tsy manaiky ny hisondrotan ny frais 1550fmg eo amin ny taxi be eto Antananarivo ny Pladic sy ny Ascoma

1. ravatorano ( 04/06/2004 10:50)
Reko tamin ny vaovao tamin ny radio teo fa sia tsy manaiky ny hiakaran ny frais ho 1500 fmg ho an ny taxibe eto Tanà izany ny Pladic sy ny Ascoma izay fikambanana anakiroa miaro ny zon ny mpanjifa.
Nanomboka anio maraina anefa dia efa feno soratra ny fiara taxibe marobe fa 1500 fmg ny frais manomboka rahampitso.
Asa izay hiafaran izy ity aloha fa dia izay no vaovaolebe ary mbola manainga ny vahoaka koa ry zareo tsy handoa izany 1500 fmg izany fa dia 1000fmg ihany.
Asa izay hiafarany rahampitso fa dia ho hita eo ihany.
Ny andrasana dia izao raha tsy miaza izany ireo taxibe fa hanao grevy dia hisy olona hafa sahy hampiditra fiara maro hanao fitanterana amin ny frais 1000fmg io
Izay no andrasana ary niangavy koa ireo fikambanana roa ireo mba tsy handalo any amin ny koperativa intsony ny fahazahoan dalana hahafahana miasa amin ny zotra iray(autorisation d 'exploitation ) fa mba ho any amin ny minisiteran ny T.P na ny Fitanterana.
novalian'i fijo ny 14/06/2004 23:37
2. ramoul ( 06/06/2004 20:46)
Ka ny antony hisondrotan' ny frais nge dia zao é: tsy misy ny gasoil sady lafo koa ny vidiny.
Zay ny antony, ary ra tsy mampiakatra ny frais ry zareo dia tsy afaka ny hividy gasoil intsony satria tsy ampy ny vola hividianana dia aleony mampiakatra ny frais. Zay ny antony fa tsy hoe zavatra afa akory.
3. fijo ( 08/06/2004 00:02)
tena resaka manahirana io fitanterana io,satria miankina amin'io ny 60%ny famokarana.marina fa miakatra ny solika,dia lojika raha misondrotra koa ny sarandalana.io tsy tokony misy handa.saingy efa mba nitady vahaolana ve ny fitondrana?
ohatra.azo ampiharina ary ampiasaina aty frantsa.rehefa misondrotra ny solika,ny mpitantitra dia tsy mividy io solika io amin'ny vidiny toa ny rehetra fa homena fihenana kely,mba hialana amin'io fampisondrotany ny sara io koa.
4. fijo ( 08/06/2004 00:06)
tsy hiresaka fanampiana aho satria ny firenentsika tsy mbola hafaka hanao izany,fa azo atao koa ny mifanaraka amin'ny mpitatitra hoe"ferana io fotoana hiakaran'ny sara io,fa rehefa midina ny solika dia ahena koa ny sara"
ilay resaka fahafahana miditra ho mpitatritra dia ekeko ilay hoe ao amin'ny ministeran'ny varotra sy fitanterana no tokony hanome io alalana io.
5. ari.malala ( 08/06/2004 11:58)
ny tompona taxiB no niteny fa na 750F aza ny frais tsy maty antoka ry zareo fa ny eto amintsika dia fanararaotana daolo izao rehetra izao, zara aza misy an'izay hanondrotana vidin'entana!
6. peluche ( 08/06/2004 12:41)
ka io anie avy @ crise misy any @ tany arabo,tsy ny gasy ihany no tratran'io fa na ny europe,etas-unis,ny asie tsy tafiala daholo.
7. ravatorano ( 08/06/2004 12:55)
aoka aloha fantatry ny maro fa dia maro ireo zotra manomboka migrevy satria misy ny olona tsy mety mandoa ny telonjato ariary.Ka dia ny eny amin ny zotra ambohimanarina tonga any ambohibao iny zany zao no mitokona tsy mitatitra indray ka dia hivonona handeha taxi na dia tongotra ho an ny besy ny maro aloha anio ny eny>Ny makeny Ankatso moa dia ho raikitra rahampitso ny grevy satria ny vola handoavana ilay fré mihitsy anie no tsisy e>
Zà manaiky fa tokony hisondrotra ny frais an ireo taxibe ireo satria ny gasoil izao dia 6.400 fmg/l ny essence totra dia 8.640 fmg/l ary ny sessece 90 sans plomb dia 10.000 fmg/l.
Fa izao mba diniho ary e : tadidianareo v fa tamin ny fotoanan ny grevy b ireny sy ny baragge ireny dia tafakatra tany amin ny 25 à 35.000 fmg ny solika nefa ny frais dia 1500 fmg ary dia nilaza nahazo tombony b ireo mpitatitra tamin izany fotoanany.
Amizao indray dia io voalazako anareo io ambomy io ny vidintsolika sy ny frais.Ka raha toa ary ampifandraisina ireo de ahoana no hevitrareo.
Farany tsy mifanahaka amin ny fisondrotry ny vidim piainana ny fidiran ny volan ny tsy1-1 noho izany dia minoa fotsiny ihany fa tsy maintsy hisy explosion sociale eto fa ny fomba fisehony no ho hafa kely satria hitaky ny fidinan ny vidin entana fa tsy hoo fanalana ny mpitondra na ny mpitarika izao firenena izao akory.
8. ramoul ( 08/06/2004 13:31)
zay ndray aloha dia marina ry ravatorano, tsy maintsy misy explosion social io zavatra io. Rahoviana? efa atry ny ela nge ny vahoaka no niandry explosion é! ary atram 'izao dia mbola tsy ni^poka foana fa voamaika mia matevina ny zavatra ary ny mpitondra toa tsy miraharaha mintsy.
9. fijo ( 09/06/2004 00:31)
nahita aho fa kay taloha nisy izany karatra mitsinjo izany tany hoan'ny mpianatra.io dia tokony hotohizana.raha io voalazan'i ravato momba ny frais(barazy sy izao )io kosa aloha dia hitako fa ny mpitatitra mihintsy izany no manao izay hisian'ilay olana.asa aloha fa tsy misy isa koa moa isika fa mba miresaka eto fotsiny.
10. tsilan ( 09/06/2004 02:26)
Ny mahavariana kely ahy fotsiny dia hoe nahoana rehefa mampiakatra ny vidin'ny lasantsy ny kaompania mpivarotra ireny dia maninona no tsy misy sahy mimenomenona? Saingy raha isika samy mpiara-monina mpitatitra sy mpandeha dia toy izao foana?
Nga tsy azo atao ny mitokona faobe raha vao miakatra fotsiny ny lasantsy?
11. ari.malala ( 09/06/2004 12:41)
sady ny mahavariana ahy d maninona no @ alina fôna no misondrotra ny vidin'ny lasantsy? d efa misondrotra vao samy mahalala ny rehetra, ny tiko tenenina d hoe tsy azo atao mintsy v hoe ùba misy hiomanan'ny mpividy izy io fa tsy maintsy devant le fait accompli fôna ny vahoaka?!
12. ravatorano ( 09/06/2004 13:42)
mba hiomanan ny mpividy ary dia nanambara ny DG an ny OMH fa mbola hisy foana ny fisondrotqan io vidin ny solika io hatramin ny volana septembre.
Raha ny filazany dia mbola ny vidin tsolika niseho nandritry ny 22 mars ka h@ 22mai izao mipetraka izao ary dia nampiany fa manomboka amin ny 01 jolay no hisintaka tanteraka amin ny resaka solika na ny vidiny na ny famatsiana izany ny fanjakana ka dia mety hisy fiakarany hiompampana amin izany satria efa la voie est libre ary dia samy hanao ny vidiny izany ny mpanafatra solitany eto amintsika
De hiaraha mahita eto aloha izanye
Samia velon 'aina
13. fijo ( 11/06/2004 00:26)
mahagaga raha mbola misondrotra foana izy any nefa aty izao efa mba mihena ny lasantsy.
14. unik ( 11/06/2004 09:09)
ny mahagrave an tony anie dia ny vahoaka madinika foana no manefa e!
15. chipie1 ( 11/06/2004 12:03)
raha mba miakatra otrany vidina lasantsy mou ny karama ny oul maninn?? fa raha tsy miakatra no tena danz be...
16. fijo ( 14/06/2004 23:37)
aiza no aharahan'ny fanjakana hampisondrotra ny karama.ny vola aza tsy misy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3583