recyclage!

21. fatsoraly ( 03/08/2004 07:54)
kitjo> taraiky be ny any aminareo satria efa ela dia ela t@ fahagola ny fako no sokajiana toy izany any @ firenena mandroso: Germany, Switzerland, Austria, Scandinavian countries, sns...afa-tsy i Frantsa no mbola vao eo an-dalana.
Ny any aminareo aza izany mbola tsy atokana koa ny organic waste raha araka ilay voasoratrao hoe: "Raha mitetika anana aho zao d tsy azoko atao ny manary anzay ao anatin' ilay izy satria tsy misoratra eo "
Dia tsy atokana koa ny dangerous waste (fanafody, sns...)

hahahahaha! eeesy eee! :lol:
22. kitjo ( 03/08/2004 08:14)
fatsoraly>> ka ny fianarana nataonao t@ 3taona zava-nisy t@ 5 taona lasa..hahhahahha

Ny fiaraha-monina efa hafa mihitsy!
Ny zava-misy miova foana...azo??????

Tsy projet ho an' i M/kara koa ilay izy fa ana orinasa vahiny k!
Ary aza maika ny hanakiana fa fatako ianao fa mahay fa vakio aloha ilay soratana e

:)
23. kitjo ( 03/08/2004 08:18)
tena tsy mahazo resaka mihitsy ity fatsoraly ity.
Sao d mbola sahirana aza ianao tsy manam-potoana idirana forum ka tsy mahavaky tsara ilay resaka fa maika hamaly fts??

Tsy ny resaka fisokajiana fako no lazaiko eto. Efa misy izany na aiza na aiza. Anjaran' ny fanjakana izany ary misy fisokajiana bdb araka io lazainao io. Tsy mpiasan' ny voirie aho dia tsy haiko ahoana ny fomba anaovan zareo azy.

Fa ny laziako oe fanangonana fako manokana mihitsy hanampiana ireo orinasa mpanao recyclage. Ary koa fanentanana ny vahoaka, mampahafantatra ny momba ny recyclage sy ny fako recyclable...fanentanana iznay e....

Fa raha ny fanangonana fako en general sy ny fanasokajiana azy samy manana ny fomba fitondrany azy! Tsy idirako!!!!!!!

Rarahako inona koa moa izy na tara aza fa anah ngah ty?hahahahahha


24. kally ( 03/08/2004 14:59)
Raha ny aty amin'ny misy anay dia toy izao ny fandehan'ny fanangonana fako,misy sôlefanina miloko isan-karazany dia efa misy calendrier famoahana azy ohatra hoe amin'ny alatsinainy manga no avoaka dia efa fantatra ao @ ilay calendrier hoe izao avy no atao anatiny,amin'izao indray maitso na fotsy ets izay manfangaro dia tsy raofin'ny fivondronana ny fakony no sady voasazy.
Avy eo dorana izay azo dorana dia entina hanafanàna ireo atao hoe "logements sociaux"(ho an'ireo izay tsy mahavita mandoa hofan-trano na sahirana ara-pivelomana) ny angovo azo avy aminy.Ny recyclage dia lafo kokoa noho ny manamboatra vaovao ka izay no andorany izay azo dorana nefa mba tsy ho very sy handoto tontolo iainana dia avadika ho angovo ny hafanana azo avy @ ilay fandorana.
25. kally ( 03/08/2004 15:04)
Raha ny eto M/kara dia arak'io voalazan'i fatsoraly io hoe kely loatra ny fakon'ny gasy ka tsy ampy ahodina orinasa lehibe,manjary mahafaty antoka.Ny loza anefa dia ny operculen'i Tiko (ilay boatin' yaourt) dia isan'ny manimba tontolo iainana be no sady tsy azo avadika,ny pack-ndronono tetra pak indray misy karazan-jvt telo @ emballage iray (tartasy,plastique,aluminium) isan'ny manimba be sady sarotra ahodina arak'izany.Ireo rhetra ireo anefa samy afarana avy any ivelany daholo,aiza ny orinasa gasy afaka manamboatra emballages?Antso ho an'izay manambola!
26. fatsoraly ( 03/08/2004 23:15)
kally> kanefa isika mba nanao sonia ilay "Kyoto protocol" ihany fa saingy tsy misy fampiharana azy? Sa "TIKO protocol" iny fa tsy "Kyoto protocol"? hahaha! Raiso an-tanana ny minisiteran'ny tontolo iainana ry Kally ah! ;)
27. fatsoraly ( 03/08/2004 23:18)
Maharaka toetr'andro izany i Kitjo ry zareo a! Sady teknolojia vaovao be vao nivoaka no nataony projet t@ herinandro. Omentsika "Nobel Prize" sy tehaka mafy be izy an! clap clap clap! :lol:

waste sorting = fanasokajiana fako isan-tokatrano efa hatr@ fahagolan-tany
http://www.colby.edu/personal/t/thtieten/swm-germ.html

momba ilay hoe: "ka ny fianarana nataonao t@ 3taona zava-nisy t@ 5 taona lasa"
3 taona no nanaovako ilay fianarana fa tsy hoe t@ 3 taona lasa.
Asa aloha fa anisan'ny sangany @ io taranja io ihany ilay toerana nianarako e. Sanatria tsy misehoseho fa sady anisan'ny 5% voalohany koa i Fatsoraly tao am-pianarana, ary mpampianatra sy mpianatra sangany maneran-tany koa no nampianatra sy niara-nianatra taminy. Hatr@ izao izy dia mbola manoratra "publications" sy manatrika "conferences" momba ny tontolo iainana miaraka @ ireo olona ao @ ilay "research center".

Tsy ireharehako anefa izany sanatria, fa kosa hanomezako Voninahitra an'Andriamanitra.

"Sasa-poana ny mpanao trano raha tsy Jehovah no manampy azy"

Amena
28. kally ( 04/08/2004 16:35)
handray an-tanana ny ministeran'ny tontolo iainana? Indrisy fa tsy nandalina manokana momba ny tontolo iainana aho ka aleo aloha hilamina ,se aôna?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.416