Ny mpivarotra sy ny mpividy!!!!

1. ludo ( 14/08/2004 20:55)
Efa mba nahatsikaritra v nareo we ra manao
meti2 ianao miditra fivarotana 1 d mandray
anao tsara sy mampiresaka lay mpivarotra
fa ra antonontonony kosa ny fitafinao d odiany tsy hita ianao ,fa in ny antony?? nefa nataoko
ny fandinihana ra any dago ireny b malabary
tsy d miaingo firy ireny no b vola!!!!
novalian'i ramaso ny 17/08/2004 20:30
2. hery ( 15/08/2004 06:57)
Normal ihany izany kah. Ny ankamaroan\'ny olona madio fitafy mantsy ohatran\'ny hoe manan-kaja ihany. Misy ireo na manam-bola aza tsy dia manaja tena loatra.
Aoka anefa tsy holazaina hoe ny mihaino
Ohatran\'ny hoe rehefa manjamanja ny vehivavy mpivarotra dia mahazo kil kokoa.
3. ramoul ( 15/08/2004 20:13)
hihihi hery.
Marina fa hoe ny olona madio no manaja ny tenany ary ny maoto tsy mpiraharaha ny tenany, fa na dia izany ary tsy btokony atao oatran' zany ireo client izay mividy zavatra fa tokony asiana ajany daholo na dia manao malabary ary.
4. diavolana ( 16/08/2004 18:23)
safidy koa anie ny hidirana fivarotana iray e!
rehefa tsy namely ny fandraisana anareo tao dia aza miverina ao intsony koh inona ary no olana @ zany, fivarotana be dia be
5. fijo ( 16/08/2004 21:52)
tsy hoe madio ngamba no marina fa rehefa mihaingo dia raisiny tsara.za mantsy tany mada teo dia manao malabary matetika ary madio fa tsy maloto akory.dia hafa tokoa ny fandraisana ahy rehefa miditra mpivarotra.io mpivarotra io ihany ny hafakampitso no nidirako fa niova fitafy aho,dia hoatry ny nandray andriana izy nandray ahy.tsy nividy zavatra tao anefa aho satria tsy tiakoizay fombany izay.
6. mimich ( 17/08/2004 09:59)
ie marina mihitsy izany io lazain'ny fijo io
kanefa ny zavatra tsy fantatry ny mpivoratra dia miezaka ny manao tsotsotra ny oll @ anakpobeny rehefa miantsena (indrindra fa raha vola bebe no tsy maintsy entina ) mba tsy hanintona ny mason'ny mpanao sinto-mahery (raha ny eto tàna aloha e!).
7. fijo ( 17/08/2004 19:30)
na aty frabtsa aza dia mitombina io fomba fijery io.vao miteny anglisy ianao dia mirihotra manantona izy na mainty aza ny tena.fa vao miteny frantsay na vahiny hafa dia fanaraha maso be no hita.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1445