SMIG eh!

1. rrodin ( 19/06/2004 09:27)
Dia tena lasa nyeriterritra mandinika ity fiainana eto Dago ity.
Toa miha-mafy ny fiainana fa toa miakatra daholo izao rehetra izao.
Fa androany aloha dia toa hoe nidina ny vidin'ny Euro fa toa hoe hisy volabe ho avy ka matahotra rizareo mpanafina ireny vola vahiny ireny sao tratra ka aleo aparitaka dieny izao ilay izy.
Fa tamin'ny fotoana nanombohan'iny fiakaran'ny euro iny tokoa mantsy dia nisy Ministra sahy namaky bantsilana fa misy manao SPECULATION ka izany no mampiakatra be io euro io... Fa hatramin'izao aloha aho tsy mbola nahita na naheno hoe NISY TRATRA eh! ??? ! Lasalasa ihany ny saina.
Dia miitatra ny saina aman'eritreritra manao hoe...
Rehefa mahazo tombotsoa sy fiahiana manokana ihany ireo manam-pahefana filoham-pirenena, Sénat, Député, Ministre, ... sy ny sisa eh satria iantohana trano, fiara, solika, .... angamba koa olona... (na lahy io na vavy ary na mpiaro io na arovana...) dia MANGATAKA aho eh... izaho GASIKELY mpandoa hetra ity... Sady tsy dia afa-po amin'ny raharaha ataon-drizareo ireo fa ilaozandriazreo mandany andro sy mitakoritsika ary mampandry adrisa fotsiny ka mampandihy ireo tsy maty voalavo an-kibo te hanabotry firenena.
dia hoy aho hoe Aleo atao SMIG daholo (karama farany ambany eh!) ny vola raisin-drizareo ireo aloha hitsitsiana fa sao mety ho izay ny vahaolana.
Eritreritra fotsiny io fa samia tsara daholo eh!
2. fatsoraly ( 19/06/2004 10:23)
Inona no ifandraisan'ny karaman'olona @ fahantran'ny firenena? Ny azy aza mety tsy ampy hanatanterahiny ny adidiny fa angamba kosa resaka fitantanana sy famokarana no mila fanarenana sy ezaka e.

Tsy hampivoatra ny toekarena na SMIG daholo aza io. Ary tsy hampahantra ny olona tena miasa koa anefa raha izay no tanjonao, satria ny olo-mazoto tsy manaiky miraviravy tanana fotsiny.

Ny fisondrotan'ny fiainan'ny sarababembahoaka sy ny firenena dia ny ASA fa tsy @ zara raha miasa-asa.
3. joda ( 19/06/2004 10:47)
ny fahantrana na tianareo na tsia aloha dia sady fahadisoan'ny mpitondra ary ihany koa fahadisoan'ny entina....asa raha azonareo ny tiako tenenina
4. fatsoraly ( 19/06/2004 10:48)
Mazava!
5. yonikafopl ( 19/06/2004 11:36)
ka na manao izay azony hatao koa aza ange ny mpitondra hanafoanana na hampihenana ny fahantrana nefa ny entina tsy vonona ny handray andraikitra fa manantena ny tolorana fotsiny dia mitsikera ny fiainana sy asan'ireo mpitondra tsy ho afaka velively na hihena io fahantrana io e! asa aloha fa izay no mba eritreritro e! ny ezaky ny tsirairay no hampihena ny fahantrana
6. kally ( 19/06/2004 13:35)
Ny entina angamba mba mihoitra daholo ny ankamaroany an,samy mba mivoaka miasa marain-tsy hariva daholo fa tsy misy mihinam-bary eo raha tsy miasa fa dia efa tsy rariny kosa no ataon'ny mpitondra indraindray e!Ny trosan'i Madagasikara ohatra,tsy nisy hitan'ny vahoaka madinika izany na ariary aza,ka nahoana ny vahoaka no terena handoa an'izany?nahoana ny mpitondra ankehitriny no tsy sahy mamaly hoe takio any @ izay nindram-bola taminareo ny volanareo,dia ilay rangahy mialokaloka any Frantsa iry izany.Asa aloha e!fomba fijery ny ahy iny,rehefa tsy mandoa trosa ny fanjakana afaka manatsara ny fiainam-bahoaka.Sa ahôna ozy enao?
7. jhouhlambout ( 19/06/2004 16:25)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0972