Hiakatra ny frais de connexion eto Madagasikara

1. fyjl ( 17/08/2004 05:52)
Hiakatra tokoa ny frais de connexion eto Madagasikara ka raha ny fahalalako azy dia mety ho 150fmg/mn indray ho an'izay nanao 100fmg/mn. Mavesatra @ mpanjifa io, indrindra isika NAMANA izay mbola mpianatra sy izay tsy mbola manana anton'asa. Tsy fantatra mazava aloha ny anton'io fisondrotana io.
Vahaolana : Manainga antsika namana rehetra manana Cyber mba hivondrona ka hiara-handresy lahatra ireo Distributeur ny mba hitazonana io vidiny taloha io satria maherin'ny 50% io fisndrotana io.
novalian'i besoiiin ny 08/09/2004 20:48
2. xxx ( 17/08/2004 07:39)
Mba mamely mafy tokoa ny distributeur any izany raha izany hanao fisondrotana 50 % izany a ! Mahagaga mihintsy satria eran-tany aza mainka miha-mora dia nentsika ny mifanohatra @ izany indray no atao !!!
Raha raikitra izany dia hisy fiantraikany eo @ client consommateur koa izany !! Loza be sy mahamenatra satria izaho nampiasa cyber aza nahatsapa mihintsy fa tsy ampy ny débit azahoanay mitsidika ara-dalàna ny tranonkala samihafa . Tao Akorondrano izany moa misy pancarte be hoe " Haut débit " anefa lany teo fotsiny ny 7OOO fmg-ko fa zara raha tafiditra nahavaky taratasy vitsivitsy fotsiny !! ( Tsy hotantaraiko ny mpiambina mitsikilo tao an-damosiko fa tantara hafa indray iny !! :evil: ). Ny vola lany, ny fahafinaretana tsy nisy loatra. Hihihi
Raha tena tsy maintsy mampiakatra izany ny distributeur ry fyjl dia antenaina fa entiny hampivoarana ny ara-teknika kosa angamba izany mba ahafahanareo manome fahafam-po kokoa ireo kil-nareo a ! Saingy na izany aza be loatra izany + 50% izany e ! Asa rahoviana vao mba afaka hanao connexion illimitée @ vidiny mirary ny namana any an-tanàna !
3. xxx ( 17/08/2004 07:55)
Samoina ihany io XXXX io fyjl a ! Dia mahereza hatrany ary manohana anareo @ izao tolona hatrehina izao e !
Samoina.
4. ille ( 17/08/2004 15:16)
Marina izany fa hiakatra tokoa ny frais de connection. ny mapalahelo anefa d ity : raha ho an'ny blueline manokana dia amin'izao fotoana izao dia ratsy dia ratsy ny connection no sady tapatapaka nefa izy indrindra no mampiakatra nt tarifany!! enga anie ka amin'izao fiakarany izao mba hisy fanamboarana sy fandinihina akaiky fa tena tsy lasa mihitsy!! blueline no teneniko satria io no ampiasanay ato ampiasana ka hitako ny haratsin'ny qualité ny serviceny!!!
teny hatsipy ho an'ny manampanahy ihany koa!

Maninona tokoa moa raha mivondrona ny cyber rehetra mba hanohitra an'io eh!! atao haingana so d tara ny 01 sept hiantombohan'ny fiakarana!
5. besoiiin ( 17/08/2004 19:44)
ny wanadoo ( DTS ) kosa alou tsy hisondrotra izany e! ry zareo ary vao nanao tranche mora kokoa! kanefa BLR ny connexion izany hoe Haut débit! ny bleu line indray tsy homena tsiny raha ratsy dia ratsy ny connexion-any satria 2Mega fotsiny ange ny tunel ivoahany international e! kanefa ny client-ny efa maromaro ihany! tsy tafavoaka mihintsy izy! mba nanandrana nandefa sary iray t@ yahoo aho indray andro izay kaahoana hoy ianao??? 25 mn mbola tsy lasa ihany ilay izy! aleo dia miala no fanafodiny e! raha olona tsy dia mahafantatra dia mijabaka miditra bleuline fa hoe io no mora! kanefa tonga ao vao mahatsiaro mijaly! ny wanadoo alou izao no hitako mbola tsara ato e! 36Mega ny anazy no mivoaka international mbola malalaka tsara! sady aza manahy ry malagasy fa efa tonga eto ange ny ADSL izao e! efa eo ampandinihana azy ry zareo manampahaizana! mino aho fa ho mora b io connexion io rehefa mivoaka ny ADSL!
6. donemaskit ( 17/08/2004 22:54)
ny olana dia vitsy ny mpanjifa dia tsy rentable ho azy (@zao fotoana zao) ny mipetraka any Madagasikara :?

Ratsy kosa aloha ilay any e, sady efa très bas débit no mbola hasondrotra ve tssssss! :lol:
7. ille ( 18/08/2004 09:07)
Tena ratsy ny blue line eh sady lafo !! izay no azo hamintinana azy!!
Androany maraina izao (18 /08 / 2004) d amin'ny 10 h vao misy connection..
Tsy misy fampandrenesana misloha no tsy misy fialantsiny koa fa d mandeha ho azy amin'izao!!!tena mampalahelo eh!!!
il
8. fyjl ( 21/08/2004 06:23)
Misaotra antsika @ hevitra e!
Tsy dia te-hanonona ilay fournisseur loatra aho nefa moa voalazantsika ilay izy. Raha ny qualité de Sce aloha dia tena tsy ao mihintsy e! Raha ny fiheverako azy dia efa maka marge dieny mialoha izy satria ho avy ny FIBROPTIQUE @ 2006 ka tsy maintsy hihatsara ny fifandraisana ary hidina ny vidiny. Na efa mahita taratra fa ho tapa-tenda rehefa kelikely ka manao tsipaky ny miala aina. Ary izay tafiditra aloha dia mahita tsara mihintsy satria 12 mois renouvellable ny contrat ka mifoifoy volo ianao vao afaka. Efa nangataka resiliation de contrat enticipée izahay t@ mars fa nanaovany be marenina e!
Midira izay mbola sahy fa izahay aloha aoka izay e! zara aza tapitra fin septembre ny contrat-nay
9. donemaskit ( 21/08/2004 10:57)
escrocs reo fa miandrasa mihitsy fibre optique :!:
10. besoiiin ( 21/08/2004 17:35)
tandremo ary sao diso hevitra fa iray @ reo fournisseur ireo ihany ange no hitantana ny fibre eto e!
11. fyjl ( 25/08/2004 07:44)
Efa tena tsy rariny intsony ny atoni Blueline koa manainga antsika mampiasa an'io connexion io mba hiara-hientana e! sady efa nitsangana ny Association hiady @ zany ka http://serasera.org/forum/index.php?rub=viewthread&msgid=m412c423aad582
12. saoul ( 27/08/2004 23:08)
Fa firy moa zao ny vitesse connexion @ BLR any Tana zao? Efa miohatra ny 128K ve sa mbola latsaka?
13. mcfy ( 27/08/2004 23:27)
128 maxi hono raha ny fahenoko ny Blue Line (sur document io fa mety 12,8 angamba @ réalité) fa manao blues ihany ry zareo nefa ny ok efa @ hip hoptique.
Mahereza mitolona nefa ho an'ireo namana manana olana ireo.
14. zamahery ( 07/09/2004 06:29)
ny any amintsika no tsy te hivoatra fa betsaka ny olona no efa manantsara ny lafiny technique fa ireny opérateur business-men ireny anie no tena manao any Dago fa tsy opérateur connaisseur .. mitetika ny hampiditra vola fa tsy mijery ny mpanjifa !

Fa aleo hidiran'ny AOL sy ny tariny fa ireny ny service no aloan'ny fidiram-bola ! mihabetsaka ny kill raha toa ka milay ny service !

sa ahoana ?
15. besoiiin ( 08/09/2004 20:48)
ô ry zama a! mba alefaso lalina alou hoa ny saina vao miteny e! misy antony ao matoa tsy mankaty ny AOL sns... sa ve mila hazavaina @drangahy indray izany antony maro izany??? mba ampiasao aloa ny saina fa aiza no dia atoro foana ialahy e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.1167