fa de very aiza le kolotsaina gasy eh

1. lohalaharana ( 06/07/2004 14:58)
tsy mba mahatrikaritra ve nareo fa very ny gasy ?????? sivilizasiona tandrefana no abosika ??? lasa any @ HH sy RN'B sy dance hall doly ny gasy tsy hita tsony y tia an-Dramilison fenoarivo
novalian'i xxx ny 18/03/2005 22:26
2. fijo ( 06/07/2004 22:02)
mbola misy mtana mafy io fa aza matahotra.ary ireo mvoamboana any ireo indrindra no tena hiverina sy hanatsara azy ny farany.
3. dotmg ( 08/07/2004 07:02)
Fitiavana kolotsaina malagasy miainga amin' ny tsirairay, tsy amin' ny hira ihany fa hatramin' ny fomba fiteny sy fihaingo.
Ohatra, fiteny : voambolana hoe "daholo" no ampiasaina fa tsy hoe "doly".
Fihaingo : Efa misimisy ihany ankehitriny ny manao malabary rehefa fotoan-dehibe, fa miala @ kositara.
Hira sy mozika : Mila ampanarahina ny gadona malaza vahiny ny hira mivoaka, ohatra izao i Tovo J'hay : Nalaza be ilay hira hoe Teny Mamy, ary mpanakanto malagasy sangany no nanoratra ny tonony, ary manandratra ny teny malagasy. Dia tsy very amiko ny harentsaina malagasy fa mba nindrana ilay gadona vahiny fotsiny izy hivelarany. Raha hira gasy sy vako-drazana ihany ve vao holazaina hoe malagasy, tsy ho ny Solika sisa no mpanakanto azo henoina? Dia tsy ho leo ve ny sofintsika?
Eo amin' ny tonony kosa aloha dia tokony ho voambolana malagasy madio zato isan-jato no ampiasain' ny mpanakanto e! (miala tsiny mamely mafy an' i Mamy Gotso). Saingy aza ny HH sy ny RnB no enjehina voalohany fa mba maro ihany amin' izy ireny no manandratra ny teny malagasy (oh Raboussa, Rapadango, ...), ary raha oharina amin' ireo Gadona hafa dia izy aza no mitazona ny maha-malagasy indrindra.
4. lohalaharana ( 15/07/2004 15:11)
manaja anao dotmg
fisaorana betsaka ho anao , le izy tsy hoe dia ny manenjika ny HH sy ny RNb no ataoko tompoko fa miteny aho hoe:" mba mila asandratra kely ilay kolontsaina gasy fa dia latsaka tanteraka "
Raha ny marina de izao mandehana ise eny analakely lazao ahy hoe firy ny gasy no mba manao ny akanjo fahiny ?
tsy hoe mitsikerra HH za fa atsipy kely aloha fa i NGAH BE SY TAKODAH dia tsara , tsy midika koa io hoe tsy tsara ny ambony
manaja ny mpandalina
5. fijo ( 12/08/2004 21:41)
ny zavatra hitako tany izao dia ny sipa no efa miverina manandratra ny tafy gasy ary dia hita fa mahafinaritra tokoa ilay izy.jereo ny hatsaran'ny akanjo landy hitafian'ny sipa rehefa mianjaika.tena nahafaly ahy io tany.
6. xxx ( 18/03/2005 22:26)
tena marina io lazainao io, efa vitsy zao ny ankizy mahay zavamaneno. tena very mihintsy. @ zavatra rehetra ny gasy manarak'efa be fahantany fotsiny. miha very ny haitao nentimpaharazana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1191