hotely le rubis nivoaka ny didy

1. ravatorano ( 04/06/2004 10:41)
niverina amin Ingahy Rabetsintota indray izany ny Hotely le Rubis rehefa avy namoaka ny didy ny cour suprême .Raha mandalo amin iny faritramisy ilay hotely nefa ianao dia mahita kely maso efa nanao fanadiovana sy fanamboarana ilay hoetely ary raha tsy diso ny tena dia efa nahazo alalana tamin ilay tompo trano ry zareo.
tsy rototra akory anefa Ingahy Rabetsintota nilaza fa dia hanao ny taratasy rhrtr izy ,hanafaingana,nyfialan ireo mpanofa vaova ireo mba hahafahan ny hotely le rubis vaovao new look hisokatra tsy ho ela indray.
Nilaza ihany izy fa efa nandany vola teo amin ny 3 milliara teo ary dia nahafa po azy moa izany didy izany ary nanambarany fa mbola misy ny etat de droit eto amitsika.
Faraha tsy nahazo ilay valiny nahafa po v izy mety nilaza fa tena tsisy etat de droit eto ?????/ hihiiiii
novalian'i tsilan ny 26/06/2004 02:41
2. kitjo ( 04/06/2004 16:37)
Izay foana
Rehefa misy mahita tombotsoa d lazaina fa mety,

io ange mitovy @ le olona noravaina trano t@ fanamboaran-dalana e, misy nanao be filaza be mitsy oe tena aleo zao,kanjo nony nandeha ny 2e tour tao anatin'ny narodana ny azy teo Ankadifotsy teo,
Nilaza ndray fa zany ve d rariny e....bla bla bla
3. tsilan ( 04/06/2004 18:11)
Salama
Ny zavatra tahaka itony dia tsy mampitombo ny tsy fahatokisan'ny olona ny fitsarana sy ny fitondrana. Vao omaly ianao no nilaza fa diso io rangahy io dia androany ianao manambara fa marina io olona io.
Dia ahoana hoy ilay komity miady amin'ny tsolotra sy ny kolikoly. Sa moa miaro ny tsolotra sy ny kolikoly indray izao koa no anarany?
Tsy hay intsony eh. Aleo atao ohatry ny fianan'angely angaha ka samy manilika ny eny am-baravarany.
Nefa tsy mety ny maso, satria na io rangahy io aza dia manana raharaha maloto mikasika ireo olona nalefa tany Lyban, fanangonam-bola am-pitaka tany Anjozorobe. Saingy toa zary mangina ny olom-boky.
4. kitjo ( 05/06/2004 06:26)
Ka samy miaro ny azy
d ireo nanao ny tsy mety rehetra izany miandry ny akamany ho eo @ fitondrana ve d lasa oe tsy diso ndray??

tsy haiko aloha ny momba le oe Rubis fa @ zavatra hafa toa oh zany foana no miseho
5. kitjo ( 07/06/2004 09:34)
akama ...... akama.....
asiko ko ato oe
namana.....namana...
6. angie ( 07/06/2004 10:09)
Tena mampalahelo lay firenen-tsika zareo a, ny loza dia ny manana miha-manana hatrany ary tsy voakasikasika mihintsy fa ny ambany dia mihamihosina hatrany. Rehefa dinihina anefa dia efa zatra miafy izy ireo ary mahatsiaro sambatra @ kely ananany noho ireo manan-karena matahotra lava sao dia ho ritra ny fananany. Io andriamanitra vola io no tena manimba e.
7. kitjo ( 07/06/2004 10:44)
Zay indrindra ilay tsy mety, tokony ho lasa lavitra sika fa raha vao mba misy miakatra dia atosiky ny any ambony hilatsaka sady sintonin'ny any ambany hiverina

d mionona sady oe zatra mihafy di tsy taitra tsn fa sady oe mafy toto hono...
8. ikaretsaka ( 24/06/2004 06:44)
fombangasy iznay ary mampiavaka antsika @ oloan hafa.. sinoa sy karana ohatra,, reny aha misy ray tafita de miezaka daholo hitovy amin'miny fa ny antsika zay mba misondrotra ialonana sy am,osavian asy aratsiana sy atao izay hiverenany hihemotra fa tsy ny tena no mioitra hanakatra an'iny
9. mcfy ( 25/06/2004 13:16)
ikaretsaka< ts d hoe ny gasy rery kosa ange no amano an'io fa mba nataon'ny gasy mavesa-danja kokoa angamba izy io na any dago na aty ivelany koa aza d mbola ao le tsy afaka t@ mahazatra!
10. tsilan ( 26/06/2004 02:41)
Tsy dia omena tsiny ny olona satria ny fomba naha-mpanana anao nisy tsy mety matoa miteny ny fiaraha-monina.
Misy ireo tafita sasany saingy tsy miteny ny momba azy ny olona fa mety lasa filamatra aza izy ireo, satria nanao ny marina teo amin'ny fitadiavana.
Saingy betsaka kosa amin'ireo nanana tampoka no fatsouralahy sy vavy toa mamitaka fotsiny toa itony voalaza eto itony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2792