raharaha politika ankehitriny

1. saho ( 13/06/2004 18:20)
Tena mampalahelo ny vahoaka malagasy mpiray tanindrazana ankehitriny fa miakatra daholo ny vidin-javatra hatr@ ny fanjaitra aza. Ra8 milaza fa misy ny vola maninona raha hatao subvention ny entana ilain'ny vahoaka andavan'andro, hoy Ra 8 hoe ny vola misy fa ny ampiasana azy no tsy fantatra, raha izay mantsy dia ho mora daholo ny vidin-javatra rehetra ary tsy misy intsony ny mpitaraina sy mpanararaotra. Toa mangataka vola ary mahazo atsy sy eroa toa EU, USA ,Norvege sns...Ary mahazo foana ny anareo.Dia hatao am-paosy ve sa tsy mahay mitondra ny mpitondra sa ireo totohatra midina no tsy mahay? Mitsikera ihany ny aty fa dia loza loatra ny mahazo ny havana aman-tsakaiza any Mcar @ izao fotoana izao.Tsy lasa raha tsy misy fiovana aingana dia aingana. Jereo ny cours Euro efa midangana be. Iza no Investisseurs ho any Dago raha tsy mitombona stabil ny resaka fitondrana satria raha mitaintaina ny vahoaka andro aman'alina dia tsy mandeha izany ny resaka fitondrana milamina sy mazava. Aleo manao controlle toa izay minoa fotsiny ihany
novalian'i latifa ny 16/06/2004 16:15
2. kitjo ( 14/06/2004 06:10)
calme ihany i saho fa aza misendotra loatra an

azoko tsara ny eritreritrao ary na za koa aza malahelo. Tsy sanatria anefa homba be ny fanjakana fts aho
Fa matoa ny operateurs economik ao Dago amzao fotoana izao tsy misy miteny, ary ny sasany aza mbola manatona, Norvege, Allemagne, Asie,....misy raha ao.

Tsy izany fa ny toe-javatra tao amitsika h@zay mitsy no mila novaina daholo mahatonga izao rht izao, izay no anton io inflation ambony be io.
Fa anatin'ny iray volana io (araka ny calcul nataoko aloha), dia tokony manomboka miakatra @zay.

Bdb hoy aho ny zavatra tsy maintsy noravana, fa tsy narenina akory aza, ary bdb ny zavatra ilaina vao natomboka mihitsy.

zavatra tsy maintsy andalovana izao, vao mainka nanampy trotraka ny fiakaran vidin petrole eran-tany> nahatonga ny lasantsy niakatra, ary mitarika ny vidin'entana rht hiakatra koa.

Ny tena tsy mety amzao dia ny tsy fisian communication @ vahoaka satria manjary ho kivy daholo ny olona ary rariny tokoa izay aloha na za aza e,
Fa raha fantany ny antony, toy ireo mpandraharaha izay mahalala, dia farafaharatsiny mba mahay manambotra saina e

Fa na zany na tsy zany aloha mila asa hita mivaingana ary haingana ny vahoaka e.

Ataoko fa mazava ny antony oe ny mpanohitra no mitabataba etsy sy eroa amzao fotoana izao.
Matoa mbola misy ny stabilite politique ary tsy mihemotra ny investisseur dia mande ny asa fa "mila fotoana".

Zay mahatonga ny mpanohitra mitady zao fika rht zao satria tsy mahita rirany.
(asa ry Landivola raha ao anatin tetiky ry zareo)

Fantako fa hisy hamaly ao oe ny an vahoaka ny vidim-piainana no ilainy midina sns.......fa tsy mahalala anzany....... fa tonga d valiako oe tsy hisy afaka hanao miracle mon ami fa misy ny lalana tokony diavina, ary tsy tokony hokoropahina oe hamonjy ranovaky fts d rfveo ndray d hilentika fa tataka ny "filet"

Ny fanjakana fts tokony manao asa malakilaky
3. joda ( 14/06/2004 06:46)
misy tsy mety ny fitindrana izay ihany ny ahy no azoko ho tenenina
4. kitjo ( 14/06/2004 06:56)
K inona ary ny vahaolanao e?
sa hitsara fts izay tonga eo d refa tsy faly dmanolo d samy hitondra eo aby
refa za ngamba no eo vao hijanona,hihhiih
5. ravatorano ( 14/06/2004 07:55)
miko aloha dia efa lasalavitra b le fahavoazana vao taitra foana ny fitondrana.Raha mitondra firenena , ministera , orinasa na fianakaviana ianao dia tsy maintsy mitsinjo lavitra foana amin ny zavatra izay ataona.Izany hoe raha mandray fepetra ianao dia tokony ho tsapana ny vokatra entin iny ary dia tokony efa fantatrao koa ny entina miady amin izany raha misy tsy fafhombiazana izany.
Asa aloha fa amiko ny tena nandrandrain ny fitondrana tamin ireny detaxatrion ireny dia ny fibosesehan ny vahiny hampiasa vola aty amintsika , ny olana anefa rah ny sta no jerena dia tsiy nahitana vokatra nahafa po akory izany , fa vao maika aza ny orinasa malagasy no voakenda.
Isika malagasy ry havana isany dia olona mahari pery tokoa ary raha tsy efa tena alohalika ny rano tsy misy miala eo fa dia miandry eo foana na ny entina na ny mpitondra.
Ny fiakaran ny sandam bola aloha defa nisy tompona`orinasa nilaza fa fantatra izao houzy ny olona sahy manageja ireo devizy tokony hiditra sy ampiasaina eo amin ny mid fa ny rafanja no tsy sahy mandray fepetra ami izany.Inn koa moa no azo atao ami izany ka anazy io ,pptés privée -ny izany ka na omeny na tsia tsitako ze vaha olana amin izany sady efa libre marche no devizy eto amin ny tanana.Io raha mbola mitohy izao dia minoa ahy fa isika samy eto fa mbola aritry ny malagasy io.Mahatanty anie ny malagasy é.
Firy taoana ireny fahavoazana tamin ny andron ny revolisiona ireny koa maika fa izao vao manomboka izao.Efa zatra mijaly izahay malagasy eto amin ny tanana ka aritray ze mipoitra eo.
Na mbola ampiakarina aza ny solika , ny frais sy ny ppn dia io eo ihany ramalagasy.Mahasedra ny mafy fa be menomenona.
Efa nisy fotoana nilazako teto fa tsy mba hain izay fanjakana nifandimby teto no mametraka serasera tena mahomby eo amin ny mpitondra sy ny entina.
Ny fanjakana tsy mbola nanazava tamin ny vahoaka mihitsy ny tena antony mahatonga izao raha manao ary ry zareo dia fenoina terme tetinika be mba amizay ilazana fa tena favy ry zalah.Tokony tsy ho any mihitsy anefa fa mba hahafahan ny vahoaka mandray ilay fanapaha kevitry ny fitondrana dia tokony hisy ffanazavana ny tena programa politika sy ara toekarena .
Lazaiko marina aminareo fa firy amin ireo depiote ireo no tena mahalala sy mahatsapa ny fandehan ny politikam panjakan ami izao andro izao.Azo isaina amin ny ratsa tongotra sy tanana .
Koa mahereza dhl isika na ianareo mpianatra iantohan ny R@R ka andefasana devizy avy aty na ianareo manambola any ka mandefa izany vola izany atao bizina aty.Izay moa tsy maintsy miosy foana é
6. kitjo ( 14/06/2004 08:31)
Azoko tsara ravatorano an
ARy efa io nolazaiko ary @ toekarena ary oe nisy faux pas be nataon' ny fanjakana fa bdb ny hevitra notapatapahina maimaika tsy noheverina satrai tsy nahazaka ny menomenona ngamba na nieritreritra ny hanao miracle mon ami.nanaraka theorie be fahatany kanefa sty mifanaraka @ ao Dago

fa efa manaraka ny procedures rht aloha raha ny fahitako azy ny fandehan-javatra ao

Ilay detaxation ange tsy ratsy e,
fa tsy nisy communication ilay izy,
Ny tena amrina tokony izay zavatra tena ilain'ny olona kanefa tsy hita ao Dago no afarana, izay vokatra ao kosa tokony hatsaraina,
fa tsy any @izay ilay no nandeha ,izay le lazaiko oe theorie be fts,manao copie coller ny aty ivelany.

Le resaka oe devise misy mandeja aloha iny ppte privee araka ny lazainao, fa refa miasa ny fanjakana, manataneraka ny entina.... dia miakatra ho azy ny fmg ary tsy maintsy hivoka ireny devise ireny.

Efa novoaboasako tary @ toe-karena tary ngamba ny hevitro lava be ra averina eto

Ny tokony atao aloha dia manazava ny sain'ny olona ,mampahalala an zareo ny zava-misy.
Ary raha tena manao zavatra "de bonne foi" aby zareo tokony hampahalala an'io ny olona amzay afaka mitsara ny olona aveo. Fa matoa tsy misy izay d hitsaratsara anjambany fts ny olona dia ny oe arodano ihany.
7. kitjo ( 14/06/2004 08:41)
Le oe mahazaka ny malagasy....
tsara dia tsara io kanefa tsy aleo ve mba miezaka ny hivotra sy ho tsaratsara kokoa e, d hionona foana ve?

tokony oe mahay mionona refa sendra ny tsy mety kanefa sady miezaka ihany
Refa msisy zavatra tsara dia mitady ny tsara kokoa hatrany

aza mamaly oe tsy misy ny tsara an!
Misy fa tsika no zatra mionona d revena manja dol ze miseho eo
8. latifa ( 15/06/2004 13:44)
marina ny voalazanao ravatoranao fa ny tena olana anie dia ny tsy fisian'ny communication hoy eh!. N a misy aza izany dia toa bla bala no betsaka. Jereo tsara anie fa isaky ny misondrotra ny lasantsy ohatra dia lazaina fa miakatra ny vidi'ny baril amin'ny tsena iraisampirenena. ekena io fa izao rehefa midina ny baril, mba midina ve ny vidindasantsy???.
Io resaka devise io, mbola resaka hafa mihintsy eo ihany ny hoe resaka MID, poltique monétaire. ekeko fa misy zavatra hafa mihintsy ao ambadika ao eh...raha tianao ohatra dia hazavaiko araka izay takatry ny lohako eo ihany amin'ny manaraka
fa ny tena marina aloha ny zavadehibe dia ity toe-tsaina inty mihintsy no mila mivaotra manombola any amin'y ambony ka hatran'ny amin'y ambany fa raha mbola toe-tsaina tia-kely foana no entina dia tsy hivoaka ilay tonelina mihintsy isika. mampalahelo ny zava misy fa ho hita ei indray eh
9. kitjo ( 15/06/2004 17:42)
latifa> oviana no nanomboka nidina ny vidin solitany? d efa ny solitany novidiana t@ vidiny nidina v zao no miasa @ lasantsy mande ao dago amzao fotoana? efa midina aby v ny vidin-dasantsy erak izao tontolo izao niara-nampiakarina teo?

za mba mila fanazavana @ le zavatra ambadika lazainao io
10. latifa ( 16/06/2004 16:15)
kitjo> lava ny resaka raha resaka lasantys no resahina fa izao fotsiny mino aho aho fa ny lasantsy amidy amin'izao dia lasantsy novidina tamin'ny baril latsaky ny 35dollars izany hoe mbla tamin'ny androny 1USD =7000fmg.
raha ilay zavatra ambadika no tianao ho fantatra dia izao ary : ohatra manana orinasa manao exportation ianao raha ny lalana dia tokony manao ilay hoe rappatriement de devise ne ianao tsy te hanao anio.mila devise anefa ny fanjakana dia mitaky any aminao izy hoe aiza ny recette d'exportation-nao mbola tsy niditra
dia hoy ianao hoe izao manana devise betsaka fa tsy amidiko raha tsy izao no vidiny (teranao ankolaka ny fanjakana) dia inona no mitranga misy ny spéculation
misy zone franche firy ohatra ao dago? ankoatr'ireo zone franche misy orinasa hafa koa dia ataovny kajy tsotra eh dia ho hitanao. ianao indray ve moa no atror main'ny resaka FMI sy BM...sy ny resaka balance de paimanet eh.
Ohatran'y dia mba mahay koa aho izany nefa tsy alehany akory
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4057