landivola hanao conference de presse

1. ravatorano ( 27/05/2004 14:18)
Araky ny voalazan ny gazety tribune nivoaka anio 27 Mai ao amin ny takeleka faha 11 dia hanao conference de presse i Landivola , ary izy irery tsisy mpanotrona fa dia izy ihany izany no hitarika io fivoriana io.Ny lohateny ho voasany amin izany dia izao : "Fandikana ny hafatr 'andraimanitra ho an ny Filoha Ravalomanana,ny governematan ny Repoblikan ' i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy.
I Landivola moa dia ilay tovovavy nilaza fa nisehoan 'Andriamanitra vao tamin ny herinandro lasa iny ary dia nametrany hafatra ho an ny Filoha ka soratra tsy hay vakiana izany ary nolazainy koa fa ny Filoha irery ihany no mahay mamky an 'izany.

Tandremo tokoa ary fa voalaza ao amin ny baiboly koa anie fa misy ny mpaminany sandoka e
enga anie mba tsy ho izany i landivola fa mpampita hafatra tsara .
novalian'i fijo ny 31/05/2004 22:20
2. ari.malala ( 27/05/2004 14:27)
Dia samy miandry ny ho tohiny izany isika rehetra ê!
3. ravatorano ( 27/05/2004 14:30)
azonareo atao ny mijery an ity koa anefa ho fanampimpanazavana .
http://www.lagazette-dgi.com
dia midira eo amin ny politika fotsiny fa ho hitanareo ao ny momba an i landivola
4. fijo ( 27/05/2004 19:26)
dia miandry marina moa isika ,fa zavatra manahirana ity.
5. librepenseur ( 28/05/2004 08:11)
ka ny gazetiko 27/05/04 aza efa nilaza koa fa misy olona 4 sahady hono afaka ny handika ny hevitr'ilay hoe hafatra koh. Ny an'iza indray no marina ? ny olon-drehetra anie mety samy hanana vision daholo e.
6. ravatorano ( 28/05/2004 08:34)
ho tanterina amintsika eto ihany ny vokatr ilay famelabelarana fa mbola tsy tonga ny mpanao gazetiko ry zalah :wink:
7. chipie1 ( 28/05/2004 08:36)
ho itantsika eo alou ny tohiny ...
8. booboo ( 28/05/2004 08:36)
asaovy malalakilalaky ara fa efa liam-baovao ny tanàna e :)
9. six ( 28/05/2004 10:12)
d mety ho aoana mou no dikany e, za zao sûr fa we ovay ny governemanta!
10. tia_ery ( 28/05/2004 11:39)
La REVELATION DE DIEU izay angamba no tiana hisarihana ny sain'ny maro.

Fahadisoana tanteraka aloha ny tonga dia mametraka sy ny manakiana avy hatrany izay fonosin'iny trangan-javatra iny. Fihinana ambolony koa anefa no tonga dia hanekena fa izany no marina.

Ohatra iray fotsiny, ohatra tamin'ny andron'i Nebokadnezara mpanjakan'ny Babilona; raha nanofy izy sy nahita izay hitany nandritry ny nofiny dia nampiantso an'ireo karazan'olona sy sokajin'olona maro samihafa. Tsy nambaran'ny mpanjaka anefa ny nofiny fa ireo karazan'olona ireo no nantsoiny sady hilaza ny nofiny no koa hanambara ny heviny. Misy tranga izany na dia ianao izay, vecteur de message, aza tsy dia mino loatra an'ilay izy ary mametraka fisalasalana. Ny zava-nisy dia noheverin'ireto karazan'olona ho filana voatsiary fotsiny ny an'ny mpanjaka... ny tohiny anjaranareo no mahita azy; fa i Daniela irery no nahay namantatra sy nandika ny nofin'i Nebokadnezara mpanjaka.

Tranga sy seho ihany ireny fa amin'izao fotoana MOA VE ANDRIAMANITRA mbola mametraka ny FISEHOANY ho toy izany foana ... azo jerena ny baiboly dia faritana hoe hatraiza izy ity na hatraiza dia eo no ahitana ny tena fahamarinana.

Ohatra ihany koa teo amin'ni Saoly, izay nanenjika fahizay ireo kristiana. Jesosy no niseho taminy ary resy lahatra tanteraka izy ary fantany sy tsapany ny vokany ny hafatra ho azy tenany izay nisehoany mba hampivelarana ny ambaidain'ny Filazantsara eny amin'ny Jentilisa.

Anjaran'ny tsirairay no mamantatra sy manadihady fa tsy tonga dia hanakiana sy hanamarina be fahantany.

Sôtra ê!


11. fijo ( 31/05/2004 22:20)
dia vita izany ilay resadresaka nefa toa fampihesonana no tena marina.ka dia minoa daholo e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2406