basket

1. fijo ( 24/06/2004 23:48)
za manokana dia tia manaraka io lalao io fa tsy mahay.koa izay hafaka manome dia mba lazao avy ny toerana misy rehefa milalao ary inona no tokony hatao ao amin'io toerana io.
olona manao ahoana no tsara isaky ny toerana?
2. ange ( 25/06/2004 00:01)
anisan'ny sport tiako indrindra eto ambonin'ny tany io.
3. ramorafr ( 26/06/2004 08:32)
4. ikaretsaka ( 27/06/2004 03:26)
Bon raha Atraoko systeme an'ny aty aloha.
Misy ny Arriere poste: io ilay Point Guard, io nny mpamorona ny lalao amin'ny fizarana ny baolina sy mametraka ny moves rehetra.. Anisan'ireny ireny fohifohy mahay mi passe be ireny.. Ry Jason Kidd Sy ry marBury Sy ry mparker no Point guard

Shooting Guard: Arriere koa io ary manampy ny Point guard. marihana manokana amin'nyFahaizany mitifitra sy mamakivaky.. RY Sprewell . Jordan, Kobe...

Small Forward> Ireo lavalava mahihy ary Mahay mitifitra koa ary somary Athletique kokoa.. tsy manana ny fahaizan'ny guards mitazona sy mizara baolina fa kosa mahay ilay mihazakazaka be mamaky defense mitady baolina ireny dia mitifitra.. ry pippen no specialiste @ io

POwer Forward> IO no Bulldozer mafy toto indrindra an'ny ekipa.. IO ny defense ary ilay mahery setra indrindra eo ambony terrain .. ilay mpisotisoty mpi dunk be ireny ary ilay mahatana Center rehefa tena raikitra... RY Rasheed wallace.. Vin Baker t@ fotoanandrony, ry Rodman.. Barkley.. Brad Miller RY zalahy "Bad Boys" no ao.
Dia ny center mo ailay lava be eo ampovoany... efa hain'ialahy ny asany..Ry yao.. shaq...
5. kitjo ( 27/06/2004 05:57)
misy afaka mandika @ teny faran-tsy-hay ve ilay voambolana teknika ampiasain' ikaretsaka?
Ho an'ny namana sasany manko mety raha teny iray no hifandiso ao dia asaina mihemotra izy lasa nandroso.
Za tsy mahay satria tsy haiko ny fomba filaza azy @ teny frantsay nefa mba ilain'ny namana hono e.
6. fijo ( 28/06/2004 23:39)
tiako ny mahalala ireo toerana ireo satria tia sy manaraka io lalao io foana aho,nefa dia tsy hafaka hitsara ny lalao misy raha tsy mazava toa izay ny fandehany.
mampihomehy kely ny defense izany no dena mpiataky.
7. fijo ( 28/06/2004 23:40)
ary ny foot us ohatra dia misy tetika efa ho 300 tsimaintsy hianarana tsianjery.ny basket koa ve misy io tetika ilaina hay tsianjery io.
8. teboka ( 05/07/2004 20:07)
Ny tena milay amin'ny baskety dia misy ony hoe: système. Rehefa mahay an'io ny ekipa iray dia aplikena fotsiny io dia mivaoka ny jeu d'ékipa. Nefa afaka atao koa ny azahoana ny fandresena grace à un joueur. Izany hoe samy manana andraikitra daholo izany ny tsirairay @ match.
9. teboka ( 05/07/2004 20:08)
Ny tena milay amin'ny baskety dia misy ony hoe: système. Rehefa mahay an'io ny ekipa iray dia aplikena fotsiny io dia mivaoka ny jeu d'ékipa. Nefa afaka atao koa ny azahoana ny fandresena grace à un joueur. Izany hoe samy manana andraikitra daholo izany ny tsirairay @ match.
10. fijo ( 05/07/2004 23:39)
ka le système io ve tsy miova mihintsy?ny olana mantsy raha tsy miova io dia hafaka ahay ny fikan'ny sasany ny mpilalao izay niala taoamina ekipa iray ary hanoro io amin'izay ekipa hidirany.
11. donemaskit ( 21/08/2004 11:52)
tsy miova io ka :
PG
SG
SF
PF
C
12. donemaskit ( 22/08/2004 19:15)
Kitjo a, @ teny anglisy mihitsy no izy satria ny NBA no nametraka an'io. :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2366