ny tokony/tsy tokony atao 2

1. kitjo ( 02/07/2004 10:30)
-tsy tokony hiandry fanampiana foana.......

- tsy tokony hizatra hionona oe "mahay miafy" foana.....tsy ratsy akory ny miafy kanefa kosa tokony mitady ny tsaratsara kokoa hatrany......

resaka daholobe ho an'ny firenena no tiako ambara @ reo!
novalian'i booboo ny 13/07/2004 18:15
2. booboo ( 02/07/2004 13:43)
-sahy miteny raha positifs fa tsy ilay oe " ho aiza moa zahay kely mahantra e ! " " inona moa zay zahay e ! " ! ekeko oe ilaina tokoa ny fanentretena na izany aza toa lasa excuses fahatany ilay izy ary tsy hahavitana n'inona n'inona ny farany
3. hendry ( 02/07/2004 17:55)
tokony sahy misedra olana.

4. kitjo ( 03/07/2004 03:32)
booboo> tena marina mihitsy io!
5. pitchou ( 03/07/2004 04:23)
miombon-kevitra @ booboo zà! ny an'ireo mpilaza hoe "zahay madinika" sy sns ange tsy hoe fanetre-tena fa fiala-pà @ andraikitra e!
ny fanampiana omen'ny firenena hafa manko mitaky sarany lafo noho izay omeny!
- tsy tokony raha vao misy manam-pahefana na vahiny mandalo dia ny mangataka vola sy fanampiana no atao fa mampiseho hoe ireto no vitanay t@ herinay!
6. kitjo ( 03/07/2004 04:35)
Tokony antsoina ny vahiny hampiasa vola fa ny gasy no tokony mitantana sy manara-maso ny raharaha rht
Tanintsika io ko! Sady tsika ange ilainy e, aiza izy no ahita main d oeuvre oh ao? Tany malalaka...?
7. kally ( 03/07/2004 07:22)
Adinon'i Kitjo fa ny frantsay mibahana be tsy avelany misy mpifaninana miditra mihitsy eto M/car.Mimenomenona ny ankamaroan'ireo mpampiasa vola fa raha vao efa sehatry ny frantsay no tiany hatao dia tsy tafavoaka mihitsy ny taratasy sy ny ets noho ny kolikoly sy ny fanerena an-kolaka ataon'ny frantsay eto an-toerana.


8. kitjo ( 03/07/2004 07:25)
Io nddra le mahasosotsa anah io ry Kally an
Ho hitany eo zany fa efa tamy aby zao ny tany miteny anglisy .....
Ho avy tsy ho ela ny singaporianina fa kouklou kitjo hi-deal!
9. kally ( 03/07/2004 08:51)
ka efa hoe izany lazaiko izany fa Kitjo ve ahoana e!nimenomenona be mihitsy zareo-tsy frantsay-.
Ary iza koa angaha izany ramatoa mpanome zom-pirenena ,vao sinoa (mpivarotr'entana)iray volana tsy mahay miteny gasy akory dia mahazo zom-pirenena gasy.Io kolikoly io ho'a.
10. kitjo ( 04/07/2004 08:16)
oadray lety e!
ZAny v tsy raisim- potsiny? Sao d afaka mamoaka zany xxxx zany ny admin ato?hiihihihih

kally> olana b tkou io aloha e, misy orinasa zay hovidian orinasa aty SInga ary maro be ny projet zareo aty ho ao Dago.
Ny mahakamo d ny governementa gasy no mangataka fiarahamiasa @zareo. Nony naka ny info rht avy aty. 3voolana lasa izahay nandefa dossiers tany, omaly vao nahazo valiny. @ zay valiny tsy mazava akory sady @teny frantsay. D tsy mba hisy olona mahay teny anglisy ve ao @ governementa?
Tsy haiko fa oh oe manao kilalao zany zareo manao azy. Na koa misy olona misompatra tsotra izao.

Mahamenatra be ilay izy satria mangataka info ao @ ambasady Afrika atsimo maraina, hariva dia azo miaraka ary feno tanteraka.
Volaohany aloha ny consulat gasy aty kely maso aby. Vao misy olona ao d tsy mijaona maneno ny telephone satria kay zareo tsy mahalala ze gauche sy droite momba an Dago.
D marina io nolazain Kally io fa talohan 26 teo dia efa tahaka ny nanapakevitra iany ny consulat teto ny hanidy varavarana @ endriny indirect. D nazavaina taminy teo n olana ary namorona mihitsy aza moa mba ni-defendre le fanjakana gasy.
D asa indray izay ho tohiny eo fa tena any @ tampotampony no nalefa ny taratasy ka raha toa ka tsy miova d ny any mitsy ngamba no tsy mamely!

Misy raha tsy mazava mitsy @ resaka communication ao @ fanjakana malagasy ao.
11. kally ( 05/07/2004 15:45)
Izao anie e!ny governemanta sy ny minisitra no niova fa ny ministera nitoetra,dia ny fomba ratsy sy ny tsy fivakiaan loha fanao fahizay ihany no atao.Mandreraka!!!
12. fijo ( 06/07/2004 22:51)
marina ary tena ilaina mihintsy ny hanatanteraha ilay he ny vahiny mampiasa vola fa isika no mitantana azy.
13. kally ( 07/07/2004 10:20)
Fa rehefa manakana ny tsy hampiasan'ny vahiny ny volany eto moa ny ministera inona no ataonao?Izany anie izao ny olana mitranga e!
14. booboo ( 13/07/2004 18:15)
-tokony ho sahy handray andraikitra.
-mampivelatra ihany koa ilay aorian'ny fitanisana ny raha tsy mety ny mba mitanisa ihany koa ny raha hita fa mety. Hitanareo ny oul sasany tsy misy afa-tsy ny raha tsy mety mihitsy ny mivôka ny vavany dé mimenomenona sy mitaraina lava fôôôôôôôôôôôôôna !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5512