iza marina i marie madeleine?

1. fijo ( 29/06/2004 23:02)
vao avy namaky boky aho,manao fanadihadiana ny tablao be nataon'ni L de vinci ao milan.io tabilao io dia mirakitra ny fiarahan'i jesosy niara nisakafo farany tamin'ireo mpianany.
mifono ny momba ny tantaran'ny "graal" io tabilao io.izany hoe ilay calisy nizarana ny dovay izay lazainy fa ra any.
rehefa nandinika io tabilao io ny manampahaizana maro dia nivaky fa ilay olona eo ankavananany dia tsy i piera fa i marie madeleine(magdalena).
maro no efa nilaza fa io dia sipany na vadiny "efa misy ilay film malaza be iny momba an'io.ary misy resaka maro momba azy sy rajesosy koa ao anaty baiboly.
saingy voalaza ao anaty baiboly fa mpivarotena izy.
kay araka ny tantara dia ny kato no namorona io resaka mpivarotena io,satria vehivavy niinfluencer be an'i jesosy izy ka natahoran'ny kato hanimba ny finoan'ny mpino.ary amin'ny tantaran'ny silamo dia i khaadidja no mitovy toerana aminy amin'nytantara.
ka iza marina ary io vehivavy io?
novalian'i fijo ny 01/07/2004 22:55
2. nykanto ( 30/06/2004 08:30)
1-Ny Baiboly dia nadika avy tamin'ny teny grika sy hebreo, ary avy tamin'ny fahitana ireo horonan-taratasy ela izany ... 2-ny boky vakiana matetika tsy voatery hilaza ny tena marina, koa tandremo ry fijo ... fa saino sy hadihadio foana izay miroso eo ambany masonao ...
3-fa izaho mino fa raha ny kato ihany no nikasa hanova izany tantara izany dia tsy ho nanaiky izany velively ireo teolojiana maro ... mbola ao ny protestant sy ireo antokom-pivavahana kritianina hafa koa.
4-L de Vinci mpanao hoso-doko taoana maro aty aoriana, mety nentin'ny aigam-panahiny ihany fa tsy nifototra tanteraka amin'ny raiki-tsoratra voalazan'ny baiboly, na koa ireo mpandinika no diso hevitra
5- aza tonga dia mora sondriana amin'ny boky rehetra fa halalino foana.
3. tolotra ( 30/06/2004 11:52)
i marie madeleine letsy ra fijo de sipa avy any nazareta an , ary tany koa no nisy ilay dimbaka namadika ny rano lasa pi , tsy haiko alo e
4. bichette ( 30/06/2004 14:50)
inona ity lazainao ry tolotra ?
5. bichette ( 30/06/2004 14:51)
ilay pi ve divay no dikany ???
6. pam ( 30/06/2004 16:56)
marina ny an'iTOLOTRA ary tsy ampiana no tsy analana; fa ny tantarany ndray de samy manana ny filazana ny mpandinika izany
7. tolotra ( 30/06/2004 18:29)
azon i bichette tsara kay ilay izy ,fa rehefa makatry de pi daholo no anarany ny hoe inona ity lazaiko milaza ny marina ko! ,sady tsy io sipa io ve ilay nahazo famotsorana e , i marie madeleine izany izao no sipa favo indrindra izany hatraminizao
8. kally ( 30/06/2004 18:53)
Marie Madeleine no vehivavy nanavao ny vehivavy taorian'i Eva.Fa nahoana ary o?
9. fijo ( 30/06/2004 22:59)
io voalazan'i kally io indrindra ilay resaka.
nykanto.tsy boky roman akory no nahitako an'io ,ary tsy avy dia nino koa aho,fa boky nahitana hevitry ny mpandinika maro ary misy theologianina koa namoaka ny heviny tao.tadidio fa ny protestanta anie ka kato taloha e.ary ilay fanovana ny tantara dia efa tamin'izany andro izany.
ny tena natahorana mantsy dia hoe io sipa io izany no tena atidohan'i lery,ka aleo haratsiana.
10. kally ( 01/07/2004 08:46)
Fa tsy atidohany izany io ry Fijo a!izy aloha mpivaro-tena,ary misy mpaminany hafa koa nanambady mpivaro-tena ao @ baiboly ao.Misy antony daholo ireny.Ary asa raha tsikaritrareo fa matetika mifanena amin'ny mpivaro-tena sy manavotra azy ireny jesosy.Ny olona ankehitriny mantsy mihevitra toy ny fariseo fa rehefa tsy mpivavaka sy mpanota dia mendrika ny helohina sy ahilika lavitry ny fiaraha-monina.Ho lava be raha ho tohizako fa andraso ampidirina tsikelikely.Ny tiako marihina,tsy fanaratsiana ny fifaindraisan'i Jesosy t@ mpivaro-tena.
11. fijo ( 01/07/2004 22:55)
kally.le resaka hoe mpivarotena izy dia ny baiboly no milaza izay.fa ny mpandinika sy mpahay tantara na theologianina dia nahalala fa olona mpanambola io vehivavy io,ary izy no mpamatsy vola an'i rajesosy.rehefa tonga ao amin'ilay tanana i jesosy dia ao aminy foana no mivantana.
ka tsy tian'ny kato izay resaka izay dia novany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2059