Volo mihongotra

1. bealah ( 23/06/2004 10:13)
Inona no tokony hatao mba hampaniry ny volo sy tsy hampiongotra azy ?
répondu par mamapa le 28/05/2013 11:55
2. olly ( 23/06/2004 18:54)
mampaniry volo fa tsy haiko na mamaha ilay olan'ny miongotra an! : nivaquine totoina dia afangaro alcool , de hosorina ny hoza-doha , atao matetika .
3. ramoul ( 23/06/2004 19:57)
olly de tsy mangidy ve zany ary ra mamo am' zany zay ra manadrana de aôna? hihi
Tena marina ve zany fa zah ko mantsy miongotra fôna ny voloko.
4. kally ( 23/06/2004 20:41)
Minoxidil 2 na 4% ahosotra isan'andro ny hodidoha.
5. olly ( 23/06/2004 20:56)
ramoul < lelafo aloha le hoza-doha de henonao raha mangidy na tsia e ihiihihi
za aloha efa nahita olona nanao an'io fa tena naniry be ny volony nefa efa nanomboka nihasola ny tampon-dohany e! fa tsy hitako aloha na mamo izy teo am-panaovana azy koa e ihihihii
6. unik ( 23/06/2004 21:33)
mety ho arakaraky ny toe batan ny tsirairay koa io !!!
7. fijo ( 23/06/2004 23:31)
ramoul>aza mampihomehy letsy fa tsssss,sady mangidy no maha mamo.
8. nala ( 24/06/2004 17:18)
izaho koa ry zareo matahotra be mitsiny fa miongotra be ny voloko. Efa manao ilay kerastase fa ehehe tsy mahomby e?
9. dasy ( 24/06/2004 21:56)
jereo @ pharmacie na paraphar : viviscal, raha eto frantsa ianao dia tél : 0 825 61 5000
10. hendry ( 25/06/2004 15:17)
Rehefa tena tsisy fanafany dia misy solovolo koa eny antsena.
11. bichette ( 29/06/2004 12:39)
Misy ilay fanafody hoe Cystine, mampaniry volo saingy tsy tadidiko na mila ordonnance na tsia. Misy koa ilay shampoing hoe PETROL HANN, misy schampoing dia misy lotion koa dia misy shampoing atao hoe ...... quinina angaha izy izay tsy tadidiko fa nampiasa aho taloha di atsy miongotra intsony no lasa mafy tsara ny volo

Farehitra koa hono tsara, ilay nivaquine hono tsara marina tokoa !


12. sejianis ( 29/06/2004 17:42)
Tsy mila ordonnace ilai fanafody Cystine ary tsy mampaniry volo fa manatevina ny fibre na ny tahom-bolo @ alalan'ny keratine ao anatiny!Aoka hazava tsara!
Fa ity misy fomba tena naturel nefa mahomby : silaho roa ny tongolo oignon dia hosory ny hodi-doha 30 mn alohan'ny hanasanao loha, varo tsara dia ho hitanao, na koa ampangotrahy ny poireau tahony iray ao anaty rano roa litatra dia iny anakobanana ny loha, raha toa ka tantinao ny fofony an! Miankina @ tsi11 io kanefa misy fitenenana hoe mahareta fa hanana ny soa!
Ny loha efa sola sy mangirana aloha dia tsy misy fanafany intsony e! Champignon mamtsy iny mampangirana ny hodo-doha sola iny ary manakona ny mason-koditra dia tsy mitsiry intsony ny volo!Fa ny tena tsara ry zareo dia ny manao izay tsy hampiongotra ny volo toy izay mampaniry ny efa lasa a!
Fero ny Brushing ho an'ny vehivavy, dia aza maolamaola @ izao karazana produits rehetra izao!Ny lhl indray aza dia zatra misatroka foana fa toy ny oronao dia mila rivotra sy taninandro ny volo!Dia samia tsara volo daholo e!
13. pitchou ( 03/07/2004 03:54)
manatona specialiste! izaho nihitsana be mihitsy ny voloko, ny antsasany latsaka sisa tavela tsy hita nanaovana azy d farany aho nandeha tany @ dermato, nasainy nanao analyse b d b d hita fa normal daholo! zavatra simple no nataony tao anaty ordonnance: maka vancances, dia shampoing izay no nasainy nampiasaiko isaky ny 2andro! betsaka manko ny mahatonga ny volo hiongotra, d ny ahy izany miasa mafy loatra ny coco (stress)! tsotra nefa tena nahomby ary 3 semaine dia efa hita mazava ny faniriny sy tsy fiongotany intsony
14. diamondra27 ( 28/06/2005 13:05)
de aona ny fatran'le nivaquine sy alcool sa de atao @ zao fotsiny.
Ny ahy ko manko tena feno eran'ny trano ny volo fa tsy misi fanafany. Efa atsasany sisa, fa tsy te hande @ coiffeuse za fa marketing fotsiny no betsaka
15. fijo ( 01/07/2005 04:52)
aza bangona koa dia tsy mihintsana e
16. mi0un ( 10/12/2010 23:38)
Manao ahoana daholo o !!
Naika mba anontany oe aiza ho aiza izao ilay olona nampiasa an'lay alcool+nivaquine tena nety tokoa ve sa ahoana ??
Tsy izany mantsy fa lasa manify kely koa ny voloko koa raha mahasoa dia toa anao izy io ko aho ...

Miandry valiny @nareo o !!
17. mamapa ( 28/05/2013 11:55)
manahoana daholo

Raha toa ka le volo vao niteraka, 4mois ny zanako ve de inona no azo atao @ le volo miongotra sa mety daholo na ny nivaquine na ny poireau merci o
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3885