Ny tsy fanomezana sary ve midika fa mandà ny ho namana ?

1. bichette ( 09/09/2004 13:41)
... Indrindra raha vao herinandro monja no nifanoratra ato serasera ?
Misy mantsy olona tonga dia manontany ny sary ka raha mandà ny tena dia hoe : "tsy te ho namana" sns. Diso ve ny tena ? sa ianareo tonga dia manome ny sarinareo amin'ny olona rehetra mangataka ???
Misaotra indrindra.
novalian'i fijo ny 29/09/2004 21:26
2. tsiperifery ( 09/09/2004 14:23)
Olona maika sy manao chantage toy izany ry bichette amiko tsy mendrika ny sarinao a !
Misy vitsivitsy ato mbola tsy hitako hatr@ izay ny bika aman'endriny anefa raisiko toy ny namana satria mahafapo ahy ny firesahana aminy !
Hafa indray angamba raha hoe efa elaela nifankahalalana na namana tiana hiarahana midoladola. Mba hilaina fifankahitana an-tsary izany alohan'ny hifanatrehan-tava :)
3. tiana1 ( 09/09/2004 14:25)
Efa tratran'izany koa aho ! Hoatr'izay teneninao izay. Toa efa nisy mihintsy ny tsy nandefa hafatra ahy intsony noho io antony io ! ... @ko nefa tsy diso raha tsy manome sary dieny vao mifakalala ... Arakaraky ny tsi11 io angamba ! ...
4. tiana1 ( 24/09/2004 19:26)
Ataoko fa samy manana ny fahafahany ny olona tsirairay. Izany no hevitrao ry ramaso, hajako. Tsy hampiasa teny mitatra be toa anao aho : \"malhonnetete\", \"scandale\" ! Mahagaga !
5. tiana1 ( 25/09/2004 22:27)
Anao ny anao ry ramaso ! @ko tsy ny fanomezana sary dieny vao nifampiresaka momba ny toetrandro no fahendrena. Tsy hitako izay scandale, na famitahana @ izany. Ny olona rehetra dia afaka mamitaka daholo...na manome sary aza... Tsy fantatro na azonao ny tiako lazaina... Mora be ny mamitaka raha te hamitaka... Fa tsy hanohy resaka momban\'ity intsony aho. Tsy afaka mifampiresaka isika.
6. kally ( 26/09/2004 17:19)
Hm! njay ary ny anareo!
Moramora ry reto fa aza dia mifampisendaondaotra @ izay sary a!
F\'iza izao mila sary izao e?Izaho manana sary be dia be amidiko izao rehefa tapaka aho! :lol:
7. pitchou ( 26/09/2004 17:32)
otran\'ny arakaraka ny olona io! misy ny olona jereny alou raha mahafinaritra azy ny miresaka aminy zay izy vao mieritreritra hoe sahala @ahoana izao olonamiresaka amiko zao! misy ny olona jereny alou raha bogosy na sipa manja zay vao miresaka izy!
fa raha hitafa sy hidinika no tiana hatao ato d tsy hitako lôtra hoe miankina @sary ve zany sa miankina @ soratra? :?:
8. bichette ( 27/09/2004 06:10)
Fa tena ilaina ve ny fifanomezana sary ato e ? toa mangatangataka daholo ny ol ato ?????
:? miala tsiny aminao izay nangataka sary aho.... :P
9. kally ( 27/09/2004 06:27)
nahoana izany no tsy ilaina Bichette a? Na dia fitiavana te-hahalala fotsiny hoe ohatran\'iza ary ilay hoe Bichette?Na dia samy eto @ forum aza ange mba te hahafantatra hoa ohatr\'ohatran\'iza ary izany Ramaso sy Pitchou ary Bichette izany!
10. hery ( 27/09/2004 06:57)
Izaho hatramin\'ny nametrahan\'i Kally sary tato dia niezaka namantatra azy tsikelikely ;) ... fa efa manomboka mivoatra izy. Tamin\'ny voalohany lamosina fotsiny, dia avy eo lavidavitra manontolo dia avy eo nitodika... fa tsy mety mbola hitako mihitsy ny tarehiny :)
Fetsy enao an...
11. kally ( 27/09/2004 08:42)
Hery>zaran-droky aza aho mametraka fa efa ela be aho miezaka mampiditra sary fa tsy mety tafiditra mihitsy ilay izy ,maninona angaha?Ilay sary tsy mavesatra an! fa tsy tafiditra lazainy fa nisy error.
12. fijo ( 27/09/2004 21:52)
ilaina ilay sary ka.izao ohatra.
aminareo tsy manome sary ve dia rariny raha hitanareo izahay miresaka aminareo nefa ianareo tsy hainay akory hoe hoatry ny ahoana?io anie tsy hoe ratsy iry dia tsy hiresahako intsony e.fa mba hifankalalana ilay izy.ary azo atao koa anie ny manome sary hoan\'izay namana tiana homena fotsiny fa tsy hoan\'ny rehetra e.
momba an\'i kally indray dia tsy hiteny aho, fa ny fantatro dia sipa tsotra be izy.ary mahay mandanjalanja ny zavatra lazainy.ary indrindra mahay manala azy koa.
13. chipie1 ( 28/09/2004 07:07)
za alou tsy manome sary zany e! mampiseho de ataoko :-D raha tsy hoe namana tena namana be nga ...
14. tsiperifery ( 28/09/2004 07:32)
chipie1 > Tsy afaka \"mampiseho\" ianao raha tsy efa manoloana ilay olona hampisehoana !!! hihi . Refa izay indray mety tsy hangataka sary intsony izy satria izany efa nahita anao :roll:
Na koa ve maniraka ilay tena namanao be ianao hoe : \" Ity sariko ity mba ento asehoy an\'i Tsiperifery saingy tanjemo sô omena azy an ! \" :lol:
15. pitchou ( 28/09/2004 10:10)
tena tsy tianareo v ny maminaninany we sahala @ahoana ary zao olona mahafinaritra na zao olona mahatsiravina b ato zao? mba misy suspense kely e! :wink:
16. chipie1 ( 28/09/2004 11:44)
tsiperifery> tsy voatery oe manoloana anao vao afaka mampiseho ka , ohatra oe miresaka aminy web :-P
17. kally ( 28/09/2004 14:16)
Fijo> toraka voninkazo izao an!saiky kofona mihitsy aho :lol:
18. fijo ( 29/09/2004 21:26)
kally.tsy toraka io fa tolotra voninkazo ka.ih,ih,ih,an an vazivazy fa zavatra tsapako tamin\'i kally ireo.
ilay maminavina indray ry pitchou efa reraky ny fiainana izahya ka tsy te handreraka saina intsony fa dia aleo miaandry izay miseo e.
chipie>rehefa miresaka tsara amindry aie ilay namana dia tsy maninona ny mandefa sary hoazy irery e.io azo esorina avy eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2066