Mpanao gazety gasy !

1. fatsoraly ( 07/08/2004 05:31)
Ny mpanao gazety dia manana andraikitra @ fitaizana ny mponina. Eto amintsika anefa dia tsy mandeha @ tokony ho izy ny fanaovan-gazety. Lahatsoratra iray tao @ tribune androany dia manome tsiny ny mpandeha an-tongotra miampita @ toerana tokony hiampitany.
Araka ny lalana mifehy ny fifamoivoizana dia ny mpitondra fiarakodia no tokony mijanona sy manome laloana ny mpandeha an-tongotra. Mifanohitra @ izany kanefa no vakianao ao anaty tribune androany. Ko raha tsy any Frantsa ka samy tsy hanara-dalana ny mpanamory fiara sy mpandeha an-tongotra!

http://www.madagascar-tribune.com/index.php?JOURNAL=366&ART=5930
novalian'i tsilan ny 11/08/2004 12:53
2. fatsoraly ( 07/08/2004 05:33)
Ito ny voasoratra ao ho an'ireo izay tsy te hamaky hatr@ farany.

"Ohatra miharihary amin'ireny ny tsy fitandreman'ny olona rehefa miampita amin'ny arabe. Mihevitra mantsy izy ireo fa ireo faritra voatokana hiampitana dia azy tanteraka, ..."
3. fatsoraly ( 07/08/2004 05:35)
Dia diso hevitra mihitsy ilay farany hoe:

"Ary averina farany fa na misy aza ny toerana voatondro hiampitan'ny olona, dia tsy midika velively izany hoe tsy maintsy mijanona ny fiara rehefa mandalo io fiampitana io."

Aza fahanan-dalitra ny vahoaka re tompoko ry mpanao gazety ah! TENA TSY MAINTSY MIJANONA NY FIARA @ IRENY FARITRA IRENY!!!
4. kally ( 07/08/2004 05:57)
Dia mpanao gazety manondratsondrana marina.Efa lazaina hoe aza maka tahaka ny frantsay fa taraiky be zareo,io matimatin'ny vita frantsay io ihany;ny mpamily fiara frantsay no tezitra be rehefa mivahiny any @ firenen-kafa ka mahita ny mpandeha an-tongotra miampita alohan'ny fiarany.
5. xxx ( 07/08/2004 10:15)
Tokony ho fantatry ny mpanao gazety koa fa tsy natao ho biby fatahorana akory ry zareo ka isaky ny mifetsika d ny hoe za mpanao gazety ihnay no aseho voalohany!!
Mal
6. xxx ( 07/08/2004 16:40)
Sao dia ao anosibe ihany kosa?
Anosibe mantsy isan'ny "autoroute", ka ilay lalana eo ampovoany natao handehanan'ny fiara 60km/h minimum (jereo tsara le panneau), ka ahoana moa no hiampitan'ny olona raha mandeha 60Km/h ny fiara? ary tsy azo hijanonana na 1 segondra aza (jereo le panneau)?
Eo @ fiampitan'ny olona koa dia misy panneau mampitandrina rehefa eo afovoany fa "mandefitra ny mpandeha tongotra" (jereo tsara le panneau eo).
Mino aho fa ho ohatran'io koa ilay autoroute "By Pass" ery iavoloha rehefa ho vita.
Ka marina ny an'ilay mpanao gazety, fa vao teo aho no teny, ary nijery tsara an'ireo panneau voalaza ireo.
Raha @ faritra hafa kosa, dia tsy maintsy mijanona ny fiara raha misy passage zebré.
7. xxx ( 08/08/2004 20:40)
fatsoraly > ny any frantsa manaja mpandeha tongotra be ny mpamily rehefa hoe amin'ny toerana fiampitana ny olona no miampita ka
8. fatsoraly ( 08/08/2004 22:43)
xxxx> hahaha! raha tsy nahita ny masoko dia marina ny anao.
9. fatsoraly ( 08/08/2004 23:01)
sao dia i xxxx kosa ary ilay nanoratra an'ilay lahatsoratra :?:
10. diavolana ( 09/08/2004 09:09)
za io xxxx io fa tsy zaho no nanoratra an'ilay lahatsoratra fa izaho mipetraka ety ampitatafika ka mandalo eo isan'andro hatramin'izay nahavitany izay
jereo leitsy le panneau fa izany ve dia iadiana hevitra a!
manana permis moa ise?
11. xxx ( 10/08/2004 23:27)
fatsoraly> asa ny faritra nahitanao zany fa za kalo refa miapita aty amin'ny passage na tsy misy jiro mena ary tsy mila mijery avy avanana zany fa mahalala mijanona ny fiara refa misy ol miapita :roll:
12. tsilan ( 11/08/2004 12:53)
Mba tandremo ihany anefa, fa matoa misy ny hendry dia tsy ilaozan'ny adala akory izany. Izany no nahatonga ny fampianarana fitana arabe sy fifamoivoizana tany amin'ny kilasy faha-5. Miaro anao ny Aro
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4537