Ireo te hianatra kabary

1. hery ( 20/07/2004 15:47)
Araka ny resaka efa nifanaovana tamin'i Naritsimba dia nanome ahy lesona iray manontolo momba ny fianarana kabary izy hapetraka eto amin'ny serasera.org. Isaorana be dia be i Naritsimba amin'izany. Amin'izao fotoana izao dia mbola eo ampanamboarana ny site misy azy io feno aho. HO an'ireo izay efa liana amin'izany anefa dia azonareo jerena ny lesona.
Raha te hahita ilay lesona momba ny kabary ianareo dia mandraisa anjara ao amin'ilay Forum manokana hoe [Fianarana kabary]

Misaotra betsaka.
Apetraho eto ihany raha misy fanontaniana.
novalian'i Gill ny 21/03/2005 10:05
2. atmos ( 20/07/2004 17:23)
Samy hafa zany ry hery ny lesona sy ny fianarana kabary sa? aiza no ahitana ny lesona?
3. vohitsara ( 20/07/2004 17:28)
sambany vao niditra ka tena mahafinaritra ahy ny tahaka izao indrindra fa ho ahy izay tsy mba mahay mikabary. Andraso aloha hojerena tsara. Misaotra e!
4. hery ( 20/07/2004 18:26)
Ireo namana izay miditra ao amin'ilay forum manokana hoe [Fianarana kabary] ihany no mahita ny lesona. Misy fanazavana fohy momba ny fahazoana ilay lesona ao.

Raha te hiditra ao amin'ilay forum manokana hoe [Fianarana kabary] ianao dia tsindrio etsy amin'ny Lohahevitra - Manokana. Dia tsindrio ilay hoe 'Handray anjara' ao amin'ilay [Fianarana kabary]

Mazotoa
5. nykanto ( 21/07/2004 09:32)
Mahaliana ahy ity resaka ity ary mankahery sy manentana hatrany ny hevitra tena tsara tahaka izao! dia haharitra anie fampianarana aru hazoto ireo mpianatra ary ho afaka hampiasa izany amin'ny sehatra marosamihafa na aty ampita na any an-toerana any dago.
Ny Kanto
6. bichette ( 21/07/2004 12:15)
ekena !
7. kitjo ( 21/07/2004 17:22)
Manohana tanteraka fa za mba nianatra tany Dago fa tapaka e!
Koa raha misy azo anaovana anzany ve tsy zara aza!
Misaotra betsaka dia mankahery ireo hampianatra e,
8. ramoul ( 21/07/2004 20:15)
Voaray ny hafatra hery fa dia misaotra an' i Naritsimba zany isika é! :D
9. Gill ( 21/03/2005 10:05)
Tena liana ary misy manuel ve hanoro lalana sa forum no hifandraisana? Misy zoky olona ve manaraka ny fampianarana sa modernise-na ny kabary.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.016