Interface vaovao serasera

1. hery ( 19/08/2004 08:20)
Hiditra amin'ny faha 5 taonany ny serasera.org atsy ho atsy. Hatramin'izao dia olona iray no niandraikitra ny zavatra maro (script, interface, contenu). Hita tsy dia mahomby loatra anefa izany. Izany no antony niantsoana ireo mpiara-miasa mandrindra eto amin'ny serasera.org na amin'ny forum izany na ny chat na amin'ny tononkira sy ny sisa. Isaorana be dia be daholo ianareo mahafoy ho an'ny serasera.org

Mbola tiana hivelatra bebe kokoa anefa izany. Manao antso ary izahay raha misy olona afaka manome endrika tsaratsara kokoa ity serasera.org ity. ireto avy ny zavatra ilaina
- Logo (logo iray famantarana miaraka amin'ny soratra kely milaza ireo sous-domaines isankarazany. Ohatra hoe Serasera.org dia misy hoe namana, na forum sns)
- Interface manontolo. Ireo efa hita ireo daholo ny rubriques eto amin'ny serasera dia atao mifanandrify amin'ireo. Avela halalaka mba hahafahana mampiditra zavatra vaovao.
- Script : izay liana hanampy amin'izy ity dia afaka manoratra manokana amiko. Structure hafa mihitsy no nampiasaiko kanefa raha vao mazava ilay izy dia mora ny mampiasa azy.

Dia misaotra an'izay rehetra te hanampy e.
Hery
répondu par nalafe008 le 01/04/2005 12:29
2. donemaskit ( 20/08/2004 08:45)
Tena tsara be ilay hevitra, fa za moa mbola tsy mahay manamboatra site ka... :(
3. donemaskit ( 21/08/2004 11:08)
nefa koa nge tsy afaka mi-joindre fichiers e ?! dia aôna ? :roll:
4. hery ( 22/08/2004 15:49)
mi-joindre fichier ahoana?
5. donemaskit ( 22/08/2004 19:16)
ohatra misy namana manamboatra logo sns, dia aôna no hampisehoana azy an'i Hery ? :roll:
6. hery ( 23/08/2004 05:29)
Alefa manokana aty amiko kah

hery@namana.serasera.org
7. donemaskit ( 24/08/2004 21:25)
:D hay alefa email mihitsy ! eny ary e, hojerena eny raha mahita...
8. dotmg ( 31/08/2004 15:47)
soso-kevitra kely, nefa inoana fa tsy tokony hanakivy ireo rehatra izay mazoto hanampy ny serasera.org : Ny lojikan' ny infomatika dia mametraka fa rehefa miantso olona hanampy anao maimaim-poana hanao asa iray ianao dia mba tokony ho malalaka koa ilay asa atao. Izany hoe tokony hapetraka aloha ny lisansy ary mba atao opensource ity zavatra ity na farafaharatsiny freeware. Toa hoatry ny ankinafinafina be mantsy ilay hoe alefa manokana any amin' i Hery ny zavatra tiana omena. Ny ahy ny tena itiavako an' ity board ity dia noho izy vita malagasy, ary iriko ny hampiasa azy any amin' ny site-ko. Kanefa raha tsy opensource tsy afaka hampiasa azy aho. Betsaka ihany mantsy ny ilana fanovana raha hametraka azy any amin' ny site-ko aho. Efa hitako mantsy fa toa misy sehatra hafa ankoatry ny serasera.org nomen' i Hery an' ity board ity ary mampiasa izany.

Mety hisy antony anefa tsy ahafahana manao izay nolazaiko izay dia tsy maninona fa mamporisika anareo hanampy, ary mety handray anjara amin' ilay fanaovana script ihany koa ny tena.
9. nalafe008 ( 01/04/2005 12:22)
[
b][/b]
pas d'idée
10. nalafe008 ( 01/04/2005 12:29)
mbola try afaka mamaly satria aujourd'hui aho vao tafiditra ho anisanireo namana ato amin'ny serasera
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1751