mirongatra ny mpaminany eto amintsika

1. ravatorano ( 04/06/2004 08:49)
fa maninona no mirongatra izay tsizy amizao fotoana izao ny olona milaza nahita an Andriamanitra ary misy asa mitompo teny fatratra fa mpaminany tokoa amizao.
Lozan ireo izay sahy mitsangana amizay ka mifanohitra amin ny tena Herin Andriamanitra ny fihetsika entiny mitory ny fivavahana kristianina.
Ny antony dia mafy ny fiainana ary dia maro amin ny malagasy amizao no manankina ny fiainany amin Andriamanitra ary maro koa ireo mpaminany sandoka no mivoy ny fivavahana hitadiavam bola.
Eo koa ny fahalemen ireo fiangonanan lazaiko fa lehibe eto amintsika dia ny katolika ekar , ny protestanta (flm.fjkm) , ny anglikanina.
Maro koa ny fiangonana no mipatitaka ka rehefa mivaky roa dia tsy omby tsony ny trano fiangoanan dia lasa manao fiangoanan hafa indray iolay nisaraka tamin ny foibeny d velona amizay izao atsanga tsy aman orana izao , ao ny milaza fa azy irey Andriamanitra ary ao ny miteny fa izahay no tena tompony fa ny anareo fanompoana sary sy fivavahana amin ny reniny fa tsy ny zanany izay nanavotra antsika.
De misavoritaka eo na ny mpitondra na ny mpino ondry ambesana.
Izao koa efa tafiditry ny politika ny fivavahana de lasa fitaovana koa izany izy io eo amin ny raharaham pirenena.Entina manarina izy io ary entina manakorontana koa.
amizao dia malaza fa tsy mila ny fitondrana Ra8 ny mpaminany fa manimba ny fiainam bahoaka ary dia nandefa kisoratsoratra mihitsy Andriamanitra tamin ny alalan ilay tovovavy izay ary nolazaina fa mampahory vaoka ny mpitondra ka ho avy tsy ho ela ny ho solony angah , na mila soloina mihitsy>
Koa ho antsika mandala ny fivavahana kristianina dia mety ho domboana aminizany v isika.
D raharaha tokoa izy ity
novalian'i fijo ny 08/06/2004 00:34
2. xxx ( 04/06/2004 08:54)
raha tena mamaky ny baiboly isiska rehetra de ahita fa @ farany de hisandoka ho mpaminany daolo ny olona ary tena hiraogatra izany ,ao ny fitadiavana vola sns,ary tokony ho mailo isika satria Jesosy irery ihany no tena izy ary tsy hisy mpaminany zany intsony , ary de miandry ny fiverena'i Jesosy isika rehetra fa tsy izy izay rehetra hilaza hoe izaho no izy ,na nisehon'izao sy izao aho.....
3. xxx ( 04/06/2004 09:00)
Tandremo fa mila miambina sy mivavaka mandrakariva isika an, @ Jesosy bien sûr!!!??ary tsy mino zao komerazy be dia be izao e!?
4. chipie1 ( 04/06/2004 09:12)
tano mafy hono izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao!
5. ravatorano ( 04/06/2004 09:53)
Ry Pasitera Maihol sy ry Landivola moa dia naminany fa tokony hiala eto amin ny fitondrana Ingahay Ra8 ffa kosa Ingahy Alberto Randrianasolo dia manambara indray fa tokony hampiana Ingahy Ra8 eo amin ny fitondrana an ity Nosintsika ity.
Izaho mba manana fanamarihina kely satria hitako sy tsapako aloha fa izy mianadahy mianaka dia mandala ny fivavahana tsy katolika ary Ingahy Alberto dia katolika mpiangona ao amin ny fiangonana ekar antanimena.
Raha manao fifanakekezana tsotsotra aloha dia ry zareo anakiroa ireo izany dia manainga ny olony hanala an dra8 fa ny katolika kosa manohana azy amin izao asa ataony izao.
Azo heverina ho marina v izany ????
6. ari.malala ( 04/06/2004 11:10)
mirongatra ny mpaminany eto amintsika, satria araka ny fahitako azy dia efa sarotra loatra ny fiainana, dia mitady zavatra hanamaivanana ny fahoriany ny olona hi divertit azy, ka ilay mamorona sy mba te ho vedety angamba no hitan'ny sasany fa mety hahasintona olona d aleo miteniteny foana hoe nisehoan'ianona e, mpaminany e...
7. jhouhlambout ( 04/06/2004 11:13)
mirongatra satria efa kely sisa dia ho tonga ny farany ........
8. moi ( 04/06/2004 12:08)
Manao ahoana daholo indray e !
Izao no mba ho entiko : voasoratra any @ Baiboly hoe Raha misy milaza aminareo hoe indro aty na ary i Kristy, aza mino ...
Fa mino kosa aho fa tena nisehoan-javatra ireny olona nilaza ho nahita ireny ; fa ny hoe tena Andriamanitra (Ilay Alfa sy Omega) ve io ? Tsy inoako noho io Tenin'Andriamanitra io.

Misy manohana ny hoe avelao aloha handeha ny fotoana hahitana na marina izay voalazan'izy ireny na tsia ; fa amiko na dia tanteraka tokoa aza ny voalazan'izy ireny, tsy manamarina izany fa avy @ Atra tokoa ilay hafatra.
Io amiko sahala amin'ireny olona milaza hoe nisehoan'i dada aho ... mangatsiaka hono izy ... Tena i dada marina ve io ? Asan'izay mino ny toy ireny fa izaho aloha mino ny fisian'ny devoly e !

Fa tsy ferana mihitsy ny fisian'ny mpisandoka tsotra izao... Fa ao koa no izy mihitsy no voafitaka : heveriny fa tena Atra tokoa ilay niseho taminy. Tsy misy mauvaise foi avy aminy fa dia victime fotsiny izy ireny ...
9. librepenseur ( 04/06/2004 12:49)
ho anareo kristiana :

rehefa hanomboka hivavaka sy hamarana vavaka ny kristiana dia miteny foana ilay hoe : "Amin'ny anaran'ny Jesosy"...inona ny olana raha andramanao sy ny mpiara-mivavaka aminao ny mivavaka amin'io lazaiko io ?

izao no ataovy: ataovy toerana samihafa (sao misy fanahy misopàpa) ny misy anareo rehefa mivavaka ka hanontanio amin'ny anaran'ny Jesosy ny ho avin'ny firenena, asiavo vavolombelona mihaino na enregistre-o ny feo dia ho hita eo raha mitovy na tsia ny valin'ny vavaka...ary raha misy mitovy na ny roa fotsiny aza dia ny fanin-telony ve izany dia sandoka ?
10. ari.malala ( 07/06/2004 10:52)
ho an'i librepenseur, aza mi se moquer finoan'olona rehefa tsy mino.
11. six ( 07/06/2004 14:41)
moi> marina !!!!!!!
librepenseur> aza d atao an'zany kosa!!!!!
ari.malala> 4/6 > zay mintsy angamba!

za kou zao ande hanao ! hihihi
12. jhouhlambout ( 07/06/2004 15:16)
;-)
13. fijo ( 08/06/2004 00:34)
mirongatra satria fantany fa mora rebirebena amin'ny resaka finoana ny gasy ka dia avy tokoa izy.
marina io fanamarihana nataondravato io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1651