serasera sy baiboly

1. fatsoraly ( 07/09/2004 22:53)
eritreritra sendra mandalo
maha-te hanao tononkalo
isaky ny mamelona ordinatera
dia misokatra ny serasera

raha folo minitra isan'andro
hanalana azy sy hialam-boly
dia aza hadinoina toy ny mandro
ny famakiana sy fanarahana ny Baiboly.

raha mandany 10 minitra eto @ serasera marina moa ireo namana rehetra ireo ve dia mba mahafoy 1 minitra monja hamakiana ny Baiboly?
novalian'i fijo ny 18/10/2004 21:23
2. ikaretsaka ( 08/09/2004 03:11)
ka ny ahy ny baiboliko dia izao tontolo izao ko...
See God in all things hoy ilay olona niteny momba ny fikatsahana ny AMDG izay sy fotokevitra arahin'ireo mpikambana ao @ fikambanana naorin'ilay rangahy io
3. fatsoraly ( 08/09/2004 03:14)
nisy Nahary azy anefa izao tontolo izao...

"manam-pitsaharana avokoa izao tontolo izao...fa ny Teniko tsy mba ho levona" hoy ilay Nahary azy
8)
4. ikaretsaka ( 08/09/2004 03:25)
ka ny ahy hitako eran'izao tontolo izao sy ny @ alalan'ny zava-boariny ilay Nahary ahy dia hiderako azy iznay .. fa tsy tsiponiko isan'andalana ao anaty baiboly loatra!
5. fatsoraly ( 08/09/2004 03:32)
izaho koa aloha tsy mitsipona isan'andalana fa ny Baiboly iray manontolo no vakiako e.
Noho ny fahakelezan'ny fahalalako sy tsy fahatakarako ny fisian'izao tontolo izao sy ny tenako no ijereko ny dikany sy ny fanazavana azy ao @ Baiboly
6. bichette ( 08/09/2004 06:10)
Fatsoraly>
ankafiziko ilay tononkalonao
ary marina tokoa ny voalazanao ...

Raha mifoha maraina isika isan'andro dia mamoky ny nofo (sakafo) ny saina (serasera hi hi hi) ary ny fanahintsika kosa ? hoy ny ao anaty baiboly hoe : tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Atra.
Aoka aloha izay fa sao lazain'ny sasany fa be moraly eo :wink:
7. yonikafopl ( 08/09/2004 18:30)
fatsoraly misaotra betsaka anao nampahatsiahy ahy ny tokony hataoko, tena indraindray aho manadino an'ilay Mpahary noho ny ady @ fiainana aty an-tanin'olona aty. Eto anefda aho maharitra 5h indraindray dia rehefa reraka dia tonga dia ao. Soa nisy anao fatsoraly nanokatra indray ny masom-panahiko. Misaotra. :-*
8. kabatritra ( 08/09/2004 20:04)
Ny ahy ny Baiboly tsy mba vakiako h@ voalohany ka h@ farany. Loharanom-pahalalàna sy fahendrena io ka ataoko toy ny raikibolana (diksionera). Izany hoe, azo atao référence Izy rehefa misy zava-tsarotra tadiavina.
Hono ho'aho, ndrao dia misy mahafantatra tranonkala ahitàna Baiboly voasoratra amin'ny word na format texte hafa ? Raha efa nisy nanao mantsy izany dia ho azo atao "rechercher" fotsiny izay mot clé tadiavina.
9. kitjo ( 09/09/2004 09:30)
Za aloha d' akoro @ ilay hevitra e....
Io koa ilay hoe rehefa mivavaka ianao dia miteny amin' A/tra.
Maro ny zavatra iresahan' A/tra amintsika @ zavatra rht miseho kanefa (ho ahy), @ fahakelezan' ny fahalalako dia tsy ampy ny mijery fts izao tontolo izao ary betsaka koa ny zava-misheo @ fiainana (izay ianaraan) no tsy mifanaraka @ sitrapon' A/tra.
:arrow: Mila mamaky an' iny direct izay inoaKO fa tsy diso.....

Asa ianareo izay mamaky fa iskay ny mamaky baiboly dia toy ny misy hafatra azo miova foana na dia andininy mitovy aza. Tsy hevitra contradictoire anefa an.

Ny ahy aloha alefako misesy e. ARy tsy miezaka ny mahalala ny dikany raha tsy azo faanontaniana izay nianatra manokana an' izany. Nddray adino na kamo tsotra izao, maka coin anaty bus d any mamaky refa tena tsy vita.

kabatritra>
http://membres.lycos.fr/manitra/Cours/snmp.html io misy bible online

Ity indray Radio Fahazavana afaka hihainoana toriteny na fandaharana ara-pivavahana na tsotra. Misy vaovao koaao fa tsy reska fivavahana fts.
http://www.radiofahazavana.net/
10. chipie1 ( 09/09/2004 10:36)
misaotra akia ry kitjo , tena ilaina mihintsy ny mahafantatra anireo . :-*
Tena marina fa adino matetika ny mamaky baiboly refa andavan'andro, nefa tsy hadino ny mamaky forum eto :-P .Misaotra any mpanao sujet , mampatsiahy antsika .
11. hery ( 09/09/2004 13:03)
mety hahaliana anareo koa ity baiboly ao amin'i dotmg.net ity

http://baiboly.dotmg.net

12. yonikafopl ( 24/09/2004 17:11)
misaotra an\'i kitjo @ ireo site nomenjy ireo.
dia mbola mamerina ny fisaorana an\'i fatsoraly
13. fijo ( 27/09/2004 21:39)
za ndray aloha ny fotoana laniako eto aza tsy ampy ka tsy manana fotoana holaniana hamakiana izany boky izany aho.sady angano ftsiny ve tsy aleo angano gasy le
14. pitchou ( 28/09/2004 10:04)
fijo> efa we pejy iray isan\'andro wa! :)
15. fijo ( 29/09/2004 21:08)
ny tantaran\'ny gasy aza tsy haiko ko ny an\'olona any ve no handaniako andro?tsss
16. kitjo ( 12/10/2004 13:47)
ka ny gasy koa olona koa! hihihih

Lasa andoavam-bola ry zareo ilay Radio Fahazavana an..... :?

fijo> aza asiana comment,hhahahahha
17. fijo ( 12/10/2004 20:44)
kitjo ih,ih,ih, mandoha vola vao mahazo teny fananarana?????hum
18. kitjo ( 13/10/2004 05:41)
zay ary le lazaiko........efa oe shuuuutttt :!:

fijo an, sao d mba afaka manampy an zareo kosa ary le e-gouvernance.hahhahahha....laingako zany!
Fa tokon omen Ra8 sosy aloha zareo satria izy milaza manampy ny fiangonana e.
19. fijo ( 13/10/2004 21:13)
ka ny azy ilay fiangonana mifidy azy no ampiany ko.
ao ary fa shuuuuutttt e
20. kitjo ( 14/10/2004 08:17)
k an\'i FJKM io ko!
asan zareo aloha e! zay mihaino fts refa mandeha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2317