Reny sy zanaka

1. samoina ( 03/06/2004 13:34)
Raha ianareo no reny dia inona no mba irianareo atolotry ny zanaka ho anareo amin'ny andro fety ?
novalian'i fijo ny 07/06/2004 22:25
2. kinaoly ( 03/06/2004 13:56)
teny mamy
3. nikopol ( 03/06/2004 14:05)
No comment!

Aleo aho hangina!
4. booboo ( 03/06/2004 14:09)
tsisy fa ataony ny kaly sy ny raharaha rehetra :)
5. ari.malala ( 03/06/2004 14:20)
Za efa reny, ilay tsianjeriny mibadabada iny d efa cadeau ngeza b ho ahy, miampy ny fahendreny.
6. bichette ( 03/06/2004 15:00)
za klou tsy mbola reny fa tononkalo angamba na tsianjery satria iny no tena vokatry ny fo sy avy ao am-po. Teny mamy ihany koa araky ny voalazan'i kinaoly, mamboraka fitiavana oh :
tena tiako ianao ry neny, indraindray aho somary mampatezitra anao kanefa aza omena tsiny sns.... tsy haiko e !
... dia ampanarahina cadeau.
7. nikopol ( 03/06/2004 15:04)
Hainareo ve lay hira hoe : sôtra mama sôtra e!



8. fijo ( 03/06/2004 19:28)
hiran'i dedesy io raha tsy diso aho ary milay ka.za moa tsy neny ka aleoko miala moramora
9. voninkazokely ( 03/06/2004 21:59)
Ry neny ô!
Ry neny tiako !
Lazaiko anao fa tsy afeniko!
Ny tena moa dia mbola kely,
tsy manam-bola velively!
Aza dia omena tsiny ilay nitrotro ahy fahiny !
Fa ny azoko omena dia
ny FOKO VOLAMENA !
10. sipagasy ( 03/06/2004 22:28)
misaotra wa ryt$ voninkazokely ann
makasitraka é
-
11. bichette ( 04/06/2004 06:21)
misy ilay hiran'i NONO izany koa ....(raha tsy diso aho !)

..../..... neny, neny neny neny neeeeeny,
neny mitondra bibiankibo
neny mibaby varatra
neny foladamosina
tsy tadidiko ilay izy fa bonn koa
12. hendry ( 04/06/2004 07:12)
neny o, neny o
ianao no fiainako
aza ilaozanao
ty foko tia anao

Rehefa maneho fahendrena sy mankatoa fotsiny dia ampy fa tsy voatery hanolotra zavatra, amiko io.
13. samoina ( 04/06/2004 09:12)
bichette / Tarika mahaleo no nihira an'io fa tsy nono kah ! Fanitsiana kely fotsiny fa tsy manala ny hatsaran'ny tononkira akory izany
14. angie ( 04/06/2004 10:18)
Avia neny tiako ho eto ampofoiko
Eto an-tratrako an-kavia mba ho akaiky ny foko.
Etsy ho fafako ireo ranomaso
Hitantarako angano ianao sady ho harahiko safosafo...
...
Dadah Mahaleo tena tsara io hira io an.
15. nikopol ( 04/06/2004 10:25)
Ny tiako sy mamiko indrindra eto an-tany
dia neny sy neny....

Poezy io fa tsy dia haiko loatra ny tohiny.

Fa milay koa ilay "Mother" n'i John lenon
16. jhouhlambout ( 04/06/2004 11:41)
17. voninkazokely ( 06/06/2004 17:41)
Tratry ny fetin'ny RENY daholo isika reny eto an-tany !!
18. ari.malala ( 07/06/2004 11:06)
tena tsy renyu kosa izany manala zaza izany ka! mamono ny menaky ny aina izany v de mbô reny?!
19. fijo ( 07/06/2004 22:25)
aza avy dia tsaraina izy ry malala,fa misy antony tsy haintsika ao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4802