hetraketraka tamin ny 26 jiona 2004

1. ravatorano ( 28/06/2004 10:40)
Ho antsika rhtr dia maro no naheno tsara ireny hetraketraka niseho tany Mahajanga sy Toliary ireny.
Fetim pirenena malagasy izay fankalazana ny faha 44 taonan ny fahaleovantena no nohararaotin ny olona sasany nanaovana asa fampihorohorohana satria sambany tamin ny tantran i Madagasikara no nisy an izany teo.
Tany Toliara aloha dia nisy anakiray no maty ary enina amby telopolo naratra ka ny efatra voa mafy tamin izany.Nisy olona mahasaky nanipy grenady tamin ny lanonanana natao ankalazana ny fetin ny 26 juin tany ary dia niantefa tamin ny vahoaka nijety defilé moa izany.Grenady no mipoaka mazava ho azy fa dia mikararanaa ny rà latsaka tsy fidiny.
Eo anatrehan izany dia lasa ihany ny saina aman eritreritra hoe dia hisy tokoa eto amintsika v sanatria ny toejavatra fahita any ampita any ka ho lasa tany misy terrorista eto amintsika , izay samy isika iany no hifampitoraka grenady mahery vaika eto.
Hisy ben laden kely v zzany eto amintsika atsy ho atsy.Raha tsy voavaha ny olana ara tsosialy eyo , ny olana ara piaraha monina dia ho sahirana ihany ny fanjakana.
Mahari pery ny malagasy ary tena mahay miafy tokoa araky ny voalazain i joda fa zao kosa ehefa mitraotra izy dia manahirana tokoa ny mitazona azy.Ka dieny mbola tsy tonga amin i zany dia tsara raha ataon ny fanjakana vain dohan draharaha momba ny lafiny ekonomika sy sosislay etyo amintsika mba tsy hitaran ny hevitra bontolo sy mivily lalana.
Izao matsy nisy fanendahana teny amin ny 67 Ha teny ary dia nilaza moa izany ireo olona nanendaka fa vokatry ny hanoana dry zareo no ananovanay izany.Fanairana iny na dia atao hoe tsy dia mety loatra aza satria tsy voatery hangalatra ny tena vao hahita hanina ho hanina.
Ho an ilay niharam boina maty tany toliara dia miara miondrika amimpanajana sy miara miory amin ny fianakaviana ny namana eto amin ny serasera ary koa mirary fahsalamana haigana ho an ireo izay naratra.

2. fijo ( 28/06/2004 20:37)
tratran'ny fety aby e,
hita sy re tamin'ny gazety tokoa iny resaka nampalahelo tany toliara sy fianara ary mahajanga iny.ilay resaka sosialy eo ihany fa ireo nanao an'iny na holasa toa an'ny us aza mada rehefa tsy ry zalahy no eo dia hanakorontana foana ireo.
3. jhouhlambout ( 29/06/2004 13:39)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2613