Mihotakotaka indray Antananarivo

1. ravatorano ( 16/06/2004 06:43)
Ny antony voalohany aloha dia ny momba ireto reservite ireto.Nisy tamin izy ireo nanambara fa raha nofoanana marina ny decret namoronana an dry zareo sy mamoaka ny namany any amponja (???) ny fanjakana dia hanjanon dry zareo ny fitakiana ny zony sy ny fitokonanan.Ny hafa indray milaza fa misy ireo vady miaramila reserviste nampandry tany ka nanana vady maty na naratra nadritry ireny raharaha ireny no mbola tsy nahazo ny vola sahaza azy sady fanome amin izany.Io ilay hoa manadrify ny tena.
Voalohany aloha dia asa na izahop tsy mahafantatra ny code miaramila fa rehefa averina amin ny EMGA/EMJT ny saina famantarana ny antoko miaramila iray dia efa naman ny foana izay io antoko io.Efa natao izany teny @ Palais de Sports ary efa foana mihitsy io decret nanangananany reserviste io.
Ny hoe reserviste any ampoja indray dia anjaran ny fanjakana izany , ka raha ilay resaka voalohany teo izany dia tsy mitombona na efa voazava ! ! !
Nirefotra ary ny grenady omaly ary dia teny Behoririka dia ry zalah reserviste mihitsy no nanapoaka izany ka nandratrana olona maro.
http://www.midi-madagasikara.mg teny Analakely kosa dia ny mpitandron ny filaminana indray no nadefa gaz lacrymogene ary nisambotra ireo reservite.Ny hitako maso tamin ny rta dia anakiray nentin ny polisy sady mbola nanao ny mariky ny five to five ranamana amin izany sy ilay akiray izay nikiakikan ny olona fa mpivarotra nefa dia nentry zalah zandary ihany.
Teo koa dia nisy atao hoe bavure kely ihany satria nisy rangahy anakiray izay niteny fa tsy reserviste iny fa mpivarotra diny d nodakan ilay polisy nanao kasikety maintsy izay sy nodaroan ireo namany sady nolazainy hoe "" elah koiuh ngah namany"".
Fa izao kosa ary raha tena marina fa mbola tsy nisy nahazo ireo tamby isakarazany tokony manandrify azy inn no tsy hanaovan ny fanjakana izany amin ny alalan ny EMGA/EMJT.
Ny Jeneraly Randrianafidisoa moa de nnilaza fa misy tokoa izany ary nisy miaramilany tonga tany amin ny biraony nitondra fanamarinana momba izany(interview tv+).
Izao koa fanamarihana misy amin ireo reserviste izany manan fitaovana ananan ireo miaramila ka mahery vaika izany fitaovana izany ,izany hoe nisy gaboraraka izany tamin ny famerenana ny fitaovana fa nisy nanao ny aradalana ary teo kosa no nitazona ny azy tany ambalahany tany ka tsara raha hasiana fiheverana sy tetika entitra ny momba an iny.Avereno indray mandeha ny fanamarinana ny basy sy ny fitaovana nentin ireo reserviste ireo sao hiteraka faty olona maro amin ny tsy ampoizina eto amin ny tanana.
Farany inn marina no tena andrasan ny fanjakana tsy hanome ny sahaza azy ho an ireo reservites ireo>Ny sahaza azy dia azo adika ho roa ny shaza tsar sy ny sahaza ratsy ka anjaran ireo entité roa ireo no mieritreritra fa ny fiainana efa tena midangana tokoa ny tena koa mbola mitebiteby eny ampitadiavana .
http://www.madagascar-tribune.com
http://www.lexpressmada.com
novalian'i latifa ny 16/06/2004 16:20
2. joda ( 16/06/2004 09:17)
ny hamehezako azy misy tsy mety ny ataon'ny mpitondra ka mila misaina ry zareo fa mafy ny fiainana e..
3. ari.malala ( 16/06/2004 09:44)
Nisy ny tsy fanarahan-dalàna ihany koa avy @ ireo miaramila teo Analakely satria tokony nanisy sommation aloha r'izareo vao nandefa ilay gaz mandatsa-dranomaso. Tsy voatery ho rezervista daolo anie ny teo Analakely teo ê, ary ilay olona nanao ny fifanarahana niteny fa hanaparitaka ireo rezervista namany nefa tsy najaina ilay fifanarahana fa vao nihodina, tsy ampy 1m akory ilay lehilahy dia nitifitra gaz mandatsa-dranomaso ireo hery famoretana. Mpitandro ny filaminana no anjaran'izy ireo fa tsy mpamafy fanakorontanana na mpampihorohoro vahoaka. Raha atao ary hoe nisy olona torana na sanatria sempotry ny fofon'ilay gaz d maty teny, iza no ho tompon' andraikitra? Tena hita ihany ny fisian'ny rà afrikana ao anatin' ny gsy satria ny afrikana no mamono tsy misy alaharo alaharo. jereo fotsiny ho an'izay nanaraka t@ télé fa saika namoaka ilay sary avokoa ny chaines rehetra, ilay olona efa nibaboka fa tsy izy mbola sady voadaroka no voaambana basy ihany. Inona kosa moa no fahotany raha miaro ny tenany izy fa izy ary tsy rezervista ko! Tena mila mandinika kely ny ao @ fitondrana ao fa ra atsy izany lasa guerre civile io! Ny olona efa leo ny fiainana sarotra mbola mahita an' ireny zavatra ireny koa... asa izay hiafarantsika mianakavy eto!
4. latifa ( 16/06/2004 16:20)
zavatra tsy maintsy mitranga io na ho ela na ho haingana. Manahy mihintsy aho fa mbola zavatra hafa mihintsy no hipoitra raha tsy maka fanapahankevitra ny fitondrana.
vokatry ny tsy fahaizana mitondra syny tsy fisian'ny communication koa izao eh; dia ho hitantsika eo ny tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2221