Fitasngatsanganana @29 Aogositra

1. mcz ( 17/08/2004 13:53)
Faly mampandre antsika namana rehetra fa tapaka t@ fivoriana t@15 Aogositra fra hatao any Varahana Ambohimanambola ny fitsangatsanganana , ka 10.000Fmg ny fandraisana anjara ny tsirairay , mahazo mitondra namana hafa koa ny namana rehetra
eo Ambohijatovo ambony ny fotoana @ 8h ka
hatr@ 8h 30 aoka ho marompotoana daoly @ io aaa , fa tsy hafaka hinadry izay tariky ny namana efa tonga :lol: :lol: :lol:
raha mila fanampipanazavana na koa hoe efa eny andlana enao fa tsy tatranao ilo fotoana io dia antsoy ireto laharana finday ireto
FyJL 033 11 30 733
Voahirana 0331260987
Mcz 034 40 39642
glou_ 03204 416 886
Ny fahatongavantsika maro no mampafana ny lanonana :lol: :lol: :-*
novalian'i nielle ny 28/08/2004 09:14
2. ari.malala ( 17/08/2004 14:07)
Aiza moa izany ilay toerana? Miala tsiny indrindra fa nanao ho avy t@ alahady teo fa nisy zavatra tsy nahafahana dia tsy tonga!
3. kally ( 17/08/2004 15:13)
Dia fisaorana mitafotafo izany ho anareo nanapa-kevitra sy nandrindra ,manotrona no anjaranay izany?Samy ho tahian'ny Tompo ho tafahaona ary e!
4. mozart ( 17/08/2004 15:22)
zah aloha tsy afaka t@ le farany teo e! fa zah vonona ny ho any, de ze tsy mahita llna de zah koa vonona hanoro azy, de manantena ny namana ze efa hita teny 67ha ireny fa any Ambohimanambola zany manohy ny brighton sy ny tsaky e!
5. diva ( 17/08/2004 16:24)
slt! saika hantany we: eo zany V vo fantatra ny isan'ny ze mande ? so de tsy ampy ny fiara ? matoky anareo mpikarakara zany zahay e! :D
6. ravatorano ( 18/08/2004 06:24)
zà d ho avy ary manentana antsika namana eto tantoerana mba ho tonga na dia hitsangatsangana fotsiny ihany aza.
izaho koa miombo kevitra amin 'i diva momba ny fiara sy ny fahampiany.
raha tara ny amin ny valo sasany maraiana izany defa tavela sa mba misy namana miandry ihany eo mahita ilay toerana ?
ravato_rano
7. xxx ( 18/08/2004 07:22)
Ravatorano > De efa matoky anareo ny namana aty andilambato @ fanetsiketsehana e ! Aza adino ny fakantsary ô !
Dia tsy hisy namana hitondra fiara manokana ve moa any mba "hindramina" raha sanatria misy namana maromaro sendra tara ?! Tsy lavitra anie Ambohimanambola e ! Toa misy car maromaro ihany koa miainga avy eo Mandroseza raha sanatria.... Saingy aza tara fa tsy tsara ny tara e !
mozart> Tsy nisy occasion nahafahantsika nifandom-bera tany @ 67 fa dia aza adino an'eritreritra ny namana @ io fotoana io e ! Araho tsaky bobaka sao tara fodiana eo !! :lol:
kally > Embeno tsara ireo ondrikely ireo sao manihy a ! :D
Sambia tsara daholo eee !
Samoina
8. six ( 18/08/2004 09:01)
TONGAVA MARO E§/ ZAY IHANY
9. fyjl ( 18/08/2004 09:04)
Ny fitsangatsanganana dia atao ny 29 Aogositra 2004 eny Varahina Ambohimanambola. @ 8ora ka h@ 8ora sy sasany ny fiaingana eo @ Arrêt Ambohijatovo ambony (akaikin'ny tunel Ambanidia). Samia mivatsy izay sakafo sahaza azy avy (tsy maninona na mihoatra kely aza). Tsara raha tonga mialoha mba ahafahana mandamina ny fiarakodia hitondra antsika. Eo isika no raisina de eo koa no apetraka. Mino aho tsy hiaotran'ny 10.000fmg ny sarandalana mandroso sy miverina nefa dia lazaina amintsika eto ihany izany rehefa tena marimpototra tsara.
Angatahana ihany koa mba hitondra izay manana kilalao, guitare, maneno, sns... sy izay rehetra azo zaraina ka mety hahafaly ny namana.
Somary lavidavitra kely ny hisintonana ny herin'aratra ka miangavy izay manana rallonge ihany koa mba hitondra fa hataontsika plisy plisy d'efa mety.
Koa manainga antsika rehetra ary fa ny fahamaroantsika no hahatsara ny ambiance e!
10. mangakely ( 18/08/2004 09:15)
Mahasoa ny manan'aina ny mihaona amin'ny toa azy. Noho izany dia mahasoa an'i Mangakely ny mihaona amin'ny mpikambana namana serasera ary koa mahasoa ny mpikambana namana serasera ny mihaona amin'i Mangakely .
BLABLA daholo izany fa misaotra an'ny mpikarakara rehetra.
Misaotra eeeeeeeeeeeeeee !
11. jabert ( 18/08/2004 10:12)
tsisy anampiana intsony angamba ny efa voalaza fa misy indro kely ny numero nomen' ny mcz : mcz 032 40 396 42 dia ny an' ny glou 032 04 168 86 izay fa de tongava daolo eh!
12. yonikafopl ( 19/08/2004 11:56)
Dia mirary anareo hahazo fahafinaretana ny tenanay e!!!! de henjy tsara doly any an!!! :lol:
13. herylo ( 19/08/2004 12:36)
:wink: Misaotra dieny mialoha anareo mpikarakara izahay fa dia ho tonga hanotrona io fotoana io izahay.Ahoana no hifankafatarany samy NAMANA ? :D .Raha misy zavatra azonay atao dia hilazao dieny mialoha (033 14 344 19)
14. alcyon ( 20/08/2004 09:52)
tena mahafinaritra be mintsy alo le eritreritra e sady mety ho afaka ihany amin'io...
Ra sendra tsy afaka mo de mirary fety ho anareo e!!!
ataovy mafana tsara.
15. tsara ( 20/08/2004 12:14)
Misaotra anareo mpikarakara fa za aloha de tsy maintsy ho avy na dia vaovao aza e! mba tiako koa mantsy ny hahita anareo rehetra. Raha azoko tsara dia sady hahita ny mahasoa tsika no hahita ny mahafinaritra
16. methode ( 20/08/2004 23:06)
Mba ilazao ny zava-misy any rehefa vita ny fitsangatsanganana e! Amin'ny herin-taona no mety afaka fa izao aloha tsy possible!!
17. voahirana ( 21/08/2004 14:10)
dia manantena zany fa ho maro isika ny ho tonga hitsangatsangana dia izay zany ny fanirina e!! TONGAVA DAHOLO E!!!!!!!!! fa ataontsika milay be eeee!!!!
18. ainakelyio ( 23/08/2004 06:07)
k'aiza,
fa nahoana ary no dia natao ampoto_moty be toy izao ny progra-nay izao any toamasina ka tsy hay na ho tafaverina aloha keli'io fotoana io na tsy.tsy maninon'é , raha tao ka tsy tonga dia izay izany fa @'ny manaraka indray ; dia mirary soa ho anareo rehetra é.@'ny sisa diaefa ataovy progra 1ans mihintsy hoe @'izao sortie dia@'izao rcf fotsiny sa.......? izay fa dia veloma é, ho an'i tsara manokana samy vaovaoisika ka raha toa ka afaka aho dia miteny dia mba mifanao fotoana é ok! (l)
19. naritsimba ( 23/08/2004 08:41)
Salama daholo eh!
ho anareo izay hitsangatsangana any Varahina dia ity mba misy hafatra kely.
Efa hitako io toerana io ary mahafinaritra tokoa fa mba tandremo ihany ny milalao rano fa betsaka lavaka avy nakana fasika eo @ io toerana io ary dia efa nisy ny maty an-drano teo amin'io noho ny tsy fitandremana koa dia mahaiza mitandrina tsara daholo eh!
izay fa dia mazotoa daholo eh!
ny tenako dia tsy afaka amin'io fotoana io fa dia mirary soa ho antsika rehetra eh!
20. fijo ( 23/08/2004 19:58)
izay tandremo ihany ny lavaka rehefa mitsobo drano rankizy an.aleo lavaka be rano toa izay rano be lavaka.ih,ih,ih :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0908