Fanambarana

1. tsilan ( 04/06/2004 17:55)
Samia manambara izay fanambarana tiany ambara eto.
Eto mantsy tsy mampangovitra ny milaza azy eto eh
novalian'i fijo ny 16/06/2004 22:14
2. ikaretsaka ( 04/06/2004 21:44)
ny ahy hoa ny mba nahagaga ahy amin'ity mahita fisehoana ity an an ... dia tsy misy miteny mihitsy hoe nisehoan'i Losifera na i Belzeboba na i Satana..
rehefa tsy inoana sy lazaina mampiesona ireo nahita an'andriamanitra... ireny kosa angamba mety ho be mpino raha izany ko!
Atsipy ny teny ho an'ireo "tratran'ny fisehoana" rehetra
3. booboo ( 04/06/2004 22:45)
4. jhouhlambout ( 05/06/2004 11:08)
vade retro satanas!
5. fatsoraly ( 06/06/2004 10:07)
Izaho marina angamba no tena BADOURALY ka tsy mahatakatra na inona na inona fa tery saina. Raha ny fahitako azy mantsy dia satana @ maha satana azy dia mpamitaka sy mpandainga. Noho izany tsy hiteny ny marina @ maha devoly azy mihitsy izy ka hiseho sy hiteny fa satana!

"The devil is in disguise"
6. ari.malala ( 07/06/2004 10:47)
d aôna nareo @ le polisy nisehoa n'i Jesoa tany ampiangonana iny?
7. librepenseur ( 07/06/2004 12:19)
Fa angaha tany ampiangonana ilay izy no niseho t@ ingahy polisy malala ?
8. bichette ( 07/06/2004 12:49)
ari.malala, hazavao aloha ilay resaka polisy fa izahay tsy kôpy e !
9. six ( 07/06/2004 14:45)
bichette> nisy polisy nilaza fa nahazo hafatra sady mpaminany hono izy!!!!!!!!!!

izaho manambara fa refa afaka ny alatsinainy d miditra ny talata!!!!!
10. jhouhlambout ( 07/06/2004 15:15)
hihihi.................
11. fijo ( 08/06/2004 00:32)
fa i mada irery ve no mila fanampiana eco avy any an danitra e?
12. chipie1 ( 08/06/2004 11:50)
fijo ka tsika gasy ane de madagascar alou no atao voalohandresakae!
13. fijo ( 09/06/2004 02:41)
hay,minoa fotsiny ihany ary.
14. methode ( 15/06/2004 11:58)
Mila mailo amin'ny resaka fahagagana io! Betsaka no manao fitadiavam-bola fotsiny fa hoe nahazo fahasoavana afaka manasitrana, mahita ny zava-miafina sy ny sisa!! Sekta no tena be dia be!! Toy izany indrindra ihany koa ireo karazana vavaka alefa ireo dia misy hoe raha mandefa ity amin'ny namanao dikany izao ianao dia misy fahasoavana azonao afaka zao andro fa raha tsy izany dia hisy loza hahazo anao! Andriamanitra amiko tsy tia ratsy ary manome fahafahana ka izay misy faneriterena toy izany dia tsy hevitra avy amin'Andriamanitra! Roapolo taona mahery izay no nahazoako hafatra toy ireny fa tsy nandefa dika hoan'ny namako aho na iray aza, araka ilay fanambazana atao ao, fa raha mandefa aho dia noho ny hatsaran'ilay vavaka no andefasako azy dia ampiako hoe tsy mino an'io farany io aho ka tsy tiako koa ny hanatanterahanao an'io!! Hatramin'izao aho mbola velona be sady salama! Izay iriko koa hatramin'izao azoko avy amin'Andriamanitra na dia amin'ny fomba an-kolaka aza!
15. bichette ( 15/06/2004 15:35)
Marina mihitsy ny voambaran'ni methode, tsy hoe akory hoe mandefa mailaka in-30 satria ianao ohatra 30 taona sns no mitondra fahasoavana na hoe hotanteraka ny fanirinao (voeu). TSIA ! resaka "commercial" fotsiny ireny.

Raha te hahomby amin'ny fiainana dia izao fotsiny : katsaho hatrany fahamarinana. manaova ny tsara rehetra.

hoy ny ao anaty baiboly hoe : "craignez l'Eternel vous les saints car rien ne manque a ceux qui le craignent" Miala tsiny be dia be raha teny vahiny fa tsy misy baiboly gasy eto akaikiko.

Six : za tsy mino loatra izany polisy izany klou, olona mivavaka marina ve hono izy ????? !!!!!!!!!! mila fantatro tsara klou ilay tantara sns zay za vao tena afaka miteny na mino na tsy mino sy mila mivavaka mihitsy alou .....

Sa ..... ????
16. fijo ( 16/06/2004 04:28)
amiko dia tsotra,raha te ahomby amin'ny fiainana ianao dia MIASA mafy dia izay.aza lany andro mitady izao sy izao.
17. ikaretsaka ( 16/06/2004 05:27)
fa misy koa ra fijo ny hoe fahaombiazan asy fanambinana... mety tsy hahomby ialahy rehefa tsy ambibiba na miasa oh kisoa aza
18. ikaretsaka ( 16/06/2004 05:27)
fa misy koa ra fijo ny hoe fahaombiazan asy fanambinana... mety tsy hahomby ialahy rehefa tsy ambibiba na miasa oh kisoa aza
19. bichette ( 16/06/2004 05:59)
tandremo anefa ry fijo an ! misy hoe miasa mafy fa amin'ny fahamarinana tanteraka anefa fa tsy hoe miasa mafy dia na mangalatra mafy dia mafy dia lazaina fa miasa mafy. izany hoe mandeha amin'ny fahamarinana e !
20. fijo ( 16/06/2004 22:14)
ilay resaka fanambinana amiko dia resaka lamina.na miasa mafy toa ny apondra aza ka tsy misy lamina dia tsy mety.oh.misy ankizy tena mazoto sy mianatra mafy mihintsy.eo ambody cahier sy boky foana,nefa kosa misy hafa toa mianatra kely dia mikirimba fa mahay mandamina ny fianarany.dia gaga fa mivaly ny exam ilay nianatra be tsy ao fa ilay iray no hita hafaka.dia eo ilay hoe efa nanao fa tsy ambinina e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.079