mivavaha mafy mba handresy isika, dia aoka hiasa ihany koa

1. tsilan ( 27/05/2004 14:49)
mivavaha mafy mba handresy isika, dia aoka hiasa ihany koa ho fiavotana ity tanintsika ity.
Hafatra kely fotsiny
novalian'i fijo ny 04/06/2004 00:02
2. fijo ( 27/05/2004 22:39)
miasa mafy fa aza lany andro mivavaka e.fotoana very izany.
3. bichette ( 28/05/2004 06:17)
Tsy hoe lany andro mivavaka anie ry fijo e !
Misaotra amin'ny hafatra ry tsilan a
biz be daholo
4. librepenseur ( 28/05/2004 08:07)
Fotoana vonjivonjena io ve tsy aleo tonga dia miasa sy manao izay mety e. tsilan sy bichette a ! mba réaliste fa aza dia manantena ny tsy hita fotsiny e. raha tianareo ho avotra ny firenena dia miasa ny solution voalohany. Ny vavaka indray dia ampiasaina rehefa té hanao magie.
5. samoina ( 28/05/2004 08:17)
Misy ny miasa kely nefa te ho be vola na ny mody mivavaka be mba hanankarena nefa toa samy tsy nahazo fahafampo !
Ny mivavaka kely nefa miasa be angamba no mety vaha-olana réaliste indrindra e !!!
6. ravatorano ( 28/05/2004 08:38)
miasa b d manatitra faha folo karena araky ny voalaza ao amin ny baibaoly kosa e
Miasa aloha d mivavak avy eo
Ampio ny tenanao d hanampy anao Andriamanitra !
Asa famokarana v aloha ry fijo izy ity sa asa fitoriana filazan tsara , evanjely......???
Avaho tsara ry samoina ah
7. samoina ( 28/05/2004 08:45)
koa na izay aza no tenin'ny baiboly ry ravatorano tsy za mintsy no hanome ny fahafolo-karenako a ! Ataon-drizalà mpiandraikitra argent de poche fotsiny fa tsy hanatontosany hanasoavana ny ory akory !
8. tia_ery ( 28/05/2004 11:27)
Fa ny fiasan'ny FIVAVAKY NY MARINA dia mahery indrindra.

Raha tsy JEHOVAH no manao ny trano dia miasa foana ny mpanao Azy.
Zavapoana ho anareo ny alim-pandry SY ny mifoha maraina ka homana ny hanina azo amin'ny fisasarana; nefa izany dia omeny ny malalany na dia matory aza izy.


Sôtra ê!
9. razakh ( 29/05/2004 14:16)
Tena ilaina le miasa be e! izay no tena tsara, saingy ilaina ny mandray inspiration sy i d masaka mba hahomby! izay no ilaina ilay mivavaka amiko.
msotra e!
10. fijo ( 31/05/2004 22:16)
ravato an,asa famokarana fa hitory inona isika e.matoa ny us matanjaka dia miasa be izy.isika lany andro mivavaka nefa samy manantena vokany ko aiza ary.?ary fahafolonkaraman'iza no tsy hita izay hasiana azy o.ento aty hamonjeko ny fanahiko.
11. tsilan ( 03/06/2004 15:10)
Zava-misy marina ireo
Misy ny mpialokaloka anaty fiangonana mba hanangonana harena. Aleo tsy manonona.
Fa ilay izy anie tsy hoe ny fivavahana no andaniana andro eh. Fa mba mivavaka iray minitra fotsiny dia vita. Tsy mifidy toerana ary tsy mifidy Andriamanitra akory izany.
Raha toa moa tsy minomino ireny Andriamanitra ireny ianao, dia manao fandinihan-tena iray minitra fotsiny ho fiatrehana ny asa dia vita.
12. fijo ( 04/06/2004 00:02)
ah raha izay fandinihan tena izay dia ekeko fa ilaina tokoa ahitana ny efa vita sy hijerena ny lesoka tokony arenina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2655