Fidirana ato amin' ny namana.

1. ramoul ( 23/08/2004 14:28)
Faly miarahaba anareo tompoko.
Betsaka amin' ireo vao miditra ato no tsy mameno ny bange rehetra moma azy.
Betsaka mintsy reo tsy mameno ny banga rehetra, ka rehefa te hijery ny mbombamomba azy ny tenako dia tsy mahita afa tsy ny pseudo- ny.
Sao dia misy tokony atao amin' izany ry zareo fa tena tsy lasa mintsy ty à!
Rehefa mandefa fiarabana any aminy aho de tsy haiko we lhl ve ty olona ty sa vhv?
Koa mangataka zah ra misy zavatra mety azo atao am' io.
Misaotra tompoko.
répondu par fijo le 30/08/2004 22:49
2. ille ( 23/08/2004 15:38)
Marina mihitsy ny voalaza!!
Mba tokony jerena kely ry hery ze tokony ho atao azy ireo ah!
Raha ny fandinihako azy ireo koa mantsy dia toa namana efa manana pseudo hafa no misoratra anarana fanindroany indray!
Asiana fiheverana eh!
3. hery ( 23/08/2004 16:26)
Misy manana sosokevitra?
4. hery ( 23/08/2004 16:38)
Ny hevitra hitako dia tsy havela hahita ny mombamomba ny namana hafa mihitsy ireo izay tsy mampiditra ny mombamomba azy.
5. fijo ( 24/08/2004 04:56)
hevitra tsara izay ry hery,fa tsara koa angamba raha mba hampianarina izy ireo hanaja ny lalana kely efa misy ato.izany hoe na hiditra dia mampahafantatra ny kely momba azy na tsia.fa tsy ho lasa namana sadasada
6. ille ( 24/08/2004 13:14)
Ny hevitro indray dia ny hoe : tsy ekena ny fisoratany anarana raha tsy mahafeno farafaharatsiny ny antsasany amin'ny mombamoba azy (Na ny moba azy iray manontolo mihitsy aza moa maninona!!!)
7. donemaskit ( 24/08/2004 20:54)
tsara daholo ilay hevitra
8. fijo ( 24/08/2004 21:36)
hevitra tsara koa izay.mba zarina hanaraka izay misy amin'izay fa tsy lasa ity samy manao izay tiany ity ka
9. mimich ( 25/08/2004 10:19)
fa tadidido koa anefa fa lainga ny androatokon'izay soratany eo raha terena hofenoiny io , satria matoa izy tsy mety hameno dia misy zavatra tiany hafenina izany, de vao maika miresaka @ mpandainga
10. fijo ( 25/08/2004 20:13)
dia aleo izy hiala izany e.aleo mifanena amiko toa izay mifanena amin'ny mpandainga.ih,ih,ih :P :lol: :-D ;-)
11. ille ( 26/08/2004 06:58)
Ze mandainga mankany amin'ny afobe oh!!! hihihihihihihihi :-D :-D :-D :-D :-D :lol:

Izao no tena fahitako azy ry zareo ah: io an, dia ohatr'ireny hoe manao inscription amin'ny zavatra iray ka rehefa tsy complet ny dossier na misy tsy feno dia rejeté avy hatrany.

Fa mba efa voarain'i hery daholo ve aloha ireo soso-kevitra ireo eh?
12. hery ( 26/08/2004 13:14)
Voaray tsara daholo kah. Eo andalam-pieritreretana aho ioo.
13. mimich ( 26/08/2004 13:33)
fijo > fa ianao nga ........, satria hoe aleo mifanena @ ......., toy izay mifanena @ mpandainga :lol:
14. fijo ( 26/08/2004 21:43)
mimich>za mpivoaka alina,fa eny analakely an.ary raha vao mifanena amiko avy dia maskita.ka tsy aleo ve mifanena amiko e.
ille>tohanako io hevitrao io.fa aleo vitsy mifanaja toa izay be misavoritaka.
15. mimich ( 27/08/2004 09:32)
énao ary efa tsy afaka mankeny analakely tsony zao, vy dé masikita aona alo io e! tsy mazava! :roll:
16. fijo ( 30/08/2004 22:49)
masikita=hena misy tsindrona dia hoanina.
aty koa anie hafaka manao masikita tsara e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5333