misy manindritsindry @ alina

1. xxx ( 18/08/2004 09:56)

Misy karazan’olona sasantsasany rehefa tonga ny alina(matetika) na rehefa rendremana iny dia ohatran’ny misy zavatra tonga eo aminy dia manindrinindry azy, ohatran’ny mahatsiaro izy fa miala ny ainy ary dia miady mafy io olona io “hivelomany” mbetika maharitra ela mbetika vetivety ny ady amin’izany ary rehefa mifoha kosa ilay olona dia reraka dia reraka, misefosefo …..; misy olona matetika dia matetika no voan’io , misy indray ny sasany tena mahàlana, misy ihany koa ny tsy mahafantatra izany mihitsy ary rehefa resahana izany dia lazainy fa tokony ho any amin’ny psy hono, tokony hihinana magnesium hono.
Misy mampiray izany amin’ny asan’ny maizina sns …..raha mahazo anareo izany na mahafantatra olona tratran’izany dia misaotra manazava ny anton’izany, ny fanafody hisorohana amin’izany.
Misaotra indrindra tompoko o !
novalian'i fijo ny 07/09/2004 21:55
2. nikopol ( 18/08/2004 10:06)
sô de mba voan'ny ody fitia? :lol: Raha izay de le mandravasarotra no fanafody. :lol:
3. lanto ( 18/08/2004 10:07)
hummmm nahazo sopapa mitsy i niko izany an !

xxxxx> (ampy tsara ve le x ?) tsy ampy kalishôm re ireny e !
4. nikopol ( 18/08/2004 10:15)
ka raha kalshôm no tsy ampy de mety bandy dia mahavita azy raha sipa i xxxxx! :lol:
Tsy aleo marina ve tsindritsindina bandy toy izay avelo? :lol:
5. dona ( 18/08/2004 13:31)
Za koa zala efa nisy nanindritsindry ohatr zany @ alina. Fa nefiako le izy fa oh tsindritsindry milay... DE noteneniko fotsiny izy hoe ety @ sandriko sy ny feko iny indray tsindritsindriana
de tsy nety intsony izy fa niala... tsy ao anaty contrat hono zany. Tsy nila nandoro volo sy fingotra mihitsy a fa zay no fikako... :lol:
6. fijo ( 18/08/2004 20:30)
za mihevitra fa resaka fo io ka ny tsara dia tsy manindry ny ilany havia rehefa matory.
7. tenio ( 19/08/2004 14:48)
ramaso>hihihihi
dona>mety kosa ny hevitr'ialahy kah, misy manao massage gratuit isan-kariva ve?

Vazivazy ny ahy fa misy tokoa io zavatra io. Nisy reportage hitako tamin'ny télé mikasika ny fihetsika ataon'ny olona rehefa matory. Nasiana camera nanoloana ny olona maromaro izay manao enreigistrement ny fihetsik'izy ireo mandritra ny torimaso. Milaza ary io fandihadiana io fa betsaka ny fihetsika ataon'ny olona rahefa matory, ny sasany tadidiny, ny sasany tsy tadidiny, ny sasany heveriny fa nofy. Betsaka arak'izany ny miteny rehefa matory, ny sasany manangana tanana, ny sasany mitehaka.
Mety ho isan'izany ny mahazo ny olona izay mahatsiaro tena fa misy manindry rehefa matory amin'ny alina.
8. nikopol ( 19/08/2004 15:59)
Asa aloha raha efa henonareo fa misy ambiroa veta zany hono mitsidika sipa amin'ny alina. Ka mety manja loatra angamba i xxxxx dia tsy tantin'ilerony. Asio lacroix na baiboly eo andoham-pandriana. :lol:
9. fijo ( 19/08/2004 19:09)
ih,ih,ih, tsy aleo avy dia kapoty no hatao eo mba hisorohana ny akisida.
10. rvoulah ( 19/08/2004 19:35)
efa nisy olona henoko voan'io koa , fa mivavaka sy baiboly no fanafodiny.
nefa araky ny dokotera , de toa hoe tsy ampy calcium hono izay voan'io .
11. pitchou ( 20/08/2004 15:21)
fijo wa mba matotra! ny sasany efa sempotra be voatsindry mbola hanihanianao ihany! ataovy fa raha mitaraina tratran'izany enao d andefasanay kapoty iray carton!!!!!
Mety ho toe-pahasalamana ilay izy nefa koa naheno aho fa misy trano sasany misy angatra ka dia manahirana ny hamarotra hoe inona na inona! fa tsy aleon'i xxxxxx aloha miova trano dia raha mbola misy otran'izay ihany dia sur izany fa toe-pahasalamana dia mankany @ dokotera?
12. tolotra ( 20/08/2004 18:29)
zah alou efa nahita olona vodrindritsindry hotrizany ary betsaka mihintsy,kay ilay izy tsindrialoka fotsiny ,kay ilay olona manindry be zestah fotsiny fa tsy aleany akory.
fanalanah izany fa mety hoe olona rera tsaina be kou na vizana loatra no matonga zany.
13. fijo ( 23/08/2004 19:46)
ka hoe manja hono dia tsy tantin'ny lerony ko.tsy aleo ary ve miarotena rehefa tsy mahatanty ry zalahy.ih,ih,ih
14. lanto ( 23/08/2004 20:14)
efa naheno io resaka tenenin'i niko io aho. ataony afa-po mihitsy hono le madama @ alina, fantany daholo izay tadiaviny, de tsy te-hiherika andrangahy mitsy am atoandro (satria le vadiny miasa alina). tsy hay izay fahamarinany fa mety ny nofiny no heveriny fa marina.
15. yonikafopl ( 23/08/2004 23:57)
niko sy fijo kosa raha hanala an!!!!
de misy marina ve hono zany ry lanto??
ny manofy miteny sy mitsangana efa fahitako fa le misy manindry njay no tsy haiko, sao de ohatra we nisy olona niaraka natory taminy de ratsy fandry io olona io izany hoe mety nitsoparaka teny amboniny teny ny tongony de nanonofy izy de tsy afaka nihetsika fa voatsindrin'ilay tongotra ???. De ohatran'ny hoe nisy nanindry???
16. xxx ( 24/08/2004 06:14)
ka ilay izy anie tsy voatery hoe amin'ny alina ihany no tratran'izany fa na matory atoandro koa e, indray mandeha izay aza tafatory teo ampijerevana TV niaraka tamin'ny olona maromaro dia tratra e !
17. dona ( 24/08/2004 08:53)
Fa zao koa nie alo tsy azo lavina e... misy ny asan devoly fa tsy hay koa anie alo ndrai2 misy sipa na bandy manatona mpitaiza sy mpanao ody fitia e... de mihevitra avy eo fa ilay olo tiany ihany no hanindritsindry azy ... hay miara manindry azy eo koa ny devoly. De tsy hay intsony e!!! mino a fa i xxxxx tsy nanao an zany e!!!
18. yonikafopl ( 24/08/2004 12:31)
hihihihihihihi
sao niko kalou de mba tratran'izany t@ ilay ody fitia nampiasainjy reny e :-P
19. nikopol ( 24/08/2004 12:47)
xxxx farany (24-08), raha psy za dia nilaza taminao fa desir inconsient be tao aminao te-hanao lamourou amin'ny olona maromaro indray miaraka no nahatonga anao tratran'io tamin'ianao natory antoandro. Fa za alou tsy psy e!
Yonika, ny ahy ny contrairany, manofy manindrintsindra sipa zany za rehefa alina, fa za tsy mila fitsaboina an! :lol:
20. bichette ( 24/08/2004 13:16)
dona > izany tokoa hono
nikopol> tena marina ve io voalazanao io sadia mamorona fotsiny ianao ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2735