tataom-bato ka ny avo ihany no tovonana

1. pitchou ( 28/09/2004 10:40)
Nareo v tsy nahamarika hoe raha olona ambony na manamanana no maty d midodododo daholo ny olona rehetra ary otran\'ny atao izay ampisongadina @ le solon-javatra atolotra mba ho tadidin\'ny vangiana. Fa raha olona mahantrantra na tsy dia malaza no maty na mpifanila vodirindrina aza zara raha tonga ary tena anarany sy ilay atao hoe \"ny fo manolotra no mameno azy\" no omen\'ny ankamaroan\'ny olona. Tsy tokony mba hifamadika ve hoy nareo satria ilay tsy manana no tena sahirana sy mila fanampiana fa ny efa manana ... ny azy aza tsy laniny?
novalian'i fijo ny 11/10/2004 21:08
2. chipie1 ( 28/09/2004 11:33)
ka raha vao kely no omena anilay manamanana de mataotra sao de ho ataony kely kou ngamba refa sendra hiarampahoriana.
Zay raha ny azy alou.
3. naritsimba ( 28/09/2004 11:38)
Salama eh!
Tsy eo @ fahoriana ihany no ahitana izany fa amin\'ny fiainana rehetra mihitsy ary io toe-javatra io ry pitchou dia efa tafiditra ao anatin\'ny toe-tsaina Malagasy mihitsy nefa na izany aza dia aza manaiky ho tratran\'izany ianao.
Izaho mahita fa na dia havana akaiky izao aza ny an\'ny olona sasany raha vao mafy ady dia tsy mahataitra ireo fianakaviana sasantsasany izay manana izay toe-tsaina izay.
Izao no tena mahagaga ireo izay milaza azy fa tena mpivavaka matetika no manao izany. Jereo ange rehefa manatrika fotoam-pivavahana @ ireny fanaovam-beloma farany ny faty any am-piangonana ireny ianao dia ho hitanao fa na ny mpitondra fivavahana aza dia samy manana ny fanaovany azy. Raha manamanana ilay olona dia lava be ny fotoana fa raha tsy dia manana loatra ilay olona maty dia ohatran\'ny hoe zara fa vita ny fotoam-pivavahana.
Koa dia anjarantsika tsirairay no mieritreritra fa raha izaho manokana aloha dia tsy azon\'izany. Koa dia aoka samy hieritreritra sy handini-tena izay mahatsiaro fa voadona amin\'ity resaka miseho eto ity eh!
Saro-babay ka izay voa aza tezitra. Dia mba ovay daholo ny toe-tsaina tadidio ny tantaran\'ilay mahantra sy ilay mpanankarena ao @ Baiboly. Mora kokoa @ rameva ny miditra @ vody fanjaitra noho ny fidiran\'ny mpanankarena @ fanjakan\'Andriamanitra.
Misaotra eh! :?:
4. rahery ( 28/09/2004 13:16)
Nahaliana ahy ity resakao ity ! Isaorana anao satria tsy hita matetika ny zava-mitranga ao an-trano fa variana mijery ny any ivelany.
Araka ny hevitro, tsara raha ilay famangiana no asiana resaka fa tsy ny haingon\'ilay famangiana. Famantarana hita maso ny lamba arakotra faty sy ny fao-dranomaso. Mety hahavonjy tokoa. mety hidika hoe fanomezan-kasina, mety ho fitia mifamaly.
Ny fahasahiranana manko tsy amim-paty vao tsaboina fa tena mialoha lavitra.
Maro tokoa ny havana satria manam-patsa ary sarotra fafaina ny hoe \"rehefa maty vao ramalala\".

Ravola sy Raharena no mitady hibahana eto ka tandremo !
Tohizako ny fanontanianao: sty manan-danja ve ny famangiana tsisy valopy ? hampilamin-javatra ve ny fanafoanana azy ?
Sa ny dikany no tena ilàna fampahatsiahivana ?

Misaotra anao !

:?:
5. pitchou ( 29/09/2004 17:25)
Ka ilay famangiana alou amiko dia mariky ny fiarah-miory eto e! satria fiteny matetika re ny hoe \"varavarana nivoahana ny anareo fa ny fahoriana hiaraha-mizaka\". Ary raha aty am-povoan-tany dia \"solon-dranombary tsyè masaka\", \"rambon-damba\", kofehy\" izany no anjara adidy atao. Ary ireo rehetra ireo anfea dia fanampiana ny mana-manjo avokoa. Satria raha tsy diso aho dia omena anjara toerana manokana koa ny olona lasan-ko razana eo @malagasy fa tsy hoe maty izy d any! Ka izay no nahatonga ahy ho lasa saina.
Efa nahita kou zà hoe olona 2 samy marary eny @hopitaly ny iray manana ny iray ory fa na le pasitera aza tsy nanam-potoana namangiana le ory nefa nahafoy ora maro hampaherezana le manana!
zany hoe tsy voatery resa-bola akory fa azo heverina fa ny fifanotronana mihitsy na ny fanomezan-danja tsotra izao! (miala tsiny fa zà botabota)
6. fijo ( 29/09/2004 19:41)
efa voalazan\'i naritsimba nytiako lazaina ,fa na dia amin\'ny fety aza dia hita io resaka io.ny manambola ihany no mbola avela miditra sy omena toerana tsara ary maimai mpoana.
7. tsilan ( 04/10/2004 21:55)
ida aleo atao hoe tatao rano ka ny iva ihany no ivarinany ary amin\'ny manaraka eh
8. pitchou ( 05/10/2004 10:22)
nisy ihany alou tsy d nanana loatra saingy be pahafantatra ihany nifanotofan\'ny mpanana! saingy ny fahitako azy zesta tekinika fotsiny e! ohatra t@ Rakoto Frah! fa ankoatry ny toerana tsy hitako loatra hoe satria naninn?
9. fijo ( 05/10/2004 21:22)
iny indray resaka \"image\" tiana hatsaraina no handehanany any ka.
10. pitchou ( 10/10/2004 10:31)
hono wa! ny gasy any ivelany any kou v manao an\'izany?
11. fijo ( 11/10/2004 21:08)
mazava hoazy fa dia toa izany koa ny aty ka.indrisy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1729