Fanamboarana kopie

1. hery ( 05/08/2004 15:21)
Tena mahagaga sy hafahafa ihany raha amin'izao fotoana efa 2004 izao no mbola tsy misy firindran'ny asa ihany eo anivon'ny fivondronana tsirairay. Rehefa maka kopian'ny sora-piankohonana ianao dia tsy maintsy any amin'ny toerana nahaterahana no maka izany. Fa tsy misy ve fiaraha-miasa eo amin'ireo fivondronana ireo. Raha olona miasa sy mipetraka any Toliara ve kanefa teraka tany Antsiranana dia voatery ho any Antsiranana vao afaka maka kopia hanamboarana passeport ohatra?
Tokony hodinihana akaiky ihany io.
novalian'i ralay ny 05/08/2004 18:19
2. ralay ( 05/08/2004 18:19)
Tena mbola ho ela isika vao mety havaha io olana io ry hery. Na aty amin'ny tany mandroso aza anie ka mbola mila mangataka any @ toerana nahaterahana ianao vao mahazo e, saingy ny paositra no haingana aty ka izay no maha haingana azy.Vao tsy ela izao vao afaka mangataka par Internet ny olona eto frantsa fa asa aloha ny any @ pays hafa no tsy haiko; Miandry anareo informatisianina rehetra hampandroso ny gasikara e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8469