Vinavinan'ny tantsaha

1. tsilan ( 02/06/2004 12:17)
Manahy mafy izahay tantsaha amin'ity taona ity fa mety hitombo izay tsy izy ny halabotry sy ny hanoanana ety ambanivohitra mandritra ny maitso ahitra. Sady mety ho lafo arivo ariary mahery ny vary iray kilao.
Ny antony mantsy dia efa amidy 6.000 ariary izao ny vary akotry iray daba raha eo amin'ny 2.000 ariary eo izany isan-taona.
Toa efa fambara sahady fa tsy hidina akory ny vidin'ny kanokanona sy ny sakafo na ho vita aza ny fararano be.
Koa dia manahy ny hitomboan'ny korontana madinika ety an-tsaha ny olona.
Inona no tokony atao ?
novalian'i tsilan ny 26/06/2004 02:51
2. ramoul ( 02/06/2004 17:05)
tsy azoko tsara ny tiana ho lazaina ry tsilan fa azavao mazava tsara. Misaotra
3. tsilan ( 03/06/2004 12:19)
Ramoul
Noho ny fahalafosan'ny vidin'entana, dia manahy ny tantsaha fa ho betsaka ny halabotry sy ny kanokano rehefa amin'ny maitso ahitra.
Inona no mba hevitrao hialana amin'izany
4. fijo ( 03/06/2004 22:44)
ny halabotry ve tsy ny ety andrenivohitra no tena hiarany e
5. tsilan ( 04/06/2004 17:30)
Fa Fijo ary ve taiza no nipetraka no tsy mahalala fa ny halaboangazo, vary, vomanga no atao hoe halabotry ?
Za aloha tsy dia mahay ny ao an-drenivohitra ka dia tena miala tsiny raha diso izany an
6. hendry ( 04/06/2004 18:22)
embeso ny tanimboly e. Mifanaraka ny mpamboly dia mifandimby miambina.
7. ramoul ( 20/06/2004 20:42)
Ny hevitro ndray amin' izay dia izao.
Tokony atao betsaka ny zandary eny ambanivohitra ary amafisina ihany koa ny fiambesana ny mpanao halabotry.
8. tsilan ( 26/06/2004 02:51)
Sarotra aloha ny miambina satria ny tanimboly mifanalavotra daholo eh.
Sady mbola misy asa miandry koa amin'ny alina indrindra raha mbola tanora ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4589