Fiovan'ny forum

1. hery ( 11/07/2004 09:30)
Manomboka miova tsikelikely ny forum eto amin'ny serasera.org amin'izao fotoana izao. Mety mbola tsy tena tonga lafatra fa maika aho :)

Raha misy olana sendra hitanareo dia ilazao eto aho. Ireto avy ny zava-baovao.

- Afaka manokatra lohahevitra ho azy ny namana tsirairay. Tsy misokatra anefa io lohahevitra io raha tsy misy mpikambana 5 farafahakeliny. Rehefa manokatra lohahevitra vaovao ianao dia afaka manasa mpikambana handray anjara amin'ny lohahevitra nosokafanao (ireo no antsoina hoe mpidinika :) ) Raha ohatra ka manaiky ry zareo dia afaka manoratra ao amin'ilay lohahevitra.

- Jereo etsy amin'ny fanoroam-pejy etsy ny hoe Lohahevitra dia ao no misy ny lohahevitra manokana sns...

Mbola eo ampandinihana ny fanatsarana azy aho...
novalian'i ramoul ny 12/07/2004 13:09
2. hery ( 11/07/2004 09:50)
Ok mbola misy olana vitsivitsy izany. Mandeha tsara alou ny forum toa ny mahazatra.
3. kitjo ( 11/07/2004 10:03)
Mmmhhh
mamaly tena ve i Hery sa fanazavana fanampiny??

Tsy azoko tsara fandehan' ilay izy fa ndraso aloha handeha ny resaka angamba .
Manangana vaomiera tsirairay znay ko!hihihihi
4. atmos ( 12/07/2004 02:16)
Olona dimy no ilaina : hihihihi

1 Président (e)
1 Vice président (e)
1 tresorier (e)
1 secretaire (e)
1 conseiller (e)

Ny ahy aloha le tresorier no metimety amiko e, ao no misy drala kou...hihihihi
5. bichette ( 12/07/2004 06:12)
hum ! andraso hidinika kely
6. imailaka ( 12/07/2004 06:42)
virigila kley ry hery a
toa lasa daty androany dôlyy ny daty rehetra @ izay lohahevitra sokafana rehetra !!!!!!
7. hery ( 12/07/2004 07:12)
Ok hitako
-> voatsara.
Misaotra an'imailaka
8. ramoul ( 12/07/2004 13:09)
Eny ary fa ande hitady olona efatra zany zah de miditra ao am' zay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0964