hemoroïde

1. haingou ( 07/08/2004 14:15)
Za ry reto tena mijaly be rehefa mihetsika ny hemoroïde-ko ka mba mila vonjy aho sao mba misy mahalala fanafody tena mahafaka azy tanteraka. EFa nampiasa suppositoire ihany aho sy crème anusol fa tsy tena hitako mahatsara ahy. Misy miteny ihany hoe le atao ady gasy hono no tena tsara nefa tsy fantatro hoe inn no tokony ataoko. Tena mijaly be anie ry reto rehefa tena mihetsika ilay izy fa raha mitsangana enao de tena mila ho safotra mipetraka tsy mahay mipetraka matory manaitaina be. Koa mba vonjeo re raha mba misy mahalala fanafody
Dia eto ampiandradana ny valiny dia maneho ny fisaorana be dia be ho anareo rehetra
novalian'i tcyn629 ny 06/02/2020 13:06
2. xxx ( 07/08/2004 16:44)
ianareo moa izany isan'ny nanao an'itony "sodomie" itony? :x :(
3. tiana1 ( 07/08/2004 17:24)
reko hoe mety ho tsara ny huile essentiel "Cyprès" (cupresus sempervierens)...
4. hery ( 07/08/2004 17:55)
xxxxx = diavolana

Rehefa mba sérieux ny olona manontany dia mba sérieuux mamaly. TSy voatery hamaly rehefa tsy mahita hotenenina

Misaotra.
Hery :)
5. yonikafopl ( 07/08/2004 22:14)
misaotra an'i hery.
mihinantsakay ve i Haingo???? atsaharo dieny izao, dia aza mipetraka ela koa.
Tsy dia haiko loatra ze tena fanafodiny fa za kou mba misy.
6. loockx ( 09/08/2004 04:34)
Betsaka no mlaza oe vônina Mahabibo hono tena mahasitrana le izy. Oe atao collier na atao ampôsy isanandro D tena manala hemoroïde ono. Ze fanazavana ara-tsiantifika aloh tsy D haiko loatra fa oe tena mandaitra B ono le izy. andramo iany aloh sao D mety e
7. haingou ( 09/08/2004 08:39)
Misaotra betsaka daholo namaly na dia xxxx dia isaorana
Tsy dia mihinana sakay aho taloha aho no nihinana fa rehefa tratran'io aretina io aho dia navelako. Fa le hoe mipetraka foana aloha dia tena mipetraka mihitsy no asako satria izaho secretera dia mety hoe avy amin'izany tokoa ve?
Izaho koa aloha efa naheno izany nolazainao izany e fa ny problema-ko dia hoe aiza ho aiza moa no mety misy mivarotra izany? satria toa any amin'ny côtier any ihany mantsy no misy an'izy ireny tsy misy tonga eto aminay izany ka izay no anotaniako hoe aiza no mety ahitana azy ireny?
any amin'ny pharmacie moa izany nomivarotra azy io?
8. hendry ( 09/08/2004 09:42)
Anisan´ny manampy koa hono (hitako t@ gazety) ny filomana rano. Fenoina rano mangatsiaka ny koveta dia mipetraka eo amboniny zany hoe alona ao ny vody.
Enao moa zany tsy maintsy mipetra-dava noho ny asanao dia asivo coussin matevina ipetrahana.
Mirary soa
9. tiana1 ( 09/08/2004 10:01)
Azafady fa izao indray aho vao afaka mandefa hafatra kely. Aiza aloha ianao ? Satria meto ho azo tsara any @ pharmacie izy io fa mitaky ordonnance zareo raha any andafy no mipetraka. Fa raha any @tsika dia ataoko fa tsy maninn. (Mahagaga ihany aloha ilay fangatahany ordonnance satria misy pharmacie tsy mangataka). Raha pharmacie any Dago dia ataoko fa tsy olana. Fa mivarotra ko ange Homeopharma e ! Mahafantatra olona narary hémoroïde aho dia any izy no nividy. Raha eto Frantsa ianao ka mitady azy eny @ ireny centre diététique hoatry ny "Diéti-nature", dia tonga dia mahazo. Sitrana haingana ! :-)
10. nikopol ( 09/08/2004 10:08)
Haingou : misotro rano betsaka dia hajanony ny sakafo manaitaitra (sakay sy ny sisa).

Ny fanafody creme na supo : proctolog

Ny solution kou asorina le hémoroide : simple kely, ohatr'ireny manapaka ratsatanana mihotra ireny ( 6eme doigt), fatorany mafy amin'ny elastika dia tsy mahazo ra intsony dia tapaka ho azy ao. Dokotera no manao io ary misy materiel spé anaovana azy.

Ny sodomie dia tsy azo atao :lol:
11. loockx ( 09/08/2004 11:47)
Rah sur Tanà D any @ mpivarotra tambavy sy tapakazo atao fanafody reny matetika misy (pavillon na petite vitesse ngamba), na rah mahafantatra ol any Mahajanga D betsaka any.
12. dotmg ( 09/08/2004 13:22)
Firy taona aorian' ny hanombohany ny hemoroïde no tena mampijaly? Amin' ny voalohany izy toa tsy maharary mihitsy koa. Sady ny mahagaga koa dia misy olona voan' ny hemoroïde efa ho 40 taona nefa tsy mieritreritra hitsabo tena sady tsy maharary azy ilay izy ...

Raha izaho no manoro hevitra dia ilay esorina ihany. Iny izy mantsy veloma mandrakizay.
13. sakaiza ( 10/08/2004 06:47)
Hemoroîde ve ?????
Tsy dia haiko aloha na mety aminao ity torhevitro ity, amin'ny olona hafa mantsy mrty ihany.
Izao atao:
- hainao ny "radie"
- le mitovitovy @ navet izy saingy menamana ny lokony
- hano manta io radie io
- aza miraharaha ny tsirony (masiaka sy maharikivy ary ohatran ny mangidy)
- mihinana isan'andro raha azo atao
NB: .tsy mahasitrana io fa mahatsara
.aza hanina ny raviny
Mirary fahasalamana ho anao aho.
14. haingou ( 10/08/2004 08:02)
Misaotra betsaka hatrany aho satria tena manoro hevitra daholo ianareo namana. Andramo daholo ireo lazainareo ireo fa mino aho fa tsy maintsy misy iray hahasitrana ahy ireo. Le hoe andeha esorina eny amin'ny dokotena toa matahotra be ihany za fa le fanafody ahosotra, sy le zavatra hohanina ary le voan'ny mahabibo sy le fandomana amin'ny rano aloha no andramako. ARy tsy maintsy ho lazaiko anareo eto ihany izay tena mahasitrana.
Raha ny momba ny sakafo manaitaitra indray dia efa najanoko daholo
Rehefa avy eo ihany aho dia hividy sy hijery ireo lazainareo rehetra ireo
aty Dago no misy ahy
:-* :-* :-* :-*
le sodomie indray kosa aloha dia tena mbola tsy natao ary tsy ho atao mihitsy a
:cry: :twisted: :)
15. hoditrakondro ( 12/08/2004 08:55)
Raha ao Tanà ianao dia manantona ny Fitsaboana Loterianina eo 67ha, fa ny fanafody tao no nahasitrana ahy.
PREPARATION H ny anaran'izy io fa tena nahasitrana ahy ary tsy niverina intsony efa ho 10 taona izao.Mazotoa
16. sariaka91 ( 12/08/2004 12:00)
Mety tsy ampy légumes ianao no mahatonga ilay aretina. Mila manao régime légumes sy voankazo ianao raha tianao hiala irery tsy ampiana dokotera ianao. Raha izaho aloha ianao dia mba manatona dokotera ihany toa izay manandrakandrana ny torohevitr'i anona sy anona sy hanao itsy sy iry satria izay mety amin'ny hafa mety tsy hety aminao. Aleo manaraka ny hevitra dokotera, azonao antoka ny alehan'ny volanao, toy izay mandany vola mividividy foana nefa vao antomboka fotsiny dia hitanao fa tsy mety ilay izy. 8O
17. ludo ( 13/08/2004 22:53)
Dia fadio koa ny sakafo b menaka ary mahereza misotro rano 2L/j fa manampy
anao betsak'io de aza manambe!!
18. tcyn629 ( 06/02/2020 13:05)
Salama tompoko ! Zah ref mivoaka (mcaca) de misy rà manaraka... Marihina moa fa misy mivonto keli avi Ani anatini ao amin' anus-ko... Mety ho hémorroïdes vé zany zareo? Leizy tsy marary fa rehefa mivoaka (mcaca) de misy rà manaraka... MBA mangataka fanampiana rzareo fa tena matahotra bé...
19. tcyn629 ( 06/02/2020 13:06)
Salama tompoko ! Zah ref mivoaka (mcaca) de misy rà manaraka... Marihina moa fa misy mivonto keli avi Ani anatini ao amin' anus-ko... Mety ho hémorroïdes vé zany zareo? Leizy tsy marary fa rehefa mivoaka (mcaca) de misy rà manaraka... MBA mangataka fanampiana rzareo fa tena matahotra bé... Misaotra mialoha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6655