nanomboana nanoratra...

1. bichette ( 30/06/2004 15:42)
Misy fanontaniana kely mba tiako hapetraka an'ireo mpanoratra rehetra eto. Mba liana te hahafantatra aho ny vanim-potoana nanoratanareo voalohany, ny antony, ny nanery anareo handray penina sy hamoaka ny ao am-po ary koa ny "thème" . moa ve fanomezam-pahasoavana sa nisy fianarana mifandraika amin'izany ???

Ny amiko manokana dia izao : 15 aho no nanomboka nanoratra tononkalo voalohany ary resaka fitiavana. Nomeko ny namako niara nianatra tamiko mba hatolony ilay malalany. Tsy misy idiran'ny fianarana nataoko na koa hoe talenta ary tsy "pro" ny tenako fa rehefa sendra tonga ny aingam-panahy sy rehefa te haneho ny ao am-po dia manoratra na manao tononkalo. ohatra hoe fetin'ny reny, sns.

Dia misaotra anareo mialoha


novalian'i ramaso ny 22/12/2004 01:10
2. bichette ( 30/06/2004 15:48)
mba fifanankalozana e !!!!! hi hi hi !!!
3. oully ( 30/06/2004 16:00)
Zà tsy dia mahay manoratra ka tsy hitako izay hotantaraina hoe nanomboka taiza sy taiza? hihihi
Fa ilay mamaky no tena hankafiziko mihitsy!
Nisy sangan'asa nataon'i Bichette nasehony ahy manokana fa tena any anaty ràny mihitsy ilay mamoaka vetso. Indrindra ny fahiny :)
4. mcfy ( 30/06/2004 23:27)
bichette> mba omeo sopapa @ zany talentanao izany ary izahay e! MaKaFy mamaky ko mantsy ny aty
5. ikaretsaka ( 01/07/2004 04:10)
nyahy ny feoany aloha no nosoratako aloha.. dia avy eo arakaraka tsy tadidiko akory fa dia nasisiko tonony tany de nety
6. bichette ( 01/07/2004 06:14)
Sao dia trop loatra izany tenenin'i oully izany ????, injy an !

mcfy> tsy manana talenta kanjo fa manaonao fotsiny e !
7. nikopol ( 01/07/2004 08:29)
Ny ahy tamin'izao 6 taona no nanomboka nanoratra tonokalo voalohany dia nomeko an'i mamanay ilay izy. Dia hatramin'izay isaky ny miova vady dadanay dia omeko tonokalo foana ilay madama.
Bichette mba handefaso santionany izahay namana, indrindra fa ireo mankafy frezy.
8. fijo ( 01/07/2004 23:27)
sambatra dadan'i nikopol le.
9. booboo ( 02/07/2004 06:09)
satria mahay tononkalo ny zanany ve ? :)
10. bichette ( 02/07/2004 06:56)
nikopol>
voankazo tsara tokoa ny frezy
mahate ho tia no mahate hijery ....

ramaso> tononkalo, tantara, article sns....

jereo ao ny sangan'asa.... tandremo fa tsy talenta hoy aho ny ahy an !!!
11. nikopol ( 02/07/2004 08:38)
Bichette, hay ianao ity tena mpanoratra sentimentika be mihintsy (cf sanganasa :tononkalo).

Tahaka anao io mihintsy za taloha, nino an'ilay Fitiavana Tokana Maharitra Mandrakizay, fa hatramin'izay nahalalako ny tsiron'ny Frezy zay, dia mianika tamboho mangalamboankazo ao amin'ny sahan'i Edena no fialamboliko.

Bichette, tiako be ny gilasy à la frezy!!!
12. bichette ( 02/07/2004 14:13)
hi nikopol> hi ! hi ! hi ! aiza dia hoe tena mpanoratra sentimentika kosa e ! hi ! hi ! hi ! .... ary tena tianao mihitsy ilay frezy, ny ahy milk shake à la frezy no tena ankafiziko dia bisous a la frezy koa hi ! hi ! hi ! hi ! lol

Enga anie mba tsy hoe hatramin'izay nanoratako ilay frezy ka nanandramanao izany no nahatonga anao lasa nangalangalatra voankazo eny amin'ny sahan'i Edena ka lasa vao maika tsy mino ilay tena fitiavana.

bichette
13. nikopol ( 02/07/2004 14:37)
Bichette, raha vao resaka frezy dia vita tanteraka za, tsy mahatan-damba...sady tsy mahalala fomba fa miady ankanina.

"Aza mitondra an'ahy any amin'ny fankam-panahy..."

Sorbet à la frezy mantsy no tena tiako fa tsyilay gilasy.

14. bichette ( 05/07/2004 06:30)
nikopol> hi hi hi ianao an !
15. methode ( 07/07/2004 00:22)
O ry zareo a! Mba andefaso frezy aty fa tsy misy! Maina ny tany!! Za aloha bichette tsy mahafantatra hoe mpanoratra sa tsy mpanoratra a! Mpanoratra taratasy aloha de mazava fa izy aho!! Fa ny akoatran'izay mbola fanontaniana ho valiana mandrapa...........!
16. bichette ( 07/07/2004 07:24)
i Methode aloha dia tena mpanoratra taratasy be mihitsy angamba ! hitako ilay tononkalo lava ba ny momba ny 26 jona. Ay ka tena mavita manao tononkalo be ianao ity ???

Ny frezy dia inty :

Iny misy frezy mena no tena mamy ho anao
ho an'ireo namana tonga eto izao
hitondra soa sy sokay ho an'ny tenanao
avy amin'ni bichette ilay tena namanao

oups ! ratsy be ilay tononkalo
dia ilay namana ato serasera
17. bichette ( 07/07/2004 07:25)
azafady, tsy ny namana ato serasera no ratsy an ! fa ilay tononkalo fa ho an'ny namana ato serasera ny tononkalo
18. randjy ( 07/07/2004 11:23)
bichette a! raha lehilahy ianao dia manaraka anao daholo ny andriambavilanitra rehetra nefa enao vevavy dia lasa za ndray no te anaraka anao
Na dia tsy hitako aza enao
Fa ny rindran-teninao @ seraseratsika
Dia toa nambabo sahady ity foko te ho tia

Asa rahoviana lahy
No mba ahitako anao
Hivetsoko inday ho anao
Amboaran-tononkalo vao
19. bichette ( 07/07/2004 13:18)
randjy >

dia gaga aho amin'izato resakao
randjy fa dia misaotra anao
dia frezy be eo amin'ny takolakao
avy aminn'i bichette namanao


20. methode ( 07/07/2004 21:36)
Hihihihi, Mpivarotra frezy ngah bichette!! Za aloha tsy mividy fa mihinana fotsiny e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3509