Dago sy ny informel

1. kitjo ( 27/05/2004 01:40)
Aona ty sektera informel mahazo vahana b ao amintsika ity?
IO ko ngamba anisan'ny tsy mampazoto ny olona mampiasa vola sa aona ozy nareo?

aiza ve ka rehefa hividy entana enao d eny @ sisiny foana, na misy izao aza ny mpivarotra ara-dalana.
- Tsy miditra ny hetra ho an'ny fanjakana satria tsisy mpividy any @ mpivarotra mandoa hetra, reny aza kivy mety hanondrana eny @ sisiny koa.
- Mampitombo ny mpangalatra satria refa tsisy eny d ts maintsy hanao ze ahitana zareo : pieces auto, telephone.....
- Manome image ratsy an'i Dago satria toa tsy ara-dalaan aby ny zava-misy ary mampitombo ny mpanaonao foana @ zvt rht, lasa efa toe-tsaina mipetraka le izy.

.................
novalian'i fijo ny 18/11/2004 22:43
2. kitjo ( 27/05/2004 01:51)
Maninona raha:
- Amafisina ny resaka SAV ka mba manara-maso akaiky ny fanjakana, resaka garrantie ohatra.
- Avondrona @ toerana iray isaky ny sokajin'entana na asa
oh: Analakely: fitaovana @ birao, akanjo, sakafo..
Andravoahany : quincaillerie, pieces auto,....
Misy fomba bdb azo ampiharana an'io fa ts voatery ho tsena b vao foronina akory....

- Rehefa tsy ahasokatra fivarotana ireny mpivarotra telephone mandende reny na ny tobil eo @ SICAM, Behoririka, 67ha, amoron-dalana sns reny, maninona raha manangana karazana birao iray mihitsy ka samy manoratra ny azy ao izay manana amidy.
Ny olona hividy tonga dia mankany , mifametraka coordonnees fts d mifampiantso aveo.

Efa hitako aloha le oe tsy azo asina "a vendre" ny tobil mipetrapetraka eny fa efa hain zareo refa ho avy ny polisy ka tsisy d mandaitra firy.
Fa ampianarina koa na ny olona aza,
Mampihena ty resaka "mpanera mpanera" ty koa amin'izay fa reny ko ange no tena mpampiakatra vidin'entana e.
Miala tsiny @ zay voatonina fa marina zany.
Sady amin'ireo mpanao io asa io ange misy tena io ny asany isan'andro , manera tobil.....,ny dikany tsy tena misy tompony reny mpivarotra reny, ka mitovy ihany @ le ao @ le fikambanana toy ny nataon magazine MAP.

Miala tsiny ho an'izay mahatsiaro ho maty antoka fa io anisan'ny tsy mampandroso antsika ayr tena manome image ratsy,
Samy maty antoka koa na ny mpividy na ny mpivarotra fa ny mpanera no mahazo tombony.
Reny nefa tsy mandoa hetra, tsy misoratra anarana ho mpiasa, mamitaka fts az ainddray fa malama vava loatra ny sasany.


Bdb ngamba ny ohatra ankoatra ny varotra!
3. ravatorano ( 27/05/2004 12:41)
ny panera tsy maintsy malama vava kah !
Marina fa tokony ho foanana ny secteur informel fa izao nefa hitan ny fafnjakana fa betsaka ny olona mbola mivelona amin io ary tsy hisian ny korontana eo amin ny tanana dia izay aloha no hitany fa mety dia tandroviny izay.
Ny fanjakana tsy mahita asa ho an ireo ao amin ny secteur informel ireo , ny privé tsy mahatsangana orinasa hiasan ireo dia ho aiza ary izy.Io ilay fika malagasy , ilay antsoina hoe systeme M , ny kibo tsy maintsy mahita foana na dia mafy aza ny ady.
Jereo fotsiny ireo mpivarotra mpaka entana ao amin ny karana sy sinoa ireny .Maka tombobarotra izy aminio ah ary dia feno azy ny tanana , tsy mando hetra izy nefa kosa dia mivarotra ara dalana.Ny mpanome moa zara aza fa lafony ny entana ka dia vao maika aza amporisihiny indray.
Dia toy izay foana e .Mety sy marina le hevitra fa mbola hevitra aloha iny , mbola théorie fa ny fametrahana an izany mbola henjana sy mazana b raha amin izao fotoana diavin ny firenena izao.
4. kitjo ( 02/06/2004 05:03)
Eny e, marina izany kanefa misy dingana arahina aby ny zvt rht
Raha rasiina oh zany foana angamba mbola "pays des mora mora" foana.
Tsy oe atao brusque be koa ange le izy fa na le @mairie sa moa polisy mandroaka entana amoron-dalana ireny ange efa fanatanterahina azy e
fa matoa le olona mbola manao misy antony ao oe mitsoaka izy d zay

ary mila politika koa fa tsy oe horaofina aby izy d zay samy miala, hivaidka mpanendaka aby...

Tsy fatako aloah e, mety zvt tenenika oe bitika zany na oe miandry fotoana anefa isan mampi-demarre ny toe-karena voalohany inddra

5. tsilan ( 02/06/2004 15:45)
Etsy akely ange eh
izao aza informel mbola lafo ny zavatra vidiana, koa maika fa tataovan'ny fanjakana haba tsy ho vao maika tena ....
6. six ( 16/11/2004 11:43)
ka zay le ts mampandeha azy anie e!
nefa io marina anie raha ohatra ka na ny mpivarotr\'anana aza maka RC, NIF, CP retraretra iny d\'efa tokony handroso hihany madagasikara e! zany we mba bebe ny hetra miditra am fanjakana avy eo, fa le initiative mintsy no ts misy!!
7. fijo ( 16/11/2004 23:35)
efa nisy ireo sosokevitra ataon\'i kitjo ireo,fa tsy netyresilahatra ny mpivarotra.
8. tsilan ( 17/11/2004 19:18)
Ny kaompania lehibe maro any Eraopa aza mbola milalao ao anatin\'io informel io amin\'ny fampiasana ireo olona tsy manana taratasy ara-dalana, mba hidinan\'ny vidim-pamokarana, hany ka i Renault aza afaka mivarotra fiara vao amin\'ny vidiny ambany mihintsy.
Ny fanaovantsaokola ohatra na ny kafe dia mbola miaina amin\'io mihintsy.
Tsy ilay izy hoe forimeline na tsia no mampandeha ny raharaha na tsia fa ilay fitantanana mihintsy. Ataoko mandoa hetra amin\'ny tany sy ny vidin-javatra foana ny mponina, saingy tsy misy miverina any aminy ireny, mba hitany soritra hoe iry no vita tamin\'ny hetra. Na misy vita aza moa mety tsy ampy fanazavana dia eo iny.
9. fijo ( 17/11/2004 22:32)
na izany aza ratsilan hitan\'ny volampanjakana ihany ilay hetra tsy azo vokatr\'io informela io n
10. fatsoraly ( 17/11/2004 23:25)
tsilan an! Kaompania lehibe any Eraopa aiza? Sa ny tianao tenenina dia hoe:
Eraopa = France + Romania? hahaha!
11. fijo ( 18/11/2004 22:43)
fatsoraly,vao haingana ny paositra teto frantsa no tratra tamin\'io.panzany ao italie koa vao tratra.
ary maro tokoa no manao an\'io na ry mpanao sigara any US aza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3447