Ny adalana!
1. fetra
(
27/06/2004 17:35)
Adalana ve ny milaza olona fa adala sa adalana ve no hiheveran'ny adala ho hendry ny tenany????
Valio de m'saotra
Valio de m'saotra
novalian'i booboo ny 03/07/2004 18:56
7. sariaka91
(
30/06/2004 15:54)
Fomba fitenenana tsy ombampiheverana no mahatonga ny fahazarandratsy hanondroana ny olona hoe adala.
Ohatra : mitsindroka amin'ny tany ny zazakely dia hoy ny olona, fa maninona ianao ny mitsindroka ? Adala ve ianao e ? Avelao iny.
Inona no fantatry ny zaza tsy manatsiny amin'izany. Rehefa lehibebe izy vao mahatsapa fa tsy mety ny nataony, fa tsy ny hadalany.
Ohatra hafa koa. Raha vao tsy mitovy hevitra aminao ilay olona dia avy hatrany ilay fitenenana hoe : tena adala ity, miteniteny foana. Nefa dia ny tsy fitoviankevitra fotsiny no tena antonjavatra eto.
Ireo olona tsy mahay mandefitra ireo fa mihevitra ireo tsy mitovy hevitra aminy ho adala no angamba ataoko fa tena adala.
Misy indray ireo sokajin'olona marary saina ka atao hoe "adala". Raha ny marimarina kokoa angamba dia ny fihevitrizy ireo mihitsy no misongadina diso tafahoatra ka isika indray no tsy maharaka ny fandaharandresakiz'ireo. Noho ny tsy fahatsapantsika azy ireo no hilazana azy hoe adala. Moramora kokoa ho an'ny be sy ny maro ny manidy azy ireny any amin'ny tranon'ny adala.

9. fetra
(
03/07/2004 17:11)
Misaotra betsaka ho anareo namaly hita tokoa fa salama saina avokoa isika matoa afaka mifanakalo hevitra.
Tsindriko manokana eto ny valitenin'i booboo. Fantatrao tsara angamba fa samy manana ny filôzôfiany ny rehetra.

10. booboo
(
03/07/2004 18:56)
eny tompoko fantatro tsara mihitsy ! dé tsindriako manokana eto kou fa tsy " tsy resak'adala " no nosoratako fa " tsy resaka adala "