Fanahiniana sa tsy fahatsiarovan-tena?

1. ari.malala ( 16/07/2004 14:12)
Ezahina @ izao fotoana izao ny mba hampadio ny tanàna, mbola misy ihany ireo mipipi eran'ny vodirindryna sy ny vodihazo, fanahiniana sa tsy fahatsiarovan-tena? Maharikoriko mintsy! Misy koa ireo manisin-delo eny an-dalana ka tsy miraharaha akory na hifiritika any @ hafa aza! Toy izany koa ny roram-paraky, ary ity vao nahazo ahy vao tsy ela loatra izay, nandrora paraky ilay olona dia nifiritika taty amiko daolo ilay izy, niala tsiny ihany alo izy fa na izany aza ilay mandrorarora erak'izao hita rehetra izao mihintsy no tsy lasa fa fahavoretrana tsotra izao izany amiko ê!
2. hendry ( 16/07/2004 15:18)
Ilay toe-tsaina mihitsy no voa e! Ny mahita olona mandrora aza ny ahy leokoleoko ihany fa ilay mipipy an-dalana toa mampitovy ny tenany @ biby amiko satria tsy manana henatra kely akory. Mila ampitomboina ngamba ny wc public?
3. ramoul ( 16/07/2004 17:25)
Ny toerana hipipiazana no tsy misy.
Izany no mahatonga an' ireo olona mipipy etsy sy ero ireo satria izy tsy hody any aminy hipipy fotsiny nefa ra sendra mandeha lavitra izy fa aleony mitady pôtô anaovany ny soulagement-ny.
4. lema ( 16/07/2004 18:19)
ka raha poritra kosa aza atao aiza?
ny fanjakana anie no tokony hiezaka kou fa tsy misy olona faly hi-pipi eny ambodi rindrina e!
ny resaka mandrora ndray tokony ampianarina ny ankizy any ampianarana angamba zany
5. hery ( 16/07/2004 20:59)
Tsy resaka fanjakana sy ny sisa... resaka fahatsiarovantena manokana.

Raha misy mipipi eo amin'ny zaridainanao dia inona no ataonao? Kanefa raha misy mi-pipi eny amin'ny zaridainan'Ambohijatovo dia inona no ataonao?
6. methode ( 16/07/2004 23:46)
Zaho aloha mahita hoe efa misy ezaka fa ireo olona zatra no mbola manao amin'ny vodirindrina na misy wc aza eo akaiky eo e! Tokony ho sahy hifampiteny amim-pahatsorana aloha izay mahita e!! Tena nahafinaritra ahy ny nataon'olona iray teo Antambarinandriana! Nisy lehilahy saika hipipi teo amin'ny sisin-dalana dia hoy izy hoe mba mandehana rangahy atsy amin'ny wc ambadika atsy fa maloto ny tananatsika sy ianao a! Tsy andoavam-bola ao!! Menatra ilay rangahy dia lasa nankany amin'ny wc. Nisaotra an'ilay rangahy daholo ny olona teo!!
7. rivorijasoa ( 17/07/2004 06:50)
Nefa ny tena marina dia misy blem kely ity : ohatra etsy Soarano lery na kala no te-hivalandrano, misy wc public eo akaiky eo nefa tsy maintsy mandoa vola, nefa any am-paosy maina, ny tena poritra, tsy maintsy mitady pôtô na zoron-trano aloha fa aina ity hoy i Rainimanonja. Vitsy de vitsy ny tena marina ny wc public eto amintsika no tsy andoavam-bola sady mifanalavitra be dia izay no blem e!
8. xxx ( 18/07/2004 02:35)
Zavatra roa izany no tokony harenina aloha satria raha poritra ianao tsy afaka hoe andrasana roa ora.
Tokony hampitomboina ny isan'ny WC
Tokony hisy WC ireo toeram-pivarotana rehetra be olona, fa na ao amin'ny CORA aza tsy misy akory raha tsy aty ivelany be aty
Tokony tsy handoavam-bola ireny, satria mba tamby amin'ny fampiasana ireo hetra rehetra angonin'ny fivondronana miampy ireo ticket maro isan-karazany. Raha any US, Japan ianao dia maimaim-poana ireny toeram-pivoahana ireny na amin'ny toeram-pivarotana izany na eny amin'ny fiantsonana, satria valin-ketra ho amin'ny fahadiovan'ny tanana eh.
9. ramoul ( 18/07/2004 15:30)
Ka ra any anaty bus zany no poritra de aôna ry ramaso?
Mety ihany ny heritreritr'ialahy fa mety hanahirana izany ra amin' y vhv satria ny andry zareo ra tsy miainga dôly ny tapany ambany tsy afaka mpipy fa ra ho an' ny lhl de tsy koa mintsy :-P
10. kally ( 19/07/2004 07:11)
Ramoul> Fa maninona no anontanianao hoe raha any anaty bus no poritra dia ahoana, fa na amin'izao fotoana izao aza angaha misy afaka mipipy avy eny anaty bus?Sa hoe poritra be dia maka varavarankely dia avy eny no atsiritika ery ivelany sa hoe ahoana ..?
11. koem ( 19/07/2004 07:19)
Ny tena marina dia ny toe tsina mihitsy no efa voa na asianao toerana fipipizana aza eo dia ilay trano ndray no ipipizan'ny sasany mirefarefa@ tany loatra
12. ari.malala ( 20/07/2004 07:22)
Asa aloha fa tena maharikoriko mihintsy ny mahita olona tsy miraharaha ny manododona azy toy ireny ê! Ankoatr'izay koa ilay manisin- delo erak'izay aleha, tsy miraharaha fahadiovana mihintsy! Rariny ihany raha manisy lalàna ny any ivelany any mba hampadio ny tanàna satria tokoa anie tsy :misy dikany sy tsy misy antony raha hanakarama mpanadio ny ao @ fanjakana nefa hisy handoto ê! tena fanambaniana olona sy mitory fahambanian-tsaina tsortra izao!
13. xxx ( 20/07/2004 14:07)
koem, ari.malala
Moa ve misy te-hangery am-pandriana ary aminareo eh ? Isika zatra mijery ny any ivelany nefa na ao Eraopa aza tsy zakan'ny lakana ny tain'amboa amin'ny toeran'ny mpandeha an-tongotra

Ramoul
Misy bus misy WC fa tandremo an. Na soloina harona plastika ny paosy iray dia alefa moramora ao rehefa poritra.
14. ari.malala ( 21/07/2004 12:59)
Ho anao r'i XXX, voalohany aloha asehoy ny anarana. Manaraka izany, tsy misy resaka te hangery ampandriana mihintsy eo fa ilay hoe maharikoriko ny mivoaka eny an dalam be eny no resahina fa sady masiso no maloto. Sa ianao kosa mahavita hoe ao an-tranonao daolo no ataonao ny rehetra? trano hoy aho fa tsy niteny WC aho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4364