Manakasrena ny Gasy fa mahantra toe-tsaina inona no antony?

1. malalason ( 06/07/2004 10:12)
Ahoana ny fietseham-pontsika eo anatrehan'ny gasy sy ny fitiavany (na ara-bola io na ara-panahy na eo @ lahy sy ny vavy sns)
Fa amiko mampalahelo fa toa tsy tompon'ny tenany isika Malagasy
mila tohiny..............R.JO
novalian'i fijo ny 29/09/2004 20:59
2. nykanto ( 06/07/2004 12:02)
Ny Malagasy aty ampita sa ny any an-toerana no tianao horesahina, sa tsy anakanavaka?

Raha ny fahitako antsika malagasy dia manana olomanga maro tokoa fa saingy izy ireny matetika dia voasembatsemban'ny fitiavan-tenan'ny vitsy an'isa ka tsy afa-manoatra. Tsy dia olona tia vola ny malagasy raha nohalaliniko, efa fitenintsika taloha ny hoe aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana, marina mety efa lany andro izany nefa mbola hita raikitra any ambanivohitra io izay mameno ny 75% ny mponina, ; olon'ny saina angaha isika hoy aho, fa saingy efa miha-rava koa izany ... inona no tavela ankehitriny ? ny fahitako azy dia mitodi-doha amin'ny fakan-tahaka ny toe-tsaina malagasy amin'izao fotoana izao, mety misy maha-tsara azy io raha heverina tsara iazy alain-tahaka fa tsy atao anjambany daholo izay aton'ny tany tandrefana.... be lotra izay fa aleo aloha omekony hafa indray ny toerana.
Ny Kanto.
3. kally ( 06/07/2004 17:49)
Inona aloha no dikan'ilay hoe mahantra toe-tsaina e?
Ary inona ny haren'ny gasy tianao lazaina?
4. wawawa ( 06/07/2004 18:11)
mahantra toetsaina @ ahoana ary?
5. yonikafopl ( 06/07/2004 22:15)
Marina io voalazan\'i nykanto io, nefa amiko koa aloha raha toa hijanona @ ilay hoe gasy ihany fa tsy handray izay fivoarana misy dia eo isika no raisina e!
Ilaina ny hala tahaka nefa ny an\'ny tena izay tsara tsy hariana.

Raha ilay hoe mahantra toe-tsaina indray, toa hafahafa izany , izaho aloha manana ny toe-tsaiko izay maha malagasy ahy e! ary hireharehako izany, tsy mahantra izany aho
6. fijo ( 06/07/2004 22:16)
tsy dia mazava marina ka.
7. wawawa ( 06/07/2004 22:27)
Ka inona marina ny dikan'ilay hoe mahantra toe-tsaina. Sao isika gasy dia diso manankarena toe-tsaina fa tsy mahantra toe-tsaina? Asa?
8. xxx ( 07/07/2004 09:47)
manan-karena toe-tsaina zany ny gasy fa mahantra @ ny fampiharana an'izany toe-tsain'ny izany.
Ohatra:hoy ny gasy hoe "aleo very tsikalakam-bola toy izay very tsikalakalam-piavanana"nefa avy eohentiny hamafin'ny fiainana,tsy mamerina ny vola nindramina...
9. fijo ( 08/07/2004 00:09)
ah izay indray dia tena afera hafa satria ny fotoana namoronana io teny io sy ny izao tena samy hafa.eto dia halemen staina no izy fa tsy fahatran tsaina.
10. bichette ( 08/07/2004 09:57)
raha ny hevitro, isika gasy dia tsy optimiste loatra, kamo koa, tsy manana tanjona mazava ihany koa matetika (ny sasany an !) mety manana fa tsy mahatazona izany hatramin'ny farany. Be ambo koa ny sasany hoe tsy te hahalala sy hakantahaka ny filamatry ny sasany, ny firenena mandroso sasany fa hoe lasa manambany tena hono sns.

Miala tsiny indrindra raha nanafitohina anareo ny teniko fa izay no fahitako ny toe-tsaintsika malagasy. Tsy ny rehetra akory an ! mahantra toe-tsaina ....

nefa anie isika tena manana ny rehetra e ! manankarena, manankarena toe-tsaina, manana harena anbibon'ny tany. Saingy kamo
11. bichette ( 08/07/2004 09:58)
on a de quoi en etre fier sur toute la ligne
12. xxx ( 08/07/2004 10:31)
ny toe-tsaina angaha tsy harena?
13. kally ( 08/07/2004 17:59)
misy ny gasy kamo fa tsy ny gasy rehetra no kamo ka noho izany tsy mety kosa ny maano bambaray ny rehetra hoe kamo.Ary aiza ho aiza ohatra no ilazan'i Bichette fa kamo ny gasy?Toa mifofotra miasa dholo ny ankamaroan'ny gasy fa ankavitsiana no mitanin'andro sy manoko resaka .
Ny lesoka angaha dia hoe vitsy ny olona mahavatra mijery ny antsipirian-javatra.
14. wawawa ( 08/07/2004 18:05)
Be sentiments be ny gasy
15. nyna ( 12/07/2004 15:28)
ny toe-tsain'ny gasy dia avy @ culture nivelaran'ny sainy nandritra ny fiainany! eo @ culture malgache no mahatonga antsika matetika sembana kely, hazavaiko:

- be fandeferana ny gasy / nefa ny firenena sasany dia tsy manaiky hitsahan'ny hafa zany mihitsy na hisy faty olona aza eo!

- tia mijery ny hafa, tia namana, tia havana, .../ ka raha oharina @ culture sasany hoe chacun pour soi ohatra dia efa taraiky eo ....
16. booboo ( 13/07/2004 18:04)
zà indray mahatsapa fa manankarena ny gasy ary tsy mahantra toe-tsaina velively. Misy tsy mahay mampiasa ireo atouts ireo @ tena izy fotsiny, na tsy mahafantatra an'ireo raha ireo mihitsy, na minia mandika tsotra zao.
17. crrlanto ( 25/09/2004 20:35)
kamo hoy ny sasany, toetsaina ange zany e
18. booboo ( 26/09/2004 10:40)
ié !
19. fijo ( 29/09/2004 20:59)
raha ny hitako tany farany teo dia miasa izao ny gasy,saingy ny vidin\'ilay asa no tsy eo amin\'ny tokony ho izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2791