Ny fahasambarantsika

1. tsiperifery ( 16/08/2004 13:53)
Efa mahatsiaro tena ho sambatra ve ianao ?
Inona araky ny eritreritrao ny mbola tsy ampy ahatomombana tsara ny hasambarana efa misy aminao ?
novalian'i fijo ny 07/09/2004 21:57
2. nykanto ( 16/08/2004 14:01)
Alohan'ny tena hiresahana aloha, tsy tsara ve raha toa ka omenao anay vetivety ny dikan'ireo teny hoe sambatra, fahasambarana araky ny fiheveranao azy, amin'izay mitovy ny tadin-dokangatsika. Misaotra mialoha.
Ny Kanto.
3. tsiperifery ( 16/08/2004 14:18)
Samy manana ny fiheverany azy avy angamba ny tsirairay ary izay indrindra no tsy mbola hanomezako ny dikany amiko mba hampivelatra tsara ny eritreritry ny namana mandalo eto :D
4. nykanto ( 16/08/2004 15:20)
tsy mahafa-po ilay valin-tenin'ise!!!
Ny Kanto.
5. ludo ( 16/08/2004 18:26)
Aza asina ady hvtr ny momba ny fahasambarana fa tsy misy sambatra eto antany na @ lafiny inona na @ lafiny inona
tsy maintsy misy fifamaliana
tsy sambatra zany amiko
mitaintaina noho ny arenany sy ny ainy, fahoriana zany amiko
d mazava ho azy fa ny hoaniny anio no tadiaviny anio!!
misy lafiny maro ny fahasambarana ka raha
ny ananki1 ihany no tazomin'ilay olona ka
milaza sambatr'izy d diso hvtr'izy amiko oh;
misy tsy ory vola nefa mahantra fitiavana d tsy
sambatr'izy zay!!!
ka misy tononkira 1 zay an'i Dédé Fenerive henoy na jereo ao @ tononkira, d aoka ny feon'ny fieritreretanao
no hamaly zay anontaniany!!!
6. fijo ( 16/08/2004 21:48)
marina fa tsy misy eto an tany izany fahasambarana izany.
hafaliana no maro eto.za hoatra avy nijery ricky vita bac dia tena faly tokoa.
7. nykanto ( 17/08/2004 07:15)
Ka izay no antony tena nanontaniako hoe inona marina moa ny fahasambarana ?
- manana olon-tiana ve ?
- tsy ory ve ?
- faly ve ?
-manan-janaka ve ?
...
Be dia be ny fanontaniana, amiko manokana ny fahasambarana dia rehefa mahatsapa fa hoe tia sy tiana. Ny Fitiavana mahafaoka zavatra maro be.
Ny Kanto.
8. xxx ( 17/08/2004 07:17)

Ny tena fahasambarana dia rehefa ao amin'i TOMPO
9. lanto ( 17/08/2004 07:23)
atao hoe tsy misy ary ny fahasambarana, inona no mba heverinao hoe "tsy ampy" eo @ fiainana na eo @ fiainanao mba hisy ilay fahasambarana !

ohatra hoe : ny fahasambarana amiko dia ny afaka matory rehefa voky

ny an'ny sasany mety mofo gasy

ny an'ny hafa matory anaty bozaka
:wink:

valiny tsotra angamba no tadiavin'i tsiperifery fa tsy hoe hanao filozofia mikasika ny fahasambarana :)
10. ludo ( 17/08/2004 10:17)
araka ny efa nolazaiko d betsaka ny zvtr mifono
ny atao we sambatra fa ny tsi-1-1 no samy manana ny fandraisany azy d hozy enao we ity
hitako mahasambatr'ahy d iny zany no fahasambarana aminao fa ra bangona indray mande ny atao we fahasambarana d tsy voazavanao na haraina aza ny andro!!za zao sambatra mamaly sy mamaky ny hafatry ny namana ato d zay!!!!
11. sambatra73 ( 17/08/2004 13:03)
Tô efa nisy sujet mtovitovy @ ty tato, sady makasikanà lanto, ludo: mtovy def° aminareo zà. :lol:
ny fahasambarana d refa azo zay irina (subjectif); tsy mtovy @ tonga lafatra na idealy

12. fijo ( 17/08/2004 19:27)
efa resaka nandeha tokoa io ka tsy nisy hafaka namaritra azy,fa dia izay zavamitranga no hiainana sy hankafizina dia izay.
13. ramoul ( 17/08/2004 21:21)
marina mintsy zany ry fijo, ary ny zavatra rehetra eo ambonin' ny tany dia mety mahasambatra anao aokoa fa ny vokan' ilay fahasambarana avy eo no tsy fantan-tsika we inona.
Ka noho izany ataovy izay mahasambatra anao aloha ary aza adino ny ankohonanao.
14. fijo ( 18/08/2004 20:38)
izay koa no ataoko hoe mahay mihaina e.
15. sariaka91 ( 29/08/2004 06:59)
Hatramin'izaho niandry vohoka ny zanako 1° no tena nahatsapako izany fahasambarana izany. Fahasambarana foana ny fiainako hatr@izay ka hatr@izao, na dia eo aza ny olana isankarazany mianjady @ fiainana tsy maintsy atrehina. Manome hery avo zato heny hiadiana @ fiainana ny mananjanaka ary izany no tena maha sambatra ahy.
16. fijo ( 30/08/2004 22:43)
miteraha ry sipa fa mahasambatra anie io e.indrindra ilay manamboatra azy. :-* :P :-P :-D
17. mumu ( 31/08/2004 07:35)
ramaso he he he
18. sariaka91 ( 31/08/2004 10:19)
fijo > marina izany e ! dia efa miala any koa ny faha-2 ka :{ 8-)
19. fijo ( 31/08/2004 21:42)
alefa alefa e,arahabaina fa tsara izany.
tara ndray ramaso le. :-P :-D :-D
20. chipie1 ( 06/09/2004 11:45)
mampimé reto an! :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1501