DIA AHOANA IHANY EH!

1. rrodin ( 08/06/2004 09:40)
Dia manohy ny diany hatrany ity Madagasikara ity. Toa mbola ankamantatra foana anefa hatramin’izao izay tena lalan-kizorantsika, fa na ny mpitondra aza toa tsy misy manoka-bava manome fanazavana. Manararaotra etsy andanin’izany ireo marivo salosana mora rangitina milaza izay rehetra tiany holazaina.
Nodradraina moa talohaloha teo fa “fampandrosoana haingana sy maharitra” no atao eto... Dia izao iarahantsika mahita izao aloha ny zava-misy eh! Haingana dia haingana ny fiakaran’ny vidim-piainana ary ANGAMBA haharitra tokoa izy ity, koa dia samia maharitra eh!
Ireo heverina ho manan-tsaina sy manam-pahaizana moa indrindra ireo miasa amin’ny fanjakana dia midradradradra koa fa tokony hatao amin’izay ny fampiakarana ny karaman’izy ireo na koa fikarakarana manokana ny momba azy ireo, fa tena tafahoatra ity onjam-piainana mianjady ity... Dia mijery fotsiny moa ny vahoaka madinika manoloana izany satria tsy hahakasika azy izany tombotsoa atao angoatenda izany.
Raha tsy hiresaka afa-tsy ity ataon’ny MPANDRAHARAHA SADY MPIKAROKA eny amin’ny anjerimanontolo ity... dia hitako taratra fa lasa takalon’aina ny mpianatra amin’izao fotoana izao... dia ampitahorina ny rehetra fa ho raikitra ihany ny taona fotsy amin’ity... Dia toa misy mitarika fisavoritahana hanamafisana izany mba hilazana avy eo fa ny nataon’ny mpianatra ihany no mahatonga ny tsy fahatontosan’ny fianarana.
Mba olon-dehibe sy misaina ihany ary noheveriko fa mba matsilo sy manam-pahaizana ihany ireo zoky ray aman-dreny mpikaroka ireo kanjo indrisy...
Amin’ny maso tsy miangatra no ijereko sy ilazako fa matoa tsy afaka manome fahafaham-po azy ireo ny fitondram-panjakana ankehitriny dia satria ANGAMBA mbola tsy misy ny ho enti-manana na tsy laharam-pahamehana izany, mba misy laharany ny zavatra atao rehetra fa tsy “izay tiako anio dia ataovy anio”... Hamafisin’ireo mpampianatra mpikaroka ireo moa fa tsy hisy fianarana ho vanona mihintsy raha tsy voavaly ny hetahetany... atao ahoana fa izay ANGAMBA no valin’ny fikarohana hitany ka hampanjary ny raharaha.
Dia tena takalon’aina tokoa ny Zatovo mpianatra eh!
Amiko olon-tsotra raha mijery dia hoy aho hoe “rehefa tsy mahafa-po anao ny sehatra ametrahanao anao na amin’ny asa aman-draharaha na ny tombotsoa samihafa” dia mametraha fialana mazava fa aza mampahory ny mpianatra hoatr’izao... Aleo ho an’izay afaka mahazaka azy ny toerana fa tsy lany olo-manga ity Madagasikara ity eh!
Fa ho an’ireo efa manandra-peo sahady fa tokony hiala ny mpitondra ka hidirana ny fitondrana tetezamita dia izao no hevitro:
Tsy sanatria miaro be fahatany ny mpitondra aho... mba maharary ahy ihany koa izao fisondrotry ny vidim-piainana izao ary mampisendaotra tokoa... Fa mba mieritrereta ihany aloha vao miteny...
Hoesorina ny mpitondra dia iza no hapetraka eo??? Azo antoka ve afaka mamonjy avy hatrany ny vidim-piainana izay mpitondra ho avy eo sa hanampy trotraka ny fahasahiranana indray??? Raha ny fahitako azy manko dia eo indray isika no raisina satria efa iaraha-mahalala ny toe-tsaina sy fomban’ireo mpanao pôlitika Goaik’antitra efa nitondra ny firenena hatramin’izay ireo; satria raha ny fihiakan’ireo mitaky fiovam-pitondrana dia midika fa ireo no haverina... satria mbola tsy hita taratra eto izany mpanao pôlitika vaovao izany... Indrindra hoe olon-kafa tena MAZOTO ary VONONA hitondra ara-pahamarinana sy firenena.
Kelikely ihany ny finoako ny amin’ny hoe hisy fitondrana tetezamita mahazaka izao firenena izao ka afaka manala ny fahasahiranana HAINGANA eny fa na dia ny fitondrana hanaraka eo aza.
Mbola hampiditra antsika any amin’ny lalina kokoa io TETEZAMITA dradraina io raha tanterahina eto... Dia iza koa aloha no hapetraka eo amin’io tetezamita io eh??? Mbola hanao fifidianana koa izany sa hanendry olona??? Dia iza no hanendry ireo olona hapetraka eo??? (manomboka mitsinjaka i LAFRANTSA eto satria tsy maintsy ho olona akaiky azy no hapetrany eo) Tsarovy fa mbola tsy tafaala teto ireo voanjo mpanjanaka hatramin’ny andron’i DeGaulle... Mbola eto ny fakany ary mbola hanahirana mihintsy ny fanongotana azy... Io fakany io no mbola mamikitra mafy sy mbola manararaotra mitsentsitra mafy amin’izao fotoana izao.
Dia iza ho’ah no hapetraka hitondra raha hoesorina teo i Ravalomanana eh???
I Vaovao Benjamin ve??? Sa i Zafy Albert??? Sa i Voninahitsy??? Sa i Randriamanjato??? Sa i Elia??? Sa Raketamanga??? Sa IZA eh!??? Tokony mba ho efa hita taratra dieny izao kosa anie fa tsy atao surprise eh!
Aoka mba hisaintsaina lalina isika vao miteny sy manao zavatra fa sao ampihinanin’ny olona ny tsy fihinana eto!
Dia handeha hilahadahatra sy hanao fitakiana atsy sy eroa, dia tsy hisy hiasa fa hi-grevy hono! Fantaro ny vokatry ny atao fa vao mainka fahasahiranana no miandry.
“Tsy hisy hiasa midika tsy hisy vokatra ary dia tsy hisy horaisina.”
Aoka hifanentana sy hifankahery ary hiady hevitra am-pitoniana fa sao...
Mbola be tokoa manko no mihevitra antsika Malagasy ho badrahodra eh!


"Aleo isika hisaina tsara re-olona fa mahamenatra loatra ny fiheveran'ny hafa antsika marina ah"
Tsy aleo ve samy manao tsara ny asany sy ny andraikiny... sady ny fahitako azy koa anie toa mba mihetsiketsika ihany ny Filoham-pirenentsikia ankehitriny fa tsy mipetra-potsiny toy ny nataon'i Deba eh... I Deba anie ka nilevim-belona tao Iavoloha tao na nataony eh.... miala ao Iavoloha izy dia milentika any Frantsa dia mody kely indray aloha... tsy dia hitako izay zavatra hoe natony teto... Tsy misy itovizany amin'ny ataon'ny Filoha amin'izao fotoana izao mihitsy eh...
Ahirato tsara ny masontsika dia aoka samy hisaina lalina fa aza manaiky ho badrahodra eto foana!
novalian'i rijah ny 10/06/2004 12:00
2. ravatorano ( 09/06/2004 09:14)
efa hoe hilatsaka amizay ho ah zà hilatsaka ho fidina hihinana sy hampihinana e
3. rijah ( 10/06/2004 12:00)
Zany ka mahay mandinika sy mandalina ! tsy i Deba ihany anie no tsy nanao nainona² fa i Zafy koa eh!! madaraid fotsiny fa tsisy natoraka!!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1167