Neny ô! Neny ô!

1. voninkazokely ( 28/05/2004 20:09)
Efa ho avy izao ny fetin'ny reny ka ianareo izay mba mahalala ny tohin'ity tononkira ity dia iangaviako mba hanohy azafady!

Neny ô Neny ô
Ianao no fianako
Aza hilaozanao
Ny foko tianao
.........................................
...............................

Na ity :
Maman maman
Ma vie ma vie c'est toi
Reste tout près de moi
Je t'aime tant maman.................

Izay mahalala na ny iray amin'ireo ihany aza!
Misaotra betsaka mialoha é!

Dia mirary fety sambatra ho an'ny reny rehetra!
novalian'i fijo ny 03/06/2004 22:18
2. nikopol ( 28/05/2004 20:25)
raha mi-participer amin'ilay operation lames (cf. hatsikana sy lalao) ianao dia omeko ny tohiny.
3. hery ( 28/05/2004 22:57)
Oups, iny indray no tsy hitako hahaha
4. yonikafopl ( 28/05/2004 23:16)
nikopol anjay kosa e! mila tambiny ve?
5. nikopol ( 29/05/2004 09:22)
Yoni a! Ny takalo no fototra iorenan'ny fiaraha-monina rehetra.
6. voninkazokely ( 31/05/2004 12:24)
Tsa misy mahalala vyyyyyyyy?
7. donemaskit ( 31/05/2004 13:33)
tena tsy haiko io hira iray io ry Voninkazokely!
8. nikopol ( 31/05/2004 19:53)
Tohiny :

Ma pétite maman,
reste tout près de moi.
.......
9. fijo ( 31/05/2004 23:20)
marina kosa fa mifototra amin'ny takalo ny fiaraha monina ko.lame hatakalo hira.mety hialy an.tapaka ny fifandraisana,dia vita koa ny hira
10. samoina ( 01/06/2004 07:12)
Voninkazokely / Tohiny kely haiko

...Avant de nous quitter
Papa nous a bien dit
La vie pour nous commence
pour une éternité !

( Ampiana eny ihany raha miverina ny fitadidiana !!! )
11. nikopol ( 01/06/2004 09:26)
Samoina : maninona ary raha omena daholo izy io.
Sa mbola betsaka koa ny lames an'i samoina tsy lafo?
12. ari.malala ( 01/06/2004 09:49)
Izay tadidiko ihany aky r'i vonikazi â!

Hoy i dada tamin'izay
Any ilay fiainana iray
Feno fiadanam-po
Ts'isy alahelo koa

Tena niezaka nitadidy ihany aho fa tsy tadidiko ê! miala tsiny aky â!
13. samoina ( 01/06/2004 09:52)
zezika fambolena ny ahy fa tsy lames e ! Za mampaniry miandalana fa nikopol manapatapaka sy mitady handratra a !
14. ari.malala ( 01/06/2004 09:55)
Izay tadidiko ihany aky r'i vonikazi â!

Hoy i dada tamin'izay
Any ilay fiainana iray
Feno fiadanam-po
Ts'isy alahelo koa

Tena niezaka nitadidy ihany aho fa tsy tadidiko ê! miala tsiny aky â!
15. voninkazokely ( 01/06/2004 10:14)
Misaotra betsaka anareo namaly!
16. lanto ( 01/06/2004 18:59)
Ho lavalava ka miomana ry vonikazokely

Neny malala ô
Nandao ilay ray tsy foy
Izaho sy ianao no hany
mizaka irery izany

Foano ny ranomaso
Sy ny alahelo am-po
Jereo aho ka andraso
sao ilaozanao koa !

Hoy i dada tamin'izay
Any ilay fiainana iray
feno fiadanan-tsaina
sy fiononam-po

Ho avy ilay andro iray
Hihaonantsika indray
ankoatr'izao hita izao
Ilay fianam-baovao

Neny ô neny ô
ianao no fiainako
aza ilaozanao
ny foko tia anao
(in-2)

Ho potika sy lao
Ny amiko tontolo
Raha tsy eo anilanao
Ry neny tsy voasolo

Hikolokolo hatrany
Ny fahanteranao
Fiadanako eto an-tany
Natokako ho anao


Dia @ teny vazaha :

Ma petite maman
papa nous a quittés
nous ne sommes plus que deux
cela est malheureux

Ne pleure plus chère maman
parceque d'être si triste
c'est trop de peine pour toi
J'ai peur que tu ne me quittes

Avant de nous quitter
papa nous a bien dit
"la vie pour nous commence
pour une éternité" (io nadikako tetsy ambony)

Caresser tes cheuveux blancs
...........
(mbola misy andalany iray)

maman maman
ma vie ma vie c toi
reste tout près de moi
je t'm tant maman

........mbola misy andalany roa )

Misy mahay ve ny LOHATITRE :)) sy ny mpihira ?
17. fijo ( 01/06/2004 23:08)
tsy tiako ity pejy ity fa mampahatsiahy ahy ny reniko any lavitra any.
18. betty ( 02/06/2004 10:19)
hi hi nenah alou aty zao kou :p
19. chipie1 ( 02/06/2004 16:50)
de aza mijery ry fijo an!!
20. voninkazokely ( 02/06/2004 20:42)
Misaotra betsaka re tompoko ô!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3154