serasera.org sakanan'ny mpampiasa sasany?

1. hery ( 08/09/2004 08:09)
Manahoana daholo,

Naharay hafatra tamin'ny namana sasany (orinasa iray) aho nilaza fa tsy afaka mijery serasera intsony ry zareo fa bloquer-n'ny ao ampiasana. Tsy dia azoko loatra hoe inona no antony. Raha lafiny teknika dia tsy manana olana manokana na resaka sécurité ny serasera. Raha lafiny moraly indray dia anjaran'ny mpiasa no mijery izay tiany hojerena. Ary raha hoe mandany andro be loatra eto amin'ny serasera ny mpiasa dia tsy olan'ny serasera.org izany fa ny mpiasa no tokony anarina.
Angamba tsy mety raha ny mpiasa iray manontolo no voasakana. Ary raha izany dia tsy tokony ho ny serasera.org ihany no sakanana.
Somary mampalahelo ihany izany toe-javatra izany.
Misaotra betsaka.

hery
novalian'i fijo ny 04/10/2004 21:42
2. hoanao ( 08/09/2004 08:17)
Mety ny fihainoana radio angamba no mahatonga izany :?:
Angaha moa dia mampiasa débit betsaka ity radio ity anefa ?
3. hery ( 08/09/2004 08:25)
Any Dago no mitranga ny olana kah. Ny olona any Dago tsy dia mampiasa an'io radio io. Sady misy Radio Gasy maro any :) raha tsy dia hoe tena fitiavana manokana.
4. hoanao ( 08/09/2004 08:57)
hay ve ?
mahalasa eritreritra kosa izany
5. diavolana ( 08/09/2004 16:33)
Sao dia fananarana an'ilay mpiasa kosa no antony? manana zo hanao an'zany anie ny mpampiasa e! satria mety mitombina hoe tsy manana conscience professionnel le mpiasa (matetika mitranga io seho io, mpiasa tara lava, manapaka lava, mpijery site serasera & caramail lava etc...)
Ny aty madagasikara mantsy le fahamatorana @ lafin'ny asa tena mbola tantara be.
Ka raha sankanany moa maninona? mba any @ cyber izany ilay namana no mijery kouh? na @ ora tsy fiasana (12-14 ohatra), fa raha azoko tsara anie tsy any @ serasera no olana e! donc tsy hitako izay hanaovana polemika @zany
6. hery ( 09/09/2004 12:44)
Ah ok
Noheveriko fa hoe ny serasera ihany no voasakana. Misaotra ary e.
7. koudiva ( 09/09/2004 15:56)
:( malahelo ny tenanay fa tsy afaka mi chat ntsony fa bloquer ,ny mi chat no anisan'ny fanalana andro aty @nay @n alina satria zahay aty any ala fa tsy @ ville no miasa aty @nay tsisy radio afa tsy RNM ihany no afaka henoina .Raha ny antony nolazaina t@nay de tsy azo atao ny mi-télécharger .
zahay nefa afaka manao zay tiana ao @ yahoo messenger fa rhefa hi chat ao nmn srsr de bloquer fôna .mahagaga ny vazaha.
8. fijo ( 30/09/2004 20:13)
io voalazan\'i diavolana io ngamba no tena antony ka.ih,ih,ih, ka serasera io ko.
9. ralay ( 30/09/2004 21:23)
Ataoko fa mazava ny voalazan\'i diavolana io. Mipetraha ianao eo @ toran\'ny mpampiasa iray na any dago any ivelany... Misy ny manararaotra loatra ka ny tchat na ny fijerena site maro samihafa no mibahan-toerana nohon\'ny asa ka marina raha sakanana ny fanaovana izany. Mety olona iray na vitsy no manao izany nefa tsy afa-manohatra ny mpampiasa fa tsy maintsy manakana ny rehetra tsy misy derogatioon ka io no tonga @ fitenenana hoe ny kary no manao ny ataony ka ny saka no voatapa-drambo. Mba jereo ihany ny tombotsoan\'ny be sy ny maro fa tsy ny anao irery ihany...!
10. fijo ( 04/10/2004 21:42)
izay mihintsy ilay izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3528