Quel insulte

1. xxx ( 29/07/2004 02:20)
" Hajao ny lasa raha te handroso" hoy ingahy Siraka. Midika ve izany hoe hajao ny tantara fa zanatany isika, ary tompoy izahay mpanjanaka fa hiaro anareo any amin'ny EU sy ny FMI ary ny BM? Antsika no mandinika
novalian'i fijo ny 14/10/2004 21:06
2. mpitsikilo ( 30/07/2004 07:17)
Marina ny anao razoky,

Isika rehetra izao dia mila mandrafitra fomba fiasa matipaika.

Mila mivondrona izay afaka mivondrona, hifehezantsika malagasy ny toekarentsika.

Jereo anie raha nahatsiaro isika fa mety ho andefasan\'ny France fitaovana famokarana herin\'aratra azo avy amin\'ny angovo nokleary hono isika. Io fitaovana io anefa dia mety hampidi-doza satria tsy manaraka ilay fenitra misy ankehitriny. Mba mailo ry mpikaroka eny ankatso fa aza variana mibodo toerana fotsiny ny sasany ao.

Manginy fotsiny ny famolahana ny ankizy madinika hiteny frantsay rehefa miana-manoratra voalohany.

Mieritrereta ihany izay manantsaina
3. kitjo ( 01/08/2004 14:12)
Eeee, zay ange hoe ilay lazaiko oe JIRAMA no ciblen France amzao e!!!
Ao ambadik' io aveo gggrrrrrrrr,

Atao oh reny tany miady ao Afrika ireny no tanjona aveo, miainga @ adim-poko aloha....

Mba mailo fa ampitahao ange ireo tany rht nozanahan Frantsa sy ny anglisy moa ee!!!!
Mody kenakenaina fts fa velesina any ambadika.........d miesona arabakiteny!
4. hery ( 05/08/2004 15:44)
Ny fika fanao dia hoe hano ny volany fa tandremo manaraka ny zavatra asainy atao.... raha mety
Tsy mitovy mihtsy ny fifanarahana @ Frantsay sy ny @ Anglisy (na ny Amerikana)... ny toetsaina dia efa tsy itovizana. Ny Frantsay dia manampy anao mba tsy hialanao aminy mihitsy fa hahatonga anao hiraikitra aminy eoo... dépendance totale. Ny Anglisy indray dia hanampy anao na dia kely aza kanefa mamela anao halalaka (ahitany intéret koa izany) handray ny andraikitrao hitantana ny firenenao.

Mailo ihany
5. nikopol ( 05/08/2004 16:10)
Ary misy mivadika taranja indray izy zany :lol:
6. kally ( 05/08/2004 16:13)
Frantsay aloha tsy atokisako e! ny azy aza tsy hitany izay anaovana azy ,matoa izy manambitamby dia hangalarany anao izay na hamadihany anao.
7. kally ( 05/08/2004 16:14)
Frantsay aloha tsy atokisako e! ny azy aza tsy hitany izay anaovana azy ,matoa izy manambitamby dia hangalarany anao izay na hamadihany anao.
8. sipagasy ( 11/08/2004 06:53)
Na dia hoe La Frantsa Reny Malala aza aleo akifika any rehefa hanome poizina kannn
9. tsiperifery ( 11/08/2004 07:11)
Tsara aloha fa efa mba voantsika gasy i Siraka t@ iny fandalovany iny e: noheveriny fa hoe any Nossi-be ny lalana hotokanana dia be fitetika saika hanararaotra hitsilailay eny @ laplazy. Hay izy ity Anosibe tsenabe!!! Voa 'zay kah ! :lol: :lol:
Toa teo @ anjelifotsin'Anosy hono izy no ni-bronze nony avy nikaly ??!!!
10. bogosy ( 11/08/2004 09:02)
Na izany aza mba azo adika ihany koa ilay teniny hoe:jereo ny firenentsika taloha fa azo lazaina mba nanana ny ampy ihany anie isika taloha raha vao avy nahazo ny fahaleovan-tena e!
Ny tiako ambara tsy hoe akory andao hiverina ho zanahana fa kosa hoe mba jereo ihany ny fandrosoana taloha," izao isika mba aiza?"
Raha nisy ny lesoka dia harenina ary ny tsra taloha kosa mba tazonina.Diniho ihany aloha
11. xxx ( 12/08/2004 07:11)
tsiperifery> :-D :-D :-D Iny ndray no tsitako marina!!!!!! :-D :-D :-D

bogosy> Tsy misy narenina mitsy ange tao Dago fa tena noravaina ifotony mihitsy aloha d nanangana vavao e....
Efa tany anaty lavaka ange isika teo ka tsy afaka nitsambikina niakatra tsn raha izay no andrasanao mandehana ao @ilay fiangonana manao "Miracle mon ami" fa any ngamba mety hahita valiny ianao
Mbola mandavaka tunnel ivoahana mihitsy izao ary efa misy tara-masoandro miditra raha raisina antsary ny zava-misy.

"izao isika mba aiza??"...mba afaka manaraka ny raharaham-pirenena ve ianao ary mandinika ny zava-misy??
fatako fa lasatak ambany tsika fa jereo ihany koa ny fivoarana sy ny zava-bita fa aza faly mitsara be fahatany sady misy dingana dol ny zavadrehetra!

kitjo
12. bogosy ( 12/08/2004 09:25)
ka izao ary: sahinao ve ny miteny fa manana ny ampy ve isika izao raha mihoatra nohon' ny taloha.Oh ny vidin-javatra andavanandro fotsiny, marina fa misy ny fanamboarana fa tsy midika akory izany hoe nidina ny vidim-piainana andavanandro.
Tsotra ny ahy aza dia sodokan lalana tsra fotsiny fa mba jereo ihany koa ny ifotony, mba mandehana mijery eny am reny toerana iva ireny dia ho fantatrao ny tena marina sy ny adim-piainana mahazo ireny olona ireny
Mety hilaza ianao hoe takaitran teo aloha nefa ve efa mba nisy fivoarana ary ve am zao?
13. xxx ( 12/08/2004 13:50)
Ny tianao tenenina ve moa zany hoe tsy misy zavatra miova mitsy ao Dago?
Na atao hoe mbola tsy miantraika mivantana @ fiainana andavanandro aza.....
20taona mahery aza nihanidina ambany aritra ihany ny efa manondrotra ndray no mbola tsikeraina foana no sady hodiana tsy hita ny zavatra mety atao fa ny hitsikera foana.

Na @ toerana iva na @avo mbola lavitra ny lalana, fantatro izany fa ny lazaiko hoe misy kosa ny dingana tsy maintsy arahina araka izay tratra fa sao isika koa dia manantena hotolorana vola isam-baravarana na vary stock amidy 50ariary.....

kitjo
14. bogosy ( 13/08/2004 08:44)
jereo tsara ny zvt nolazaiko tsy nilaza mihitsy aho hoe tsy nisy ny fiovana marina fa misy izany fa kosa inona moa ny antony nanalana ny teo aloha angamba mety ho tsy nahavoa izy nefa nefa raha ny lokaloka natao t@ ireny fifidianana ireny dia ny hanao fampandrosoana haingana sy maharitra nefa aiza arye!
jereo raha misy ny fanontaniana apetraka tsy misy ny rena vahaolana fa dia hoe minoa fotsiny ihany vahaolana ve zany?
ary raha ny tena tiako ambara t@ hoe taloha dia tsy ny t@ 20 taona lasa fa isika vao nahazo ny fahaleovantena sahinao ve ny milaza fa tsy mbola mora ny fiainana?
ary aza mora enti- po ry se a!
15. xxx ( 14/08/2004 05:29)
hihiihhi, tsy maintsy ao ny fo ko! Ampiana saina sy fanahy koa anefa sa inona fts no tokony ho izy ry bogosy? bogosite fts ve?hhiihih

Eny e, ka inona ary izany ny vahaolana entinao e? Averina hozanahana sa hatsangana tao Tsiranana sa iza no tokony apetraka eo sa inona no tokon' ataon' ny eo?

AMiko aloha tsy voako mitsy le fitsikerana be fahatany ty fa lasa aretindramalagasy e,
Ny manome vahaolana no tokony atao satria tsy anjaran fanjakana irery ny fampandrosoana fa ho an' ny olom-pirenena tsi 11 koa.
Sao misy miteny oe 18taona ndray vao olom-pirenena fa ho an' ny olona tsi 1 1 zany e....

Miandry vahaolana avy @ bogosy satria raha ny avy aty amiko d efa mamaha ny olana zareo ka tsara ny fahafantarana ny zvt ataony.
Ny "INDRO" be hitako dia ny tsy fisian'ny "communication" eo @ mpitondra sy ny vahoaka. Mety hoe aleon zareo angamba vita mitsy misy asa mivaingava ve vao miteny sa ahoana, nefa tsy mety satria lasa misy resa-be ho an' ny tsy mahalala.

kitjo :)
16. bogosy ( 16/08/2004 11:12)
mapimehy iska sy se fa lasa isika rery sisa no miresaka
vahaolana tsotra fotsiny rehefa misy ny zavatra atao dia tsy tokony hisy ny fitavozavozana sy ny fiverimberenana @ zvt tenenina oh: detaxation raisina ny mesure nefa avy eo miverina @ teo aloha ndray de heritrereto ny fatiantoka sy fotoana lany t@ireny
amiko dia izao tsy ny communication eo @ mpitondra sy ny vahoaka ihany no tsy ampy fa na eo @ samy mpitondra aza fa ireny zvt nisy ireny anie ataoko technicien betsaka no eto antanana nefa ve de nanaonao fona oh an reny?
izany hoe mety ao ny ambition sy ny volonté fa ny paikady no tsy ampy ka raha mila pai kady dia tokony manantona technicien alohan hanaovana zvt iray
sa tsy mety hoy ise?
17. crrlanto ( 09/10/2004 18:27)
Ny asa fitondrana tsy vitan,ny vava,ohatra ny olona manao baolina io ,rehefa anjaranao ny mpijery dia mahay manakina ,ka manao hoe (raha za no teo ) tena napasiko kely tary dia tairiko kely ery dia maty é oh oh oh oh oh
18. kitjo ( 12/10/2004 13:04)
Marina daholo izany rht izany fa dia aleo angamba miandry sa inona re no tokony atao e?

Sa ve za no ho eo ry bogosy?
Mifanerasera eto @serasera foana za sy ny vahoaka amzay? :-D :-D :-D
19. fijo ( 14/10/2004 21:06)
bogosy >ny tiany lazaina dia izao.izahay frantsay no efa niaraka taminareo hatramin\'izay,ka moramora ianareo amin\'ity fifandraisana be amin\'ny be kintana ity.tsapany mantsy fa miha mitodidoha amin\'ny be kintana isika izao ka matahotra izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.194