aide matlab (intlab)

1. maintsokely ( 25/06/2004 08:31)
Sao dia mba efa nisy nanao programmation tamin'ny toolbox INTLAB (analyse par interval) ny ato amin'ny namana?
Tena mba mitady fanampiana aho.
novalian'i zarime ny 26/11/2004 23:46
2. nykanto ( 25/06/2004 09:51)
azavao vetivety hoe inona ilay olana sao misy azoko anampiana anao...efa mba nahita tandrifiny kely tamin'io aho taloha mantsy ...;
3. ramoul ( 25/06/2004 20:46)
mbola tsy nanao an' io zavatra io mintsy zah ry maintsokely fa tena miala tsiny à!
Fa ra mahita akama zah manao an' io zavatra io dia teneniko ihany ise.OK!?
4. atmos ( 02/07/2004 14:22)
Za alou efa nanao projet t@ matlab ver 5.3, fa tsy haiko hoe afaka mamaly ny fanontanianao ve za, alefaso aloha ny olana d hitako eo raha voavaly e
5. tenio ( 06/07/2004 16:57)
Mety afaka hanampy anao za fa alefaso aty ny olana dia iarahana mamaha.
6. zokinananie ( 08/07/2004 13:37)
izaho koa efa nanao an'io. Fa inona mazava ny olanao?
izaho efa nanao cours na analyse par intervalle sy resolution de système d'equation par methode d'analyse par intervalle.
7. atmos ( 14/07/2004 16:54)
ny olona tô te-hanampy daholo fa i maints0kely ndray no tô tsy hita
8. mcfy ( 20/07/2004 22:33)
efa lany tanteraka fa niaraka t@ mofo gasy sy ramanonaka ko :lol:
9. maintsokely ( 21/07/2004 10:01)
:D :D Eto ihany aho ry zalahy a! Indro alefako ny olana
1 - Ahoana ny fomba fikajiana Hessien na fonction iray amin'ny differentiation automatique ao amin'ny Intlab. Te hanao programme na optimisation optimisation globale aho dia mila test de non convexité ilay izy.
Sao mba efa nisy nahavita ilay programa dia mba angalako tahaka?
2-Mikasika ny resolution de système d' equation non lineaire. Rehefa tafiditra ao anatin'ny matrice d'intervalle jacobien ny zero dia tsy mety mandeha ny itération gauss seidel Inona no ataonareo rehefa sendra io cas io?

10. rniaina ( 30/07/2004 00:10)
tsisy namaly tsony ramaitsokely 1volana vo nipotsa ny olana :P
11. zamahery ( 07/09/2004 03:50)
Arakaraka ny version MATLAB io kanh, izaho aloha dia mampiasa MATLAB 7.0 izay nivoaka farany ary efa misy programme vita ny amin'io, ary misy ohatra maro ihany koa ao mikasika io lazainao io. Efa misy fonction ihany koa aza dia alaina fotsiny dia parametré-na avy hatrany.

Raha io point faharoa io dia afaka manao changement de lignes ou colonnes ianao hialan'ny 0 eo amin'ilay pivot.

Afaka mijery mivantana ao amin'ny site ihany koa ianao www.mathworks.com dia jereo ao anatin'ireo help fa misy fanazavana ao.

Tsy misy fisaorana ary ô !
12. maintsokely ( 09/09/2004 09:19)
Ho an'i zamahery
Misaotra amin'ny fanampiana. Hono ho aho sao dia mba afaka omenao copie an'ilay logiciel Matlab 7 aho. Fantatrao ihany ny fasahiranana mitady logiciel
13. zamahery ( 07/10/2004 01:41)
:D :D
14. maintsokely ( 07/10/2004 06:49)
zamahery> misaotra amin\'ilay tsikitsiky e!
15. zarime ( 26/11/2004 23:46)
tena izaho koa izao ry zalahy vao tafiditra ao @ tontolon\'ny matlab sy sas ka tena sahirana aho manao modélisation sy simulation .Raha ny théorie aloha dia mandeha ihany fa ireo zavatra marobe ao anatin\'ny language no mbola tsy voafehiko, ary maro no zavatra adinoko momba ny méthode numérique rehetra satria izao aho vao niverina nanao analyse numérique indray, nga tsy loza e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2505