fanambadian'ny mitovy seksa.

1. fijo ( 23/06/2004 21:38)
resabe iny nitranga tao begle iny,satria dia nizara roa ny olona sy ny politika.ka ahoana ny hevitry ny namana eto?
novalian'i fijo ny 30/06/2004 20:21
2. unik ( 23/06/2004 21:44)
tsy maintsy mbola hanaiky an io ihany ny fitondram panjakana ao riana fa fombany io !!!!
3. fanja1 ( 24/06/2004 06:28)
Raha ny hevitro manokana aloha an! dia tsy tiako nefa koa za tsy contre satria tokony avela ny olona samy hiaina @ fiainany. Efa tafiditra ao anatin'ny société ry zareo ka dia tokony ho raisina fa tsy enjehina.
4. mimich ( 24/06/2004 09:35)
tsy arako lé resaka , fa raha zà manokana aloha dé mitovy hvtr @ fanja e! tsy mety amiko lé izy fa rehefa mety @ olona dia aleo izy hiaina @ fiainany
5. pitchou ( 24/06/2004 10:51)
te-hampandry eritreritra angaha i fijo? malahelo fotsinyt aho raha enao no manao an'izany saingy raha izay moa no safidinao d atao ahoana fa hajaina e! hihihi
6. ramoul ( 24/06/2004 20:25)
hihihihih vo ndray se fijo an!
Zah aloha tsy manaiky fa ra zay no itan-dry zareo dia atao ahoana fa dia zay é!
7. fijo ( 24/06/2004 22:21)
pitchou ko mananihany tssss.
napetrako izy ity satria aty andafy aloha io resaka io izao,fa tsy ho ela io dia hotonga any mada.ka andrasana eo ambava ve vao hodinihana?
8. hendry ( 25/06/2004 14:50)
Zaho ry reto ohatran´ny tsy voaelingelin´ny olona mitovy seksa nefa mivady ka tsy hitako zay olana.
9. ramoul ( 25/06/2004 20:53)
ny olana dia izao: ra samy vehivavy aloha tsy mampaninona ahy fa ilay lehilahy no tena tsy laitra.
Dia raha hiteraka zany ry zalahy dia ahoana ny ataony? iza amin' ilay lahy anaky roa no atao bevoka?(hihi :-)) )
10. fanja1 ( 27/06/2004 08:43)
Ramoul f'angaha izy ity tsy maintsy hoe ry zareo no hiteraka! fa atao inona ny fananganan-janaka!
11. fijo ( 28/06/2004 22:33)
hafaka mitady olona hitondra vohoka ny zanany koa izy ka.tsy any ny olana fa ilay fanambadiana mihintsy.ilay izy mantsy aty dia lasa resaka fiatsaram belatsia,satria iza no tsy mahalala aty fa miara mipetraka ry zareo.fa nony hoe misy resaka mariage dia lasa fahotana be?
12. sariaka91 ( 30/06/2004 15:58)
Manao Pacs ny mitovy seksa ekena ka maninona no tsy ekena koa izy raha te hifanambady ?
Zon'ny olombelona rehetra ny mifanambady ka tsy tokony ho sakanana.
Olona samy mandoa impôts daholo tsinona, nahoana no tsy omena zo mitovy ny olona rehetra ?
13. fijo ( 30/06/2004 20:21)
marina mihintsy io.ary ny tena mahakamo anie dia izao e.efa hay fa miaramiaina ao izy.izany hoe resaka droit sisa anie no anakanana azy ireo e.dia sanatria ny lalana indray ve no hanakana ny zon'ny olona sasany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6896