Fambolena sy fikarakarana rose

1. methode ( 20/08/2004 22:50)
Izaho dia anisan'ny tia voninkazo ary ny violette d'Afrique aloha no efa namboleko matetika!! Fa aty Afrika aho izao dia mba te hanandrana hamboky raozy nefa tsy dia mahay loatra! Mba ampianaro raha misy mahay e!!!
novalian'i blondin ny 14/03/2005 17:13
2. monakely ( 21/08/2004 23:14)
Any Afrika tsy dia aiko loatra ny fambolena, fa ny aty Frantsa dia mora dia mora, rehefa lohataona na automne dia hatao ao an-jaridaina mila masoandro izy io
3. methode ( 24/08/2004 22:30)
Le fomba fambolena azy na aiza na aiza no tiako ho fantatra fa tsy dia amin'ny hoe maha-aty Afrika azy aloha e!!
4. bichette ( 25/08/2004 06:34)
dia rehefa maniry sy mamelana tsara ny raozy methode dia mba atolory ahy :-D
5. jantina ( 27/08/2004 16:33)
Raha ny efa nandramako an dia mety atao bouture ny rose zany hoe tahony avy @ fototra rose tsy antitra nefa tsy tanora loatra koa no rantsanana dia somary hampandriana ny famboly azy.Azo atao koa no mividy zanaka rose eny @ mpivaro-boninkazo dia hafindra @ vazy lehibe sahaza azy avy eo na ambolena eny an-jaridaina.Tany Dago koa no efa namboly rose greffe za,raozidia no foto-grefy zany fa mora antitra io na tsara aza ny voninkazony avy eo.Ny ahy isaka ny vao lasa ny ririnina no fantsanako izy,kendrena ambonin\'ny masony(bourgeons) @ halavany itiavana azy fa mamony tsara izy avy eo.Dia asiana zezika sy havahavaina e toy ny voninkazo hafa.Raha misy pucerons dia mba andramo asiana an\'ity:rano 20cl asiana liquide fanasana trano na fanasana vilia ireny 1 sotro dia tsifirina @ pulverisateur.
Dia mahavokara be e.
6. methode ( 28/08/2004 22:24)
Misaotra betsaka jantina fa hanandrana hamboly amin'izay aho! Ngamba miandry kely aloha fa toa fotoana famelanan'ny raozy aty izao!
Bichette> Ka raha tsy tonga aty ianao ahoana no fomba hanolorako azy?
7. kally ( 26/09/2004 17:50)
Dia rehefa mamelana ny raozy dia aza adino ny manala izay voniny rehetra malazo amin\'izay izy mitohy mamelana foana, dia rantsanana koa izy rehefa mijanona mamelana mba hitsirian\'ny taho vaovao indray.
Mahavokara be!
8. booboo ( 26/09/2004 18:26)
ary aôna lé fomba fandratsanana azy ? sa mety dôl zé faritra tiana hanapahana azy ?
9. kally ( 27/09/2004 08:50)
Esorina ilay tahony malamalama madinidinika tsy misy tsilotsilo ireny fa ireny mandreraka azy fotsiny tsy mitondra n\'inon\'inona.
10. methode ( 29/09/2004 22:02)
Misaotra anareo aloha e! Mbola ho fantarina hoe rahoviana no fambolena azy aty! Misy raozy dia ato aminay fa tena maniry tsara! Misy mamboly koa amin\'ny toerana hafa fa tena mety tsara ilay izy! Raha mety maniry tsara de alefako ato amin\'ny namana ny sary! Hihihihi
11. blondin ( 21/02/2005 16:17)
raha ny fantatro aloha dia ny tahony no fambolena raozy. Izany hoe atao bouture.
Fa tsaratsra kokoa izy raha toa ka atao grefy @ izay ela izy vao maty.
Ny fanaovana grefy dia izao: porte-greffe ireo karazan-draozy local, izany joe ireo mahatanty ny aretina sns any an-toerana; dia rehefa avy eo atao eo ambonin'ilay porte-greffe ilay greffon. Ny greffon dia ireo raozy tianao lokony dia atao izay tsy hahazahoan'ny rivotra sy rano ny point de greffage. Dia tondrahana matetika ary dia azo antoka fa haniry tsara. Tsy mifidy fotoana hanaovana azy izy @izay fa mety haniry foana mandavan-taona.
Atao be zezika tsara ny torana hanaovana ny gerfy sy ny toerana hamindrana azy @ izy mamelana tsra mahafinbaritra. Aza hadino ny manondraka matetika isan-kariva.
Dia mba andefaso felany izahay rehefa maniry tsara.
Izaho koa mba mitady raozy manga. Sao dia mba misy mahita. hihihihihihi :-D
12. Ramaso ( 22/02/2005 05:23)
ny nanaovako raozy manga lety dia maka raozy fotsy na mavo clair ela dia rehefa veo tapahana arakarak'ilay poziny tian'ela dia tapoana encre bleu kely le @ cartouche na stylo plume ireny le rano ao anaty vase de avelao ao tapakandro.. fa lasa bleu ny rosen la!
kozy io an
13. blondin ( 14/03/2005 17:13)
tena kozy ve izany ramaso sa mba resaka fostiny.
Andraso fa handramako indray aloha dia ho hita eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3191