kristiana sa tsy kristiana

1. dronga ( 16/07/2004 16:48)
izao no zavatra mba anontaniako anareo mety ve raha ohatra kristiana mifankatia amin'ny tsy mpino sa tokony ho mpino foana
novalian'i fijo ny 18/08/2004 21:23
2. ramoul ( 16/07/2004 17:21)
Arakaraky ny fianakaviana ihany io zavatra io.
3. fanja1 ( 17/07/2004 06:24)
Amiko tsy misy hidiran'ny fianakaviana @ izany, rehefa mifankatia izy roa, na kristiana na tsy kristiana ny iray, dia efa safidiny zany.Ny fifankatiavana no zava-dehibe
4. rivorijasoa ( 17/07/2004 06:59)
marina izany dia rehefa mivady izy roa miezaka mifandresy lahatra e!
5. nyna ( 17/07/2004 15:36)
ekena! raha tena convaincu tsara ilay mino ary manana fahalalana ahafahany mizara @ ilay olo-tiany dia inoako fa tsy ho mpino tapany zany ny zanany!
6. ikaretsaka ( 17/07/2004 18:36)
tadidio koa fa tsy nareo 2 irery no mifankatia no "izao tontolo izao" fa ny taranakareo koa mba tsinjovy fa lasa tia tena be izany ianareo raha izany ihany
7. hadasy ( 19/07/2004 05:51)
Nefa ny tenako izao dia mandalo zavatra toy izany mihitsy satria bedin i RARny ilay olon-tiako satria tsy mitovy fotsiny ny antokom-pivavahana misy anay dia nanapan-kevitra izy fa tsy hiaraka intsony izahay . Tsy tena tia ahy ve izy izany ?Ny tena moa vehivavy ka tsy hitako izay hatao .
8. harinisa ( 19/07/2004 12:18)
ny ahiako dia ho samy tsy lasa kristianina ianareo fa hifampitarika amin'ny ratsy.ataovy maherihery aloha ny lohanao vao miditra aminy.
9. ari.malala ( 20/07/2004 12:53)
Ilay resaka mpino sy tsy mpino aloha sarotra be, miteraka conflit fôna io, fa raha mahery loha ianao ka mahay mandresy lahatra azy ho tonga mpino dia tsara. Ilay resaka tsy mitovy antokom-pivavahana ka lasa nisaraka ny niafarany, mbola minono @ RAR ny izy ny dikan'izany. Angaha moa tsy Andriamanitra iray ihany no ivavahana? Amiko resaka finoana tsy tokony handravana ny fiarahana.
10. ari.malala ( 21/07/2004 13:52)
Ka raha ziany rehetra izany no hotsimponina ramaso tsy hisy fiainana ho vanona â!
11. pitchou ( 02/08/2004 18:01)
raha finoana mifandaka dia mety ho ratsy ihany indrindra raha samy vontom-pinoana izy 2! ary vao eny ampiandhana d efa olana be satria: aiza no atao ny mariazy, aiza no hivavaka, inn avy ny zavatra tsy azo oanina ...
12. booboo ( 03/08/2004 06:39)
ié ! sy kou ny ho fifandraisan'ny fianakavian'ny lahy sy ny vavy
13. jhouhlambout ( 03/08/2004 22:38)
mtey dôly e! 8)
14. booboo ( 04/08/2004 06:38)
jhouhl miari-tory lôtra dé tsy hay ny tiany ho soratana :-P
15. yonikafopl ( 04/08/2004 10:21)
marina fa ny fitiavana no zava dehibe nefa mba jereo ihany ny ho avin'ilay fanahinao.
16. rasta ( 12/08/2004 10:31)
Tsisy koaa zany ee. rehefa mifankatia dia milay .
17. tsikiko ( 17/08/2004 12:28)
fa ireto 3 ireto no mitoetra "ny finoana, ny fanantenana ny fitiavana, fa ny fitiavana no lehibe indrindra". jereo ny korintiana voalohany toko 13 manontolo fa miresaka momban'ny fitiavana, ary misy passage hoe na manana finoana mahafindra tendrom-bohitra aza ka tsy misy fitiavana dia tsinotsinona.

ny fitiavana no lehibe indrindra ka tokony ny hananao fitiavana izany aloha no katsahina.

izao koa anefa, voasoratra koa hoe aza mitondra zioga tsy anao, ka ohatra ve hoe silamo ilay olona tinao nefa ianao kristiana dia ahona moa no hapety an'izany ? tsy zioga be manaraky ny arabe ve ? toy izany koa ny mino raha hiaraka @mino, mbola zioga ihany koa izany nefa anjaranao ny miheritreritra ary manontany tsara an'Andriamanitra hoe tena anjaranao marina ve satria "trano sy tany, lova avy @ray fa ny vady hendry lova avy @Jehovah.

mahereza daholo e !
18. fijo ( 17/08/2004 21:29)
za dia tsy mino an andriamanitra nefa ny sipa gasy niaraka tamiko hatramin'izay dia mino daholo.tsy hitako mihintsy anefa izay olana.
19. fijo ( 18/08/2004 21:23)
raha nisy izy nino aho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1772