Ahoana marina ny tantaran ireto reservistes ireto é ?

1. ravatorano ( 18/06/2004 09:13)
Nafanafana teto andrenivohitra tamin ny fiatombohan ny herinadro iny noho ny raharaha rezerivisita.
Ahoana marina moa no nisian izy ireo sy ny nipoirany teo amin ny fiaraha monina .
http://.madagascar-tribune.com
Ny jeneraly Behajaina dia nanamarika fa tsy mitombina intsony ny fitakian izy ireo.Nisy moa nanontany hoe mby aiza na nankaiza ny Jeneraly Olive Razafindralambo.Raha ny fitadidiavako azy dia efa lasa nisotro ronono io jeneraly rain ny zanadambo io ary dia izay no maha zanadabo ny zanadambo satria zanaky Razafindralambo mpitarika azy ireo.
novalian'i fijo ny 21/06/2004 23:54
2. unik ( 18/06/2004 12:23)
misy olon kafa mi manipuler an ireo!!!
3. ravatorano ( 18/06/2004 12:59)
sao ary d heverinao kouh hoe i voninahitsy , d miombo kevitra amin i Jnly Andrianafidisoa ianao zany
4. kalangita ( 18/06/2004 20:30)
ahoana moa no tsy takian\'izy ireo ny zo izay nampanantenaina azy ,nihotakotaka ny tany hay ny nampiasa azy ireo hanohitra ny fahavalo ,nisy aza ny namoy ny ainy mihintsy t@ ireny fotoana ireny ,koa no injay milamina izao ny tany dia hodiana fanina ny zavatra vita ,nefa tsy atoandro tsy alina ,orana mikija , tsy mafana ,tsy hatsiaka ,antsoina ,ampiasaina foana t@ ireny handamina ny tany, ry zareo no hatao sorona ,avy aiza moa no nipoiran\'izy ireo raha tsy noentanina izy ireo hiady ny hialana @ fahantrana sy ny sisa, tokony tsy nampiasaina h@ voalohany ry zareo dia tsy nisy ny olana , fa tsy raisina ampiasaina dia hampanantenana zavatra dia nony vita ny hilaina dia tsy vitan\'ny ahilika fa mbola hodina fanina ny zavatra nampanantenana azy ireo
5. levondraky ( 19/06/2004 08:33)
marina ny voambaran'i kalangita fa mety ho hafa ny fandehan'ny tantaram-pirenena raha tsy nisy ny fandravana barazy nataon'ny zanadambo. Saingy hatraiza no ahazona manome fahafam-po azy @ zavatra takiny? Manaiky ary ve ianao raha hanombinana ny karamanao hatolotra ny zanadambo? Izako aloha tsy hanaiky e!
Tokony miainga amin'izay voasoratra ny tombon-tsoa azony. Azo jerena amin'izany ny 'contrat de travail' raha nisy, azo jerena koa ny 'code de travail', na koa ny statut général des fonctionnaires, na ny statut des forces armées. Fa tsy hoe zanadambo no mitaky dia izay tadiaviny dia azony.
6. ramoul ( 20/06/2004 20:34)
marina koa zay voalazanao zay ry levondraky.
Fa ra tsy niantso ireo reservistes ireo dia tsy fantatro hoe ahonana ny nahazo an' Dago amin' izao fotoana izao?
Normal raha mitaky ny anjarany am' zany ry zareo satria efa vita ny zavatra niantsoana azy ireo.
7. ikaretsaka ( 20/06/2004 20:44)
ny tsy azoko dia rehefa misy raharaha mafanafana dia hoe misy olonkafa manao an zao sy zao foana... sao kosa misy erreur any @ ilay olona mieritreritra hoe misy olon-kafa foana.. aleo ihany mitandrina ka
8. unik ( 21/06/2004 21:16)
ikaretsaka>ka aleo angamb ny tantara no hitsara
9. fijo ( 21/06/2004 23:54)
ka maninona mba tsy hisian'ny olana dia haseo vahoaka ny fomba nandraisana azy ireo e.atao mazava ny fifanarahana rehetra nisy tamin'izany fotoana izany dia vita.raha misy zo tokony ho azony dia homena raha tsy misy dia hohitan'ny havany eo izy.?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2758