izay tsy mahita ny trano, koa miandry antsika izay afaka fa ny hevitry ny maro mahataka- davitra!na hoan\' izay tsy mahita dia eo @ arret ny 133 mankany itaosy eo @ ilay sampanana 67ha !
11. watsa ( 05/10/2004 21:23)
:evil: :evil: :evil: :evil:
12. naritsimba ( 06/10/2004 06:01)
Miarahaba antsika rehetra
misaotra fa dia voaray ny valiny avy aminareo, ny tsy azoko fotsiny dia aiza hoaiza io sampanana eo @ 67 io?
Maromaro ihany mantsy ny sampanana eo ka tokony ho faritana tsara hoe sampanana aiza marina.
Ahoana no hifankahafantarana?
Misaotra mialoha
13. xxx ( 06/10/2004 15:00)
miarahaba ny rehetra tsra ilay soson-kevitra fa
hodinihana efa nijerenay ihnay fa i fyjil ve tamana any Antsirabe vééé mbola tsy hampy ihnay ve ny tany ee hihihihihih :-D :-D :-D sa aona razoky ravato hohita eo zany zao hatao
dia misaotra fa hafka mandefa soson-kevitra koa ny hafa raha mahita
misaotra ny rehetra zany
14. booboo ( 06/10/2004 15:33)
watsa> :?:
15. fijo ( 06/10/2004 19:58)
maninona an\'i booboo i watsa?????sa ...hum
16. fyjl ( 07/10/2004 06:38)
Mahafinaritra Antsirabe ka! hihihihihihih
Ny arrêt taxi-be 133 eto @ 67ha sud dia iray ihany raha ho any Itaosy. Maro ny taxi-be 133 mijanona eo nefa azo atao ihany ny manontany olona. Milahatra @ Restaurant Venus iny izy ka na io restaurant io ary no anontanianao dia tsy misy tsy mahalala azy eny @ 67ha sud.
Tongava maro fa zava-dehibe ny hahalalana ny hevitry ny maro eeeeeeeeeeeeee!
Izahay mantsy sahy foana na any Fort-Dauphin aza no haleha.
Bye daholo eeeeeeeeeeeee!
17. booboo ( 07/10/2004 11:26)
fijo>aaa tsy maninn kah ! sy azoko fotsiny ny ifandraisan\'ilay :evil: @ ilay raha eto
18. fijo ( 07/10/2004 19:51)
mba te hampiseo tavatsaka izy ko. :-D :-D :-D
hay ve ra fijl eo amin\'ny 67 e,ialahy ve mahalala andry fidy sy daddy teo akaikin\'ny terrain baskety?
19. watsa ( 07/10/2004 20:38)
booboo> :twisted: :evil: :twisted: :evil:
20. fijo ( 07/10/2004 20:53)
io ary nen\'i boooboo,eo ndry fa lasa aho ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.145