Ho tonga hatraiza ny ekipatsika

1. ralay ( 24/09/2004 16:42)
Fantasika fa @zao fotoana izao no atao ao Grenoble France ny fifaninanana faratampony @ kanetibe. Manana solotena isika malagasy @ zany ka araky ny hevitrao ho tonga hatraiza ny ekipatsika amin'ity indray mitoraka ity?... Misokatra ny dinika.
novalian'i fijo ny 29/09/2004 21:14
2. xxx ( 26/09/2004 11:19)
PODIUM DU TIR
izao ny résultat :
Malagasy médaille d\'argent tamin\'ny Tir de précision

Pays Tireur
1 TUNISIE SAMI MEDAILLE D\'OR
2 MADAGASCAR RANDRIANANDRASA MEDAILLE D\'ARGENT
3 BENIN AGOSSA MEDAILLE DE BRONZE
4 THAILANDE PHUSA AD MEDAILLE DE BRONZE

championnat du monde :

Madagascar perd en 1/4 de finale !!! 2-13 contre la France

40ème CHAMPIONNAT DU MONDE DE PETANQUE
1/4 Finale

1 CAMBODGE contre 2 TUNISIE 13 - 0

3 BELGIQUE6 contre 4 ESPAGNE6 13 - 0

5 SUISSE contre 6 FRANCE62 4 - 13

7 FRANCE1 contre 8 MADAGASCAR 13 - 2

Félicitations aux malgaches quand même, pour en arriver là c\'est déjà un grand effort et beaucoup de talent !!
3. besorongola ( 26/09/2004 15:08)
félicitation tokoa ho an\'ireo ekipa gasy nandray anjara, tokony ho lasa lavitra mihitsy isika malagasy @ io taranja io, betsaka ny tena mahay saingy indrisy ...
4. xxx ( 27/09/2004 07:24)
Rehefa mijery resultats tokoa dia mahay mionona isika satria t@ ireo ekipa aman-jatony niatrika izany championnat du monde izany dia tsy mena-mitaha ny mpilalaontsika.
Saingy izao nanefa: isika Malagasy efa ikoizana @ io lafiny io ka voatery mihezaka hanatsara kokoa ny vitantsika hatrany. Marihina fa efa mihazatra mijery antsika ao @ carré d\'honneur hatrany izao tontolo izao @ io taranja io. Arak\'izany dia misaotra azy ireo koa ny tenako saingy mamelà ahy koa hanao fitsikeràna ny hitan\'ny masoko tany an-toerana .
Samoina
5. xxx ( 27/09/2004 07:31)
DISO FANANTENANA
Momba ny ekipa -- Raha izay fandokafana natao momba ireto mpilalaontsika ireto handrombaka indray ny amboara faran-tampony ( jereo ny site petanquegasy.online.fr ), dia noheveriko fa lalao hampitolagaga ny mpijery marobe no hasehon\'izy ireo. Indrisy anefa fa ny ara-teknika na ny resaka taktika dia be lesoka be . Nahalatsabava an\'i Samoinakely izay vao zazavao @ io resaka kanetibe io hoe \" Même moi, je ne peux pas faire plus pire, Papa ...!!\"
Samoina
6. xxx ( 27/09/2004 07:35)
MAHA-TEZITEZITRA
...mahita ny mpanazatra ireto ekipa mihonona mijery toa anay spekta fa tsy mba tsikaritro nanome torolalana ireto mpilalao. Nisy fotoana aza nandritry ny échauffement-n\'ireto mpikatroka dia mba naka boules ary nitifitifitra niaraka teo koa Ranamana !!!!!
Samoina
7. xxx ( 27/09/2004 07:47)
MBOLA MAHA-TEZITEZITRA IHANY
Mbola hiatrika 1/2 finale concours de tir individuel ny mpilalao gasy iray ( Ra-Jean ) ny sabotsy @ 9 ora sy sasany alina. Io sabotsy io ihany anefa dia mbola 1/4 de finale @ ekipany koa izy @ 6 ora sy sasany hariva koa.
Rehefa tsapa fa eo an-dalam-paharesena ny ekipa gasy , maninona no tsy noesorina izy mba hiala sasatra @ izay ? Fantatry ny mpanazatra tsara fa sabotsy @ 1ora maraina mbola nikatroka 1/4 de finale n\'ilay concours de tir izy !! @ 9 ora anefa tsy maintsy eo @ kianja indray hilalao en équipe !!
Manana remplaçant isika, Michel, izay azo ianteherana tsara satria vao tsy ela nahazo ny amboara t@ concours international de Fenouillet. Maninona no tsy nasolo an\'i Rajean izy ohatra ?
Samoina
8. xxx ( 27/09/2004 08:02)
MALAHELO SY MANGAINA
Tonga finaliste ihany RaJean t@ concours de tir individuel.Efa toy izany koa izy roa taona lasa izay . Hiatrika ny ady farany izy izany io andro sabotsy io ihany t@ 11 ora alina tany ho any
Reraka anefa ny lehilahy ary tsy azo anomezana tsiny velively azy izany satria tsy machine akory izy fa olombelona ihany .
Lavo ny andrarezina ary lavo sy nangaina niaraka taminy koa ireo mpijery malagasy tsy afa-niredona indray ny \" Ry Tanindrazanay malala ô ! \" Hiram-pirenen\'ny mpandresy ihany tokoa mantsy no azo enoina . Dia ny an\'ilay Toniziana nandresy azy izany !!!
Misaotra ireo mpijery malagasy marobe , lahy , vavy, ankizy, zaza tonga nanotrona . Tsy omena tsiny koa ny hafa tsy afa-nanatrika noho ny antony samihafa .
Samoina
9. besorongola ( 27/09/2004 09:36)
Marina tokoa ny fitsikeran\'ialahy ry SAMOINA, iarahana ahalala fa maro ny mpilalao gasy no manan-talenta nefa dia atao ankilabao sy ahilika fa ireo mpanambola sy mpisolelaka no misolo tena ny firenena.Amiko dia ny fitondrana ao @ federasiona gasy sy ny toe-tsaina no ilaina amboarina aloha vao mitetikany hitady amboara.Ny championnat du monde dia tsy natao ho an\'ireo izay mitady vola sy hosoka.Ny fahaizana sy ny fahamarinana ary ny vononahitrin\'ny tanindrazana no ambony @ io taranja io.Efa ho dimy taona izay, tsy mbola nisy ekipa na iray aza mendrika izany.Mino aho fa tokony ho atao isan\'ny raharahampirenena izy ity ka arahana maso akaiky ireo mpitondra sy mpandidy @ taranja izay manaonao foana sy liambola.
Farany, ireo mpitsikera sy be vava koa tokony mba hilatsaka antsehatra sy miara mifarimbona @ ireo izay mpanohana fa tsy manao ohatra ny tsy miala vola sy basy vava fotsiny. Izany ry SAMOINA.
Mba asehoy izay vitan\'ialahy fa aza midongy toerana ato @ ity sehetra ity fotsiny e.

Mino aho fa tonga ny hafatra.
10. xxx ( 27/09/2004 12:11)
besorongola > Tsy fantatro ny resaka extra sportif mikasika ny mpilalao kanetiben-tsika. Araka izany dia tsy afa-miditra @ ilay resaka \" mpanambola sy mpisolelaka, ...mpitady vola sy hosoka \" voalazan\'i besorongola ny tenako.
Mpilalao tsotra na ilay antsoina hoe licencié de base ny tenako ka ny fitsikeràna dia heveriko fa ampy sy hany fitaovana am-pelatanako azoko hanampiana io taranja io ! I Besorongola izao tokony mba milaza eto hoe iza ireo \"mpanohana \" mila farimbon\'asa sao mba mahaliana ny hafa tena teknisiana @ ity lalao ity ! Ny hany mba vitako tany an-tanàna dia nanome ireo kanetibe nentiko ana tanora vao 13 taona 4\'mi nampiaiky ahy ny fahaizany. Ny hanofana azy mba ho solontenam-pirenena indray andro any indray dia tsy hananako compétence ny fanaovana izany
Farany, ny zava-bita izany ry Besorongola tsy hilaina aseho an-karihary fa samy miezaka avokoa anie ny rehetra e ! Zon\'ny tsirairay ny manao izay tiany na zana-baratra higagàn\'ny vahoaka izy na oul mangingina !
Minoa fotsiny ihany aza e !
Samoina
11. fijo ( 27/09/2004 20:53)
tsy hanao polemika aho,fa inona ary ity tsy mahatanty tsikera ity.raha ny fahitako azy dia tsy tsikera be fahatany koa ilay izy fa tsikera hampivoatra,ka tsyhitako izay olana momba izany.hafa ny hoe gasy ireo ka tsy mahagaga raha tsy mahavoa.izay dia tsikera be fahatany ary tsy hilaina akory.fa raha resaka taktika toa io resaka olona iray manenjika lalao maro indray andro io.amiko dia eo no ilana ny fahaizan\'ny mpanazatra.ka raha izay tokoa ny zavatra nitranga tany dia marina ary ilaina ilay tsikera.ka tokony hajaina fa tsy valiana bontolo be fahatany.
raha mba hanontaniako izao i besorongola hoe mba inona no efa vitanao momba ny kanety be tany mada dia hilaza inona?
12. besorongola ( 28/09/2004 08:23)
Raha ny tena marina dia izao ry zalahy,

Na dia te hanao zavatra aza ny tena dia aleo manaja tena sy mitazana aloha fa mahantra loatra ny toe tsaina n\'ireo mpilalao sy mpitondra @ ity taranja ity. Ny Faniriako dia ny fihovan\'izany, raha tanteraka izany dia vonona hanolotra izay ilaina rehetra ahatonga antsika any @ avo indrindra ary tsy misy tambiny. Ataoko fa mazava io. Efa antaonany maro no nanarahako ny taranja, tsy misy zava-miafina @ko intsony. Tena atsipy @ mananpanahy ny ahy ka anjaranareo no miheritreritra e!
Maninona ianareo mpilalao sy mpakafy no tsy mampandre ny mananpahefana mba hiarovana ny voninahitry ny Gasy?

Tsotra hiany ny ahy:\" Fahamarinana, Matotra...\"
13. besorongola ( 28/09/2004 09:12)
article l\'EXPRESS MADA du jour
Misaotra an\'i Samoina, fijo sns...

Pétanque - Championnat du monde
La liste des membres de l’équipe nationale malgache, qui a disputé le championnat du monde de pétanque, n’a pas été bien définie depuis le début. D’après Joda Randriamanantenasoa de Marseille, Michel n’a pas du tout joué mais était remplaçant. Tandis que Manga s’est contenté de se tourner les pouces dans les gradins.
On se demande alors qui a vraiment composé l’équipe malgache, mis à part Jean Randrianandrasana et Honorus Razanatsimba qui ont disputé cette compétition. Or, dans le site du programme le nom de ces trois joueurs était mentionné, sauf Manga. Le site stipulait que le nom du 4e joueur sera complété avant l’ouverture du championnat.
L’épisode sur cette fameuse participation malgache ne fait que commencer. D’après Vivarès Benoît, président du club de Lattes de pétanque à Montpellier, cette équipe devait suivre un stage chez lui, dans le cadre de la préparation au championnat du monde, après accord passé entre la fédération malgache et ce club. Il a attendu en vain les quatre joueurs. Pourtant, ils ont quitté le pays le 23 août.
\"J’ai entendu qu’ils sont partis en Allemagne et disputent des tournois. J’ai constaté qu’aucun des accords n’ai été respecté par la délégation…J’ai compris que la plupart des joueurs ne représenteront pas Madagascar, il y aurait d’autres joueurs bloqués à Tana pour problème de visa… Pour la 5e fois, Madagascar n’est pas représentée par son équipe championne au sommet mondial…Il est temps d’arrêter le massacre \", déplore Vivarès Benoît.

Recueillis par Vero A.
14. fijo ( 29/09/2004 21:14)
hitan\'i besorongola ary izany fa tsy fanakianana tsy misy dikany ilay izy.ilaina ny filazana ny zavatra tsy mety toa io mba hivoaran\'ny fitantanana fa raha tsy izany dia izay eo ihany no hitoy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1686